Seminera
1 Nefia 1: “Nisy mpaminany maro tonga”


“1 Nefia 1: -Nisy mpaminany maro tonga,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 1: -Nisy mpaminany maro tonga,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 1

“Nisy mpaminany maro tonga”

Sary
I Lehia nitory tao Jerosalema

Tsy mizara hafatra izay malaza eto amin’izao tontolo izao foana akory ny mpaminany, saingy ny fampianarana sy ny fampitandreman’izy ireo dia maneho ny fitiavan’ny Tompo ny olony. Nantsoin’ Andriamanitra hitory fibebahana tamin’ny olona tao Jerosalema i Lehia. Na dia teo aza ny fiangaviany sy ny fampitandremany, dia nandà ny teniny sy nitady ny hamono azy izy ireo. Afaka manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fandraisana sy ny fanarahana ireo mpaminanin’ Andriamanitra ity lesona ity.

Mampiasa ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny mpaminany. Ny mpaminany dia antsoin’ Andriamanitra ary miteny ho Azy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Mpaminany”). Fomba iray ijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny famelana ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ireo mpaminany ho re ao amin’ny kilasintsika. Rehefa mamakafaka ny soratra masina ianao na mandalina ireo lahateny nandritra ny fihaonambe, dia mitadiava fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny mpaminany momba an’i Jesoa Kristy. Mamarita fomba mety hanampiana ny mpianatra hahita sy handre ireo fijoroana ho vavolombelona ireo ao anatin’ny fianarana ataony.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ireo fampitandremana vao haingana henon’izy ireo avy amin’ireo mpaminany ary hisaintsaina ny fomba namalian’izy ireo izany fampitandremana izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fampitandremana

Asehoy ireto sary sy famaritana ary fanontaniana manaraka ireto.

Alaovy sary an-tsaina hoe manana fahafahana hitsingevana na hitaingina lakana eo amin’io renirano io ianao.

  • Hanana fanahiana ve ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Sary
Renirano tony anankiray

Iny ianao hanomboka ny fitsangatsangananao iny mihitsy no misy olona iray mampitandrina anao fa tony no fahitana ilay renirano fa ho hitanao fa misy ampahany mampidi-doza sy mahafaty amin’ilay izy.

  • Hatoky ilay olona nampitandrina anao ve ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Ity sary manaraka ity dia io renirano io ihany fa misy ilay ampahany hitanao voalazalaza teo aloha:

Asehoy ity sary manaraka ity ary asao hamaly ireo fanontaniana mifandray amin’izany ny mpianatra.

Sary
Renirano tony alohan’ny riandrano iray
  • Inona amin’izay no ho fantatrao na tsapanao momba ilay olona nanome fampitandremana?

  • Inona no azon’io toe-javatra alaina sary an-tsaina io ampianarina antsika momba ny anjara andraikitr’ireo mpaminanin’ Andriamanitra?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fiomanan’izy ho amin’ny fotoam-pianarana rehefa misaintsaina ity manaraka ity izy ireo.

  • Loza nampitandreman’ny mpaminany antsika amin’izao androntsika izao

  • Ireo fitahiana avy amin’ny fankatoavana sy ny mety ho vokatry ny tsy firaharahaina ny fampitandreman’izy ireo

  • Ireo zavatra tsapanao momba ny fanarahana ny fampitandreman’izy ireo

  • Ny antony ilanao ny fampitandreman’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hanaraka ireo mpaminanin’ Andriamanitra.

“Nisy mpaminany maro tonga”

Ny bokin’ny 1 Nefia dia nanomboka teo ho eo amin’ny 600 talohan’i Kristy tany Jerosalema. Tamin’izany fotoana izany dia maro tamin’ireo Jiosy no nahafoy an’ Andriamanitra ary nanompo an’i Bala ilay andriamanitra sandoka, natoky ny tenin’ireo mpaminany nandainga, ary nanao fitondrantena feno fahotana toy ny fangalarana, ny famonoana olona ary ny fahalotoam-pitondran-tena mahatsiravina (jereo ny Jeremia 27). Eritrereto ny fomba itovitovian’ireo toe-java-misy ireo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

Vakio ny 1 Nefia 1:1–4 hitadiavana ny fomba nanombohan’i Nefia ny rakitsorany.

  • Inona no zavatra heverinao fa zava-dehibe ka tokony hotakarina avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

Ireo mpaminany noresahina ao amin’ny andininy 4 dia mety hahitana ireo mpaminanin’ny Testamenta Taloha dia i Jeremia, Habakoka, Obadia, Nahoma, Zefania, ary ireo hafa.

Vakio ny 1 Nefia 1:5–15 ary tadiavo ireo antsipiriany momba ny fiantsoana an’i Lehia ho mpaminany.

  • Inona no hitanao ho manan-danja indrindra momba ny zavatra niainan’i Lehia? Nahoana?

  • Inona ny zavatra nianaran’i Lehia momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra hitany?

  • Nahoana no ho zava-dehibe amin’ny toe-javatra atrehinao ny mahalala ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo?

Vakio ny 1 Nefia 1:18–20 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Lehia sy ny fihetsika nasetrin’ny olona tao Jerosalema.

  • Inona no nampitovy an’i Lehia tamin’i Jesoa Kristy tamin’ny ezaka nataony?

  • Inona no zavatra ianaranao momba ireo mpaminany avy amin’ny zavatra niainan’i Lehia?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Lehia ny hoe Miantso ny mpaminany Andriamanitra mba hampitandrina amin’ny vokatry ny ota sy hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra tsiroaroa na ao anatina vondrona kely momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no ahitanao anatontosan’ireo mpaminany ireo andraikitra ireo amin’izao androntsika izao?

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny olona sasany hatezerana amin’ireo mpaminany na andavany ny tenin’izy ireo ankehitriny? Nahoana araka ny eritreritrao no toy izany no fihetsika asehon’izy ireo?

Nanazava ny maha-zava-dehibe ny zavatra ampianarin’ireo mpaminanin’ Andriamanitra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona Neil L. Andersen

Ny fampifikirana ny fanahintsika amin’i Jesoa Kristy Tompo dia mitaky ny fihainoana ireo olona izay nirahiny. …

Ny feon’ny mpaminany, na tenenina amin-katsaram-panahy aza, dia matetika feo mangataka antsika hiova sy hibebaka ary hitodika amin’ny Tompo. Rehefa misy fanitsiana tokony hatao dia aza mangataka andro. Aza taitra raha mifanohitra amin’ny fomba fijery malaza ankehitriny ny feo fampitandremana ataon’ny mpaminany. Ny fanesoesoana mafy ataon’ireo tsy mpino izay romotra dia mifafy foana raha vao manomboka miteny ny mpaminany. Raha toa ianao manetry tena amin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminanin’ny Tompo, dia mampanantena anao fiarovana sy fiadanana fanampiny aho. …

… Ny andraikitra lehibe indrindra izay sahanin’ny mpaminany iray sy ny fanomezana sarobidy indrindra izay omen’ny mpaminany iray antsika dia ny tenivavolombelony sy ny fahalalany azo antoka fa i Jesoa no Kristy. (Neil L. Andersen, “Ny mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 26–27)

  • Nahoana araka ny hevitrao no ny fizarany ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy no andraikitra lehibe indrindra sahanin’ny mpaminany?

  • Inona no afaka manampy anao handray am-pahatokiana ny torohevitra sy fampitandreman’ireo mpaminanin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao?

Ny anjara asan’ny ny mpaminany sy ny maha-zava-dehibe ny fanarahana azy ireo

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto. Omeo minitra vitsy hiraketana an-tsoratra ny eritreriny ny mpianatra.

Alaovy sary an-tsaina hoe mandefa ity hafatra manaraka ity any aminao ny namanao iray izay tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonana:

“Tadidiko ianao nilaza zavatra momba ny fananan’ny fiangonanareo mpaminany. Tena marina ve izany? Inona no ataon’ny mpaminaninareo? Mitovy amin’ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly ve izy ireo?”

Te hahazo antoka ianao fa voavaly mazava ny fanontanian’izy ireo. Manomàna valiny iray amin’ny alalan’ny fampiasana ny tsirairay amin’ireto manaraka ireto:

Afaka miditra amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile ny mpianatra. Raha ilaina dia omeo tahadika vita printy hojereny ny mpianatra.

  1. Andinin-tsoratra masina sy ohatra avy ao amin’ny 1 Nefia 1 (ary andinin-tsoratra masina hafa mombana mpaminany mety fantatrao) izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny anjara asan’ny ny mpaminany.

  2. Ohatra amin’ny fomba nanampian’ny mpaminany maoderina anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hizara ohatra izay nitaoman’ny mpaminany anao tamina lahateny natao tamina fihaonambe maneran-tany, lahatsoratra tao amina gazetibokin’ny Fiangonana, na ny kiboky Jeunes, soyez fort.

  3. Ohatra avy amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa izay maneho vokatra tsara avy amin’ny fihainoana ny mpaminany. Hevero ny hampiditra ny fijoroana ho vavolombelona anao manokana momba ireo mpaminany.

Rehefa ampy ny fotoana anomanana, dia ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra. Asao izy ireo haka sary an-tsaina fa nanapa-kevitra ny hamaly mivantana ny fanontanian’ny namany izy ireo fa tsy amin’ny alalana hafatra an-tsoratra. Afaka mifandimby maka ny toeran’ilay mpikambana ao amin’ny Fiangonana manazava amin’ny namany ny mpianatra tsirairay.

Hevero ny hifanakalo hevitra momba ireo ohatra ana torohevitra sy fanitsiana ary tari-dalana vao haingana izay azo avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly velona.

Aorian’izay dia mizarà fijoroana ho vavolombelona anao manokana momba ny fomba nanampian’ny mpaminany anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanasa ireo mpianatra izay vonona hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Saintsaino ny fomba namalianao ireo fampitandremana vao haingana avy amin’ny mpaminany. Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahitanao fomba ahafahanao mihaino tsara kokoa ny torohevitr’izy ireo. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ireo hevitra ireo dia mifidiana ombam-bavaka hevitra iray mba hampiharina eo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy