Seminera
1 Nefia 2: “Efa nikatsaka Ahy tamim-pahazotoana tokoa ianao”


“1 Nefia 2: -Efa nikatsaka Ahy tamim-pahazotoana tokoa ianao,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 2

“Efa nikatsaka Ahy tamim-pahazotoana tokoa ianao”

Sary
I Nefia nivavaka teo akaikina renirano kely

Indraindray ny Tompo dia mandidy antsika mba hanao zavatra izay mety ho hitantsika hoe sarotra takarina na atao. Rehefa avy niantso ny olona tao Jerosalema mba hibebaka i Lehia, dia nankatò fanambarana momba ny hamindrana ny fianakaviany ho any an-tany foana izy. Tsy nimonomonona tahaka an’i Lamàna sy i Lemoela i Nefia fa nangataka tamin’ny Tompo kosa mba hahazoany fahatakarana bebe kokoa ary nohalefahana ny fony. Ity lesona ity dia natao hanampiana mba anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitodika amin’ny Tompo rehefa mangataka anao hanao zava-tsarotra Izy.

Mitadidy ilay mpanome ny lalàna. Rehefa mampianatra momba ny lalàna sy ny didin’ Andriamanitra, dia tadidio ihany koa ny hampianatra momba ilay mpanome ny lalàna. Ampio ny mpianatra hihevitra ny zavatra ampianarin’ny didin’ Andriamanitra momba Azy, ny faniriany hitari-dalana sy hitahy azy ireo, ary ny fitiavany azy ireo. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa nomen’ny Ray any An-danitra be fitiavana ny lalàna mba hanampiana azy ireo ho tonga tahaka Azy sy ny Zanany lahy Malalany kokoa.

Fiomanan’ny mpianatra: Manontania namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana hoe: “Oviana ianao no nikatsaka sy nandray ny fanampian’ny Tompo mba hino sy hankatò ireo teniny, na dia sarotra aza ny nanao izany?”

Sahanasa fianarana azo atao

Fihetsika hasetry ny torohevitry ny Tompo

Hevero ny hampiseho ireto rafi-tantara sy fanontaniana manaraka ireto. Omeo fotoana ampy hisaintsainana sy hifanakalozana hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo mamaly ireo fanontaniana ny mpianatra.

Alaovy sary an-tsaina hoe mihaino fihaonambe maneran-tany ianao ary ny Filohan’ny Fiangonana dia manome torohevitra izay heverinao fa ho sarotra harahina. Aorian’ny fihaonambe ianao dia manomboka maheno mpikamban’ny Fiangonana mimonomonona momba ny toroheviny ary manontany hoe inona no antony nangatahan’ilay mpaminany antsika hanao izany zavatra izany. Rehefa mihaino ireo adihevitra ireo ianao dia manomboka manontany tena momba ny zavatra tokony hataonao.

  • Inona avy no mety ho fomba tsy mety entina mamaly ireo fimonomononana sy fanakianan’ny mpikambana ireo?

  • Inona avy no fomba tsara entina miatrika io toe-javatra misy io. Inona no hahafaly ny Tompo?

Ao amin’ny 1 Nefia 2, ianao dia hahita ireo zanak’i Lehia maneho fihetsika samy hafa ho setrin’ny didy sarotra iray nomen’ Andriamanitra azy ireo tamin’ny alalan’ny mpaminaniny. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fitsipika izay afaka manampy anao raha sanatria ka toa sarotra ny manaraka ny mpaminany.

Nandidy an’i Lehia hiala tao Jerosalema ny Tompo

Mety ho tsaroanao fa nodidin’ny Tompo i Lehia mba hampitandrina ny olona tao Jerosalema fa ho ringana izy ireo raha tsy mibebaka. Vakio ny 1 Nefia 2:1–5, ka tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Lehia taorian’ny nitoriany fibebahana.

Hevero ny hampiseho ity sarintany ity. Mba hanampiana ny mpianatra hijery ny halaviran-tany mety ho nandehanan’ny fianakavian’i Lehia, dia azonao atao ihany koa ny manome ohatra ana toerana iray izay eo ho eo amin’ny 320 kilaometatra miala eo amin’ny misy anao sy ny mpianatrao.

Sary
Sarintany maneho ny mety ho lalana nandehanan’i Lehia nankany an-tany foana

Ny halaviran-tany mety ho nodiavin’ny fianakavian’i Lehia niala tao Jerosalema hatrany amin’ny moron’ny Ranomasina Mena dia teo ho eo amin’ny 320 kilaometatra teo. Nila andro maro ny dian’izy ireo ary nitondra azy ireo namakivaky firenena mafana sy karakaina izay fantatra fa nisy mpangalatra niandry mba handroba ireo mpivahiny tsy niomana tsara.

  • Raha isan’ireo zanak’i Lehia ianao dia toy ny ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fihetsikao tamin’io zava-misy io? Nahoana?

  • Inona avy no fanontaniana mety ho nanananao?

  • Ahoana no fahitanao ny famindram-pon’ny Tompo izay aseho ao amin’ny didiny mba hiala tao Jerosalema?

Fomba iray anampiana ny mpianatra handalina io toko io ny fanampiana azy ireo hampitaha sy hampifanohitra ireo fihetsika nasetrin’i Lamàna sy i Lemoela amin’ireo fihetsika nasetrin’i Nefia sy i Samy. Ny fampitahana sy ny fampifanoherana ireo olona ao amin’ny soratra masina dia fahaiza-manao enti-mandalina ny soratra masina izay afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny ezaka ataon’izy ireo manokana mba hanarahana an’ Andriamanitra. Hevero ny hanasa ny mpianatra hampihatra io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny fandrafetana eny amin’ny solaitrabe fotsy ity tabilao eto ambany ity. Asao ny mpianatra mba hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe. Mety hanampy ihany koa ny manamarika fa izany dia fahaiza-manao enti-mandalina ny soratra masina azon’izy ireo ampiharina manerana ny soratra masina amin’ny fandalinana ataon’izy ireo manokana.

Fihetsika nasetrin’i Lamàna sy i Lemoela

Fihetsika nasetrin’i Nefia sy i Samy

Fihetsika nasetrin’i Lamàna sy i Lemoela

1 Nefia 2:11–13

Fihetsika nasetrin’i Nefia sy i Samy

1 Nefia 2:16–21

  • Inona no tsikaritrao rehefa nampitaha ny fihetsik’i Lamàna sy i Lemoela tamin’ny fihetsik’i Nefia sy i Samy ianao?

    Ny fanasana ny mpianatra hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo dia afaka ny ho fomba tsara hamelana azy ireo hamantatra ireo fitsipika avy ao amin’ny soratra masina. Matetika ny mpianatra no hahita fitsipika mitovitovy amin’ireo ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra. Raha mizara fahamarinana tsy mitovy amin’ny ao amin’ny boky torolalana ny mpianatra, dia mety manan-danja amin’izy ireo ny zavatra hitany. Mikatsaha taridalana avy amin’ny Fanahy Masina mba hamaritana izay fitsipika ho manan-danja indrindra mba hifanakalozana hevitra amin’ny iray kilasy.

  • Ahoana no hamintinanao ao anatin’ny fehezan-teny iray ny zavatra nianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Lamàna sy i Lemoela? Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia sy i Samy?

Makà fotoana hamerenanao mijery ny zavatra nosoratanao. Eritrereto izay fihetsika na antony mandrisika izay mitovy indrindra amin’ny anao. Inona avy ireo faniriana, eritreritra, na fahatsapana tonga aminao rehefa manao io fampitahana io ianao?

Mety efa hitanao avy tamin’i Lamàna sy i Lemoela fa ny tsy fahatakarana ny fanekempihavanana ataon’ny Tompo amin’ny olony sy ny tsy finoana ireo mpaminaniny dia mety mahatonga antsika himonomonona. Mety efa nianaranao avy tamin’ny Nefia fa rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hahatakatra ny didin’ny Tompo isika, dia afaka mampahalefaka ny fontsika mba hanampiana antsika hino sy hankatò Izy.

Ny fanamarihana nataon’i Nefia fa “nampahalefaka ny fo[ny]” ny Tompo (1 Nefia 2:16) dia maneho fa, nitovitovy tamin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela ihany, tsy mora taminy ny nankatò io didy io. Eritrereto ny mety ho fiantraikan’ny fanapahan-kevitr’i Nefia hangataka fanampiana tamin’ny Tompo tao anatin’io toe-javatra io tamin’ny androm-piainany sisa. Eritrereto hoe mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainan’i Lamàna sy i Lemoela raha nanaraka ny ohatra nasehon’i Nefia izy ireo.

  • Inona avy ireo toe-javatra atrehinao na mety hatrehinao izay mety hahazoanao tombony avy amin’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Nefia?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fikatsahana ny Tompo amim-panetrentena ao anatin’ireo toe-javatra ireo, toy izay hoe tsy mino sy mimonomonona, eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy?

  • Inona no zavatra takatrao momba an’ Andriamanitra ka afaka miaro anao amin’ny fimonomononana rehefa mangataka anao hanao zavatra sarotra Izy?

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny zavatra azontsika atao rehefa mety tsy ho azontsika any am-boalohany na tsy ekentsika ny torohevitry ny mpaminanin’ny Tompo.

Aza gaga raha indraindray ny sasany amin’ireo fomba fijerinao manokana dia tsy mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny mpaminanin’ny Tompo any am-boalohany. Fotoana hianarana sy hanetrena tena ireny, rehefa mandohalika mivavaka isika. Mandroso amim-pinoana isika, matoky an’ Andriamanitra, mahalala fa rehefa mandeha ny fotoana dia handray fahazavana ara-panahy misimisy kokoa avy amin’ny Ray any An-danitra isika. Nisy mpaminany iray namaritra ilay fanomezam-pahasoavana tsy manan-tsahalan’ny Mpamonjy hoe “ny sitrapon’ny Zanaka dia voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray” [Môzià 15:7]. Ny fampandeferana ny sitrapontsika ao anatin’ny sitrapon’ Andriamanitra raha ny marina, dia tsy faharesena velively fa fiandohan’ny fandresena feno voninahitra. (Neil L. Andersen, “Ilay mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 26)

  • Inona avy ireo fitahiana azonao rehefa nikatsaka ny hampandefitra ny sitraponao tamin’ny Ray any An-danitra ianao, tahaka ny nataon’i Jesoa sy i Nefia?

Makà fotoana hiraketana an-tsoratra ny eritreritrao sy fahatsapana ara-panahy anananao. Inona no zavatra nianaranao ka tianao hotadidina? Inona no fanovana tsapanao fa hitaoman’ny Fanahy anao mba hatao amin’ny fiainanao miainga amin’ny zavatra nohalalininao androany?

Hamoaka printy