Seminera
1 Nefia 3: Manomana lalana Andriamanitra


“1 Nefia 3: -Manomana lalana Andriamanitra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 3: -Manomana lalana Andriamanitra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 3

Manomana lalana Andriamanitra

Sary
I Nefia nipetraka eo akaikina renirano kely

Rehefa avy nandeha nandritra ny andro maro an-tany foana i Nefia sy ireo rahalahiny, dia niatrika fizahan-toetra ny fankatoavana sy ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra rehefa nodidiana hiverina tany Jerosalema mba haka ireo takela-barahina tany amin’i Labàna. Hisy fotoana hangatahan’ny Tompo anao ihany koa hanao zava-tsarotra. Afaka manampy anao hampihatra finoana an’ Andriamanitra mba hahavitana izay zavatra ampanaoviny anao ity lesona ity.

Manampy ny mpianatra hamantatra ny fitarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa mianatra momba ny fomba nitahian’ny Tompo ny fiainan’ireo olona ao amin’ny soratra masina ny mpianatra, dia mitadiava fomba hanampiana azy ireo hamantatra ny fitahiany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao izy ireo hisaintsaina izay mety ho fomba amalian’ny Tompo ny vavak’izy ireo sy hampatanjahany azy ireo ary hanasitranany azy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiezaka hanao izay hitadidiana ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 1 Nephi 3:7 ary hieritreritra momba ny fomba iharan’izany amin’ny toe-java-misy atrehin’izy ireo eo amin’ny fiainany.

Sahanasa fianarana azo atao

Didy sarotra

Mba hanampiana ny mpianatra hahita zavatra azo ampifandraisina amin’ny tenany ao amin’ny tantaran’ireo zanakalahin’i Lehia nodidina hanao zavatra sarotra be, dia hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto sy hiresaka momba izany mandritra ny lesona.

  • Didy, na fitsipika, na fanasana hafa avy amin’ny mpaminany inona no sarotra ho an’ny zatovo ny mankatò azy ankehitriny? Inona mahatonga izany ho sarotra kokoa noho ny hafa?

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray izay mahatsapa fa misy didy na fitsipika izay sarotra loatra ny mitandrina azy?

Fomba hafa anombohana ny fotoam-pianarana ny manampy ny mpianatra hahatakatra fa mila ny fanampian’ny Tompo isika mba hanatanterahana ny zavatra angatahiny avy amintsika. Fomba iray anaovana izany ny mangataka mpianatra iray hanao zavatra izay mitaky ny fanampian’ny mpampianatra. Ohatra, ao anatin’ny asa atao iray dia mety mila manokatra zavatra izay mitaky fanalahidy avy any amin’ny mpampianatra izy ireo.

Raha misy didy iray izay sarotra taminao ny nankatò azy, dia eritrereto ilay izy rehefa mandalina ny 1 Nefia 3 ianao. Katsaho izay hianarana avy amin’ireo ohatra izay halalininao, ary saintsaino ny fomba ahafahan’ireo safidinao miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo.

Nanome didy an’ireo zanakalahin’i Lehia ny Tompo

Vakio ny 1 Nefia 3:1–6 hitadiavana ny zavatra nandidina ireo zanakalahin’i Lehia mba hataony.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no marina ny nolazain’ny rahalahin’i Nefia niantso io didy io hoe “zava-tsarotra”? (andininy 5).

Afaka manampy ity andiam-pehezan-teny manaraka ity raha tsy azon’ny mpianatra antoka ny fomba hamaliana ilay fanontaniana teo aloha.

Alaovy sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’ireo zanakalahin’i Lehia rehefa niala ny tranony izy ireo ary nandeha an-jatony kilaometatra namakivaky firenena karankaina ho any an-tany foana kanefa dia nangatahina hiverina tany Jerosalema fotoana fohy taorian’izay mba haka ny takelaka tany amin’i Labàna.

Vakio ny 1 Nefia 3:7–8 ary fantaro ny antony nomen’i Nefia momba ny fahavononany hanao izay zavatra nandidin’ny Tompo.

Ny 1 Nefia 3:7 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

  • Inona no zavatra takatr’i Nefia kanefa mety tsy takatr’ireo rahalahiny?

Zavatra iray ianarantsika avy amin’ny andininy 7 ny hoe manomana lalana mba hahafahantsika manatanteraka izay rehetra asainy hataontsika Andriamanitra.

Hevero ny fomba ifandraisan’io fahamarinana io amin’ireo didy izay mety ho sarotra aminao.

Na dia hanampy anao hanatanteraka ny zavatra angatahiny aza Andriamanitra, dia tsy nampanantena Izy fa ho mora izany na hoe tonga dia hahomby ny andrana ataonao voalohany.

Nanazava toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Ny fanarahana ny Mpamonjy dia tsy hanaisotra ny fitsapana rehetra lalovanao. Kanefa ny fanarahana ny Mpamonjy dia hanaisotra ireo sakana manasaraka anao amin’ny fanampiana tian’ny Ray any An-danitra omena anao. Hiaraka aminao Andriamanitra. (Dieter F. Uchtdorf, “Manin-te hody,” Liahona, nôv. 2017, 22)

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy io teny nambara io?

Avereno eritreretina ireo didy na fitsipika na fanasana hafa avy amin’ny mpaminany hitanao tany aloha tao amin’ny lesona fa sarotra indrindra ho an’ny zatovo ny mankatò azy.

  • Inona avy no sakana mety hahasarotra ny fankatoavana ireo didy ireo?

  • Ahoana no mety hanomanan’ny Tompo lalana hanampiana ny zatovo hankatò ireo didy ireo?

Asao hizara valiny be dia be ho an’ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra:

Nanandrana naka ireo takelaka i Nefia sy ireo rahalahiny

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia azo zaraina ho vondrona kely ny mpianatra ka ny antsasaky ny vondrona mandalina ny andrana voalohany ary ny antsasany hafa mandalina ny andrana faharoa. Afaka miomana hilalao an-tsehatra ny zavatra nitranga ao amin’ny tantara azon’izy ireo ny vondrona tsirairay ary hilalao izany ho an’ny vondrona hafa izay nandalina ilay tantara hafa, na afaka mamintina ny tantara azon’izy ireo amin’ny vondrona hafa ny vondrona tsirairay.

Halalino ireto tantara mikasika ireo andrana roa voalohany haka ireo takela-barahina manaraka ireto. Tadiavo ny fihetsika nasehon’ireo mpirahalahy isan’isany tamin’ny andrana tsirairay. (Fanamarihana: Ao amin’ny lesona “1 Nefia 4–5” dia ho fantatrao ny fomba nanomezan’ny Tompo azy ireo lalana tamin’ny farany mba hahombiazan’izy ireo.)

Andrana voalohany: Vakio ny 1 Nefia 3:10–15.

Andrana faharoa: Vakio ny 1 Nefia 3:22–31; 4:1.

  • Inona no mety ho nianaran’ireo mpirahalahy ireo momba ny tenan’izy ireo avy amin’ireo fanamby natrehiny teo am-piezahana hankatò ny didin’ Andriamanitra?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety hamela antsika hiady mafy mandritra ny fotoana iray Andriamanitra alohan’ny hanomezany fomba hanatanterahana ny sitrapony?

  • Inona araka ny eritreritrao no fiantraikan’ny fihetsika samy hafa nasetrin’ireo mpirahalahy tamin’ny zava-nitranga teo amin’ny finoan’izy ireo sy ny fifandraisany tamin’i Jesoa Kristy? Nahoana?

Mampihatra io tantara io amin’ny fiainanao

Ny Mpamonjy dia afaka manampy anao handresy ireo sakana izay mahatonga ny fankatoavana ny didiny sy ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminaniny ho sarotra kokoa. Mba hanampiana anao hampihatra izany eo amin’ny fiainanao, dia valio ao amin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

Hevero ny hampiseho ireto safidim-panontaniana manaraka ireto mba hojeren’ny mpianatra.

Rehefa vita ny ataon’ny mpianatra dia manasà mpianatra izay manolo-tena mba hizara amin’ny iray kilasy ny ampahany amin’ny zavatra nosoratan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa hanomana lalana foana ny Tompo mba hanatanterahantsika ny zavatra nandidiany antsika.

  1. Alaovy sary an-tsaina i Nefia manome torohevitra anao mombana didy na ny torohevitra avy amin’ny mpaminany izay hitanao fa sarotra ankatoavina. Araka ny hevitrao dia inona no mety holazainy aminao?

  2. Inona avy ireo asa voafaritra tsara hataonao mba hankatoavana feno kokoa ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra na ireo torohevitry ny mpaminany?

  3. Inona no hitanao na niainanao ka manome anao fahatokiana fa hanomana lalana mba hankatoavanao ireo didiny sy hanarahanao ny mpaminaniny ny Tompo?

Raha hahazo tombontsoa avy amin’ny fandalinana ny ambin’ilay tantara momba ny nahazoan’i Nefia ireo takelaka ny mpianatra alohan’ny hampianarana azy ireo ny lesona fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 1 Nefia 3:7, dia afaka miandry aloha ianao vao mampianatra ny lesona fifehezana fotopampianarana, mandrapahavitan’ny lesona “1 Nefia 4–5”. Safidy hafa azo atao ny manasa ny mpianatra iray hamintina ireo tranga voarakitra ao amin’ny 1 Nefia 4 mba hanampiana ny iray kilasy hahita ny fomba nanomezan’ny Tompo lalana hankatoavana ny didiny.

Hamoaka printy