Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo”


“Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7: -Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7: -Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo”

Sary
I Nefia niaraka tamin’i Lehia tao an-dainy

Nianaranao tamin’ny lesona teo aloha fa manomana lalana hatrany ny Tompo mba hahafahantsika manatanteraka izay andidiany antsika mba hataontsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 1 Nefia 3:7, hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mianatra manazava fotopampianarana sy fitsipika. Rehefa mifanazava ny filazantsara ny mpianatra dia mampitombo ny fahatakaran’izy ireo izy ireo. Mamoròna tontolo ahazoan’ny mpianatra aina hizarana amin’ny hafa ny fahatakaran’izy ireo ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hieritreritra zavatra niainan’izy ireo na ny olona akaikin’ny fon’izy ireo izay maneho fa manomana lalana hanatanterahana ny zavatra angatahiny amintsika ny Tompo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “1 Nefia 3,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 1 Nefia 3:7. Raha ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao dia tadidio

Ampiasao izay rehetra mety ho fomba fiasa mahomby hanampiana ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 1 Nefia 3:7 ary hanazava ireo fahamarinana hita ao amin’io andininy io.

Ireto sahanasa manaraka ireto dia soso-kevitra mikasika ny fomba hanaovana izany.

Tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanao fanazaran-tena hanazava ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny teninao manokana. Misy fomba maro be ahafahanao mitahy ny fiainan’ireo olona manodidina anao rehefa mahatakatra tsara kokoa sy manazatra tena manazava ny fotopampianaran’ny Mpamonjy hita ao amin’ny soratra masiny ianao.

Vakio ny 1 Nefia 3:7 ary fintino amin’ny teninao manokana ny zavatra ampianariny.

Asao ny mpianatra tsirairay hizara ny famintinana ataony amina namana iray izay miara-miasa aminy.

Miezaha mieritreritra toe-javatra ahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’io andininy io manampy olona iray. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

Rehefa avy nomena fotoana hanomanany ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hanazava ny valin-tenin’izy ireo amina namana iray miara-miasa aminy mba hananan’ny mpianatra tsirairay fahafahana hilaza izay eritreriny.

  • Fahamarinana inona avy amin’io andininy io no hozarainao amin’ny olona iray ao anatin’ilay toe-javatra izay neritreretinao? Nahoana?

  • Inona avy ireo fomba samy hafa mety hanomanan’ Andriamanitra lalana hahatanterahantsika ny zavatra angatahiny?

  • Inona no zavatra niainanao azonao zaraina mba hanehoana ilay fahamarinana hoe manomana lalana hahatanterahantsika izay rehetra asainy ataontsika Andriamanitra?

Raha nanao ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra ny mpianatra, dia hevero ny hanasa mpianatra izay manolo-tena mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo niaraka tamin’ny iray kilasy.

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny toko sy andinin-tsoratra masina, dia hevero ny hampiseho ny sarin’i Nefia miresaka amin’ny rainy manomboka any amin’ny fiantombohan’ny lesona. Asao ny mpianatra hijery ilay sary sady mamerina ny hoe “-Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo,-—1 Nefia 3:7,” imbetsaka araka izay azon’izy ireo atao ao anatin’ny iray minitra.

Avy eo, mba hanampiana ny mpianatra hitadidy tsara kokoa io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io, dia hevero ny hiato kely indray mandeha na indroa rehefa misy fiatoana kely mitranga ho azy mandritra ny lesona mba hampisehoana indray ilay sary sy hanasana ny mpianatra hitanisa ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ilay toko sy andininy.

Fampiharana hanazaran-tena

Samy hiatrika toe-javatra sarotra daholo isika rehetra ary hangatahin’ Andriamanitra hanao zava-tsarotra eo amin’ny fiainantsika. Ny fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy rehefa miatrika ireny toe-javatra ireny ianao.

Ho solon’ny fampiasana ireto rafi-tantara manaraka ireto dia afaka mifantoka amina zavatra iray nandidian’ny Tompo izay mifandray manokana amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra. Mety nahita zavatra tao amin’ny lesona “1 Nefia 3” izy ireo. Raha io fanovana io no atao dia hevero ny hamela ny mpianatra hiasa tsirairay, satria mety ho tena mahakasika azy ireo manokana ny sasany amin’ireo zavatra nosafidiny hifantohana.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto, ary misafidiana anankiray izay tianao hifantohana amin’ny sahanasa manaraka.

  1. Tia ny Tompo i Soa ary te hanompo ao amin’ny Fiangonany. Kanefa vao haingana izy no naharay andraikitra hosahanina ao amin’ny Fiangonana izay tsapany fa tsy hainy ny hanatanterahana azy. Nekeny ilay andraikitra nomena azy saingy misalasala izy ny hiroso amin’ny fanatanterahana izany.

    Hevero ny hanofoka izay didy tianao ao amin’ity rafi-tantara manaraka ity izay azon’ny mpianatra ampifandraisina indrindra ny tenany. Ohatra vitsivitsy amin’izany ny fifadian-kanina, fandoavana ampahafolon-karena, fanatanterahana antso ao amin’ny Fiangonana, na fahamarinan-toetra.

  2. Kivy amin’ny toe-javatra iainany i Rova satria sahirana mafy amin’ny fitandremana didy iray izy. Nisy fotoana izy nankatò ilay didy saingy tsy nanao izany foana izy.

Raha mampiasa ireo rafi-tantara naroso ianao dia hevero ny hanasa ireo mpianatra hivondrona tsitelotelo miaraka amin’ireo hafa izay nisafidy rafi-tantara mitovy aminy. Omeo andraikitra ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba handalina ny iray amin’ireto fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto ary hamaly ireo fanontaniana ao amin’izany fizarana izany. Rehefa avy nahazo fotoana ampy tsara ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hanao tatitra ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy avy.

Mety hanampy ny fampisehoana na ny famoahana ho printy ireto fizarana manaraka ireto mba hojeren’izy ireo eo am-pandalinany.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

  • Ahoana no mety hahafahan’ny teny nambaran’ny Loholona Holland ao amin’ny andiam-pehezan-teny 6 manampy an’i Soa sy i Rova?

  • Raha tsy afaka manatanteraka ny zavatra angatahin’ Andriamanitra avy hatrany i Soa na i Rova, dia ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7 manampy?

  • Raha nanana eritreritra nitovitovy tamin’ny an’i Soa na i Rova ianao, dia inona no nanampy na afaka manampy anao handroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.. Hevero ny hanisy marika fehezan-teny na hevitra anankiroa farafahakeliny izay heverinao fa afaka manampy an’i Soa na i Rova.

  • Ahoana no ahafahan’ny tsirairay amin’ireo fehezan-teny nosafidinao manampy an’i Soa na i Rova?

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny fomba itondrany ny zanany ka afaka manampy?

  • Afaka manampy amin’ny fomba ahoana ny fijerena ilay toe-javatra amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Aiza no asainao hitadiavan’i Soa na i Rova fahamarinana izay afaka manampy azy?

Makà minitra vitsy hamakafakana ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hitadiavana ireo fahamarinana izay hitanao fa azo ampiharina amin’io toe-javatra io. Loharano iray azonao safidina ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hita any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hamaky ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ka tadiavo ireo andian-teny izay afaka manampy. Alaivo antoka fa isan’ireo loharanom-pahalalanao ampiasainao ny 1 Nefia 3:7.

  • Inona ny zavatra hitanao ka azonao zaraina?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ireo fahamarinana izay hitanao ireo nitondra fiovana teo amin’ny fiainanao?

Mandehana mivezivezy manerana ny efitrano fianarana, ary ampio ireo mpianatra izay tsy mahafantatra loatra ny fomba ahitana ireo andinin-tsoratra masina na ny teny nolazain’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Hevero ny hampiseho azy ireo ny fomba hahitana ny zavatra tadiavin’izy ireo fa aza omena toko sy andinin-tsoratra masina azo ampiasaina amin’izany fotsiny izy ireo.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Aza mandany mihoatra ny telo ka hatramin’ny dimy minitra mandritra ny lesona manaraka mba hamerenana ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 1 Nefia 3:7. Fomba iray hamerenana izany ny mitazona ilay sarin’i Nefia nampiasaina tao amin’ity lesona ity mba hahitana raha mbola toa ka mbola tadidin’ny mpianatra ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ilay toko sy andininy. Izany dia azo atao fohifohy any am-piandohan’ireo lesona vitsivitsy manaraka na any amin’ny famaranana izany.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Hamoaka printy