Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-2: “Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay”


“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-2: -Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-2

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Sary
Mpianatra miresaka

Isan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny fanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy mba hitoviana kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary hahita kokoa izany toy ny ahitan’ny Mpamonjy azy.

Mahatakatra ny anjara asanao amin’ny fifehezana fotopampianarana. Raha niresaka tamin’ireo mpampianatra Institiota sy Seminera mikasika ny fifehezana fotopampianarana ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Ity tetikasa ity dia novolavolaina tamin’ny fitaomam-panahy ary tonga ao anatin’ ny fotoana ilàna azy tsara. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ireo tanorantsika izany. Na izany aza, ny fahombiazan’ny Fifehezana fotopampianarana sy ireo fandaharam-pianarana hafa rehetra ao amin’ny [seminera sy institiota] dia hiankina betsaka amin’ny ezaka ataonareo” (“The Opportunities and Responsibilities of CES Teachers in the 21st Century” [takariva niarahana tamina Manampahefana Ambony, 26 feb, 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaotra ny Ray any An-danitra amin’ny vavaka ataon’izy ireo manokana noho ny fahalalana azon’izy ireo momba ny drafitry ny famonjena. Hevero ny hanasa azy ireo hanontany Azy ihany koa ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa izany fahalalana izany amin’ny tsara.

Sahanasa fianarana azo atao

Fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

Rehefa miatrika ireo fanamby amin’ny fiainana isika na miaina ao anatin’ny fanontaniana tsy ahitam-baliny, dia afaka manampy antsika ireto fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto:

  1. Manao asa amim-pinoana.

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Hifantoka amin’ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika ato amin’ity lesona ity.

Fomba fijery voafetra

Mampiasà sahanasa toy ity manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fomba fijery sy ny sahan-kevitra hahazona fahatakarana:

Manasà mpianatra roa izay manolo-tena mba ho eny aloha. Omeo tapaka taratasy misy lavaka kely eo afovoany ny tsirairay amin’izy ireo. Angataho hihazona ilay taratasy izy ireo ka amin’ny maso ilany ihany no ijeren’izy ireo ary anontanio raha toa ka afaka mahita amin’ny alalan’izany. Avy eo dia ampanaovy fanamby hanao kilalao mifanipy sy mananty zavatra malemilemy izy ireo sady amin’ilay taratasy fotsiny ihany no mijery. Raha sahirana izy ireo, dia anontanio azy ny antony nahasarotra be izany rehefa avy nilaza izy ireo fa afaka nahita.

  • Inona no itovian’izany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manova fiainana na ny famaliana fanontaniana manan-danja amina fahatakarana voafetra momba ny drafitry ny famonjena?

Ny fahafahana mahita feno kokoa dia manampy rehefa mifanerasera amin’ny tontolo manodidina antsika isika. Mitovy amin’izany ihany, ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia afaka manampy antsika hahazo fahalalana ara-panahy.

Hevero ny hanisy marika ity fehezan-teny manaraka avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 8 ity ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022): Mba hamakafakana hevi-dehibe ara-potopampianarana, fanontaniana ary olana ara-piarahamonina amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

Alohan’ny hamakian’ny mpianatra ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto, dia asao izy ireo hamintina ny zavatra efa fantatr’izy ireo momba io fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy io.

Halalino ny andiam-pehezan-teny 8–10 hitadiavana ny zavatra afaka manampy anao hamakafaka hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Asao ny mpianatra hanisy marika teny sy andian-teny vitsivitsy ary hitatitra ny zavatra hitany. Mametraha fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahita zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Ny fianarana manao izany eo amin’ny fiainantsika dia manampy antsika ho tonga tahaka Azy Ireo kokoa. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo olana sy fanontaniana izay heverinao fa mety ho hitan’ny Mpamonjy amin’ny fomba hafa noho ny ahitan’ny olona maro eto ambonin’ny tany azy?

  • Ahoana no anampian’ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena antsika hahita ny zavatra rehetra toy ny ahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany? (jereo ny Môzià 4:9).

  • Nahoana izany no mety ho fahaiza-manao manan-danja tokony hianaranao sy hampiharinao ary hampiasainao eo amin’ny fiainanao?

Ohatra avy ao amin’ny soratra masina

I Almà zanany dia nampiseho antsika ny fomba fijeren-javatra amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay rehefa namaly ireo fanontaniana sarotra nanahirana an’i Kôriantôna zanany lahy izy.

Vakio ny Almà 40:1; 42:1 hitadiavana ny roa amin’ireo olana nananan’i Kôriantôna. Hevero ny hilaza amin’ny fomba hafa ireo olany amin’ny teninao manokana.

Vakio amin’izay ny sasin-tenin’ny Almà 40; 4142 mba hahitana famintinana ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna rehefa niresaka ireo olany izy. Mitadiava singa ao amin’ny drafitry ny famonjena izay nampianarin’i Almà.

  • Inona avy ireo singa ao amin’ny drafitra izay hitanao?

  • Ahoana no mety ho nanampian’izany an’i Kôriantôna hahita ireo olany tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Fampifanarahana amin’ny sahan-kevitra tena izy

Sary
Vehivavy manao tranon-tsary amin’ny rantsan-tànany

Manaova endrika tranon-tsary anankiray amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanondronao sy ny ankihibenao. Misafidiana zavatra ao amin’ilay efitrano hatao zavatra ifantohan’ny sarinao.

  • Inona no tapakao fa hampidirina ao amin’ny tranon-tsarinao? Nahoana?

  • Inona no tsy nampidirinao tao amin’ilay sarinao? Nahoana?

Tahaka ny sary, ny fanontaniana ihany koa dia manana hevitra ifantohana na sahan-kevitra. Ilay hevitra hifantohana dia afaka maneho ny finoana sy ny fiheveran’ny olona iray izay mitarika azy hijery ireo fanontaniana amina fomba iray. Indraindray ireny finoana sy fiheverana ireny dia miorina amina tsy fahatakarana na zavatra tsy marina. Amin’ireny tranga ireny dia mety hanampy ny fampifanarahana azy ireny amin’ny sahan-kevitra tena izy. Mitranga ny fampifanarahana amin’ny sahan-kevitra tena izy rehefa mamakafaka ireny finoana sy fiheverana ireny amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ny fampianaran’ny Mpamonjy isika.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Noho ny fahalalantsika io drafitra io sy ireo fahamarinana hafa izay nambaran’ Andriamanitra dia miainga amina fiheverana tsy mitovy amin’ny an’ireo izay tsy miombon-kevitra amin’ny fahalalana ananantsika isika. Vokatr’izany dia samy hafa ny fehin-kevitra raisintsika mikasika ireo lohahevitra manan-danja maro izay raisin’ny hafa fotsiny araka ny hevitr’izy ireo momba ny fiainana an-tany. (Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” [takariva niarahana tamina Manampahefana Ambony, 8 feb, 2013], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao dia nanana namana nantsoina hoe Adry izay nanontany hoe: “Raha tena misy Andriamanitra be fitiavana marina, dia nahoana no avelany hijaly ny olona?”

Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary hoe “Mamakafaka ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay” (2:55), izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana ohatra amin’ny fomba ahafahana mampifanaraka io olana io amin’ny sahan-kevitra tena izy.

Mety hanampy ny fampiatoana tsindraindray ny horonan-tsary mba hamelana ny mpianatra hampihatra ny fampifanarahana ny fanontanian’i Adry amin’ny sahan-kevitra tena izy. Ireto misy mari-potoana roa sy fanontaniana aroso.

  • 1:12: Inona avy no mety ho fiheverana na zavatra inoana hafa nitarika an’i Adry hametraka io fanontaniana io?

  • 1:57: Inona avy ireo fahamarinana fantatrao fa azo ampiasaina hanitsiana ireo fiheverana na zavatra inoana ao ambadiky ny fanontanian’i Adry?

Ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto dia azo ampiasaina hanampiana anao hahita hoe hatraiza ny halehiben’ny fahatakaran’ny mpianatra ny fahaizana mampifanaraka amin’ny sahan-kevitra tena izy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy ny fieritreretana momba ireo zavatra inoana na fiheverana izay mety ho niteraka ilay fanontanian’i Adry momba an’ Andriamanitra?

  • Mamela antsika hahatakatra ilay fanontaniana amin’ny heviny hafa amin’ny fomba ahoana ny sahan-kevitry ny zavatra fantatsika momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny?

  • Inona no tsapanao momba ny fahafahanao mamaly ireo fanontaniana sarotra amin’ny alalan’ny fampifanarahana amin’ny sahan-kevitra tena izy? Inona avy no fanontaniana na olana anananao momba izany, raha misy?

Raha misy ny fotoana dia hevero ny hamela ny mpianatra hampihatra ny fahaizana mampifanaraka amin’ny sahan-kevitra tena izy amin’ny fanontaniana sy ny olana ananan’izy ireo. Jereo ilay fizarana hoe “Sahanasa fianarana fanampiny” mba hahitana hevitra amin’ny fomba ahafahana manao izany.

Hevero ny hizara zavatra niainana manokana momba ny fahitana ireo olana na fanahiana amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Hanana fahafahana be dia be hampiharana fampifanarahana amin’ny sahan-kevitra tena izy ianao ao amin’ny seminera sy eo amin’ny fiainanao. Rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina ianao ary mampivelatra ny fahatakaranao ny drafitry ny famonjena sy ny fotopampianaran’i Kristy, dia hitombo ny fahaizanao mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Hanorina ihany koa ny fahatokian-tena anananao amin’ny fizarana ny zavatra fantatrao sy amin’ny fanampiana ny hafa izay manana fanontaniana sarotra sy olana izany.

Hamoaka printy