Seminera
Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna: “Nadika … araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra”


“Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna: ‘Nadika … tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’Andriamanitra,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna

“Nadika … araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra”

Sary
I Joseph Smith

© 1998 David Lindsley

Ahoana no fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna? Ahoana no fomba nandikan’i Joseph Smith izany avy amina teny tsy fantatra ho amin’ny teny anglisy? Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra kokoa ny fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna “araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3).

Mahafantatra ny anaran’ny mpianatra tsirairay. Ny fahafantarana sy ny fiantsoana ny mpianatra tsirairay amin’ny anarany dia afaka manampy ny mpianatra iray hahatsapa ny fitiavanao. Makà fotoana hianarana ny anaran’ny mpianatra. Mety manana horonan-taratasy misy sary azo ampiasaina ianao na manao sahanasa ao am-pianarana izay afaka manampy anao sy ny mpianatra hifankahalala anarana.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara izay zavatra fantatr’izy ireo momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanontaniana ananan’izy ireo momba izany.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Asehoy ireto sary manaraka ireto. Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fiomanan’izy ireo hianatra ary asao handamina ny sary amina filaharana ara-banim-potoana marina izy ireo. Ny filaharany marina dia E, D, B, A, F.

Amboary ny sahanasa ao amin’ny lesona, miainga amin’ny fahatakaran’ny mpianatra ireo tranga ireo.

  • Ahoana araka ny hevitrao ny mety ho fahatsapan’i Joseph Smith nandritra ny tsirairay tamin’ireo tranga ireo? Nahoana?

“Tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra”

Mieritrereta olona iray fantatrao izay mety ho afaka hahazo tombony amin’ny fahalalana misimisy kokoa ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna. Mety ho olona iray tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonana na angamba mpikambana ao amin’ny Fiangonana izay miady mafy amin’ny finoany. Soraty fohifohy ao amin’ny diary fandalinanao ny toe-java-misy azy ireo ary fantaro hoe nahoana no hahazoan’izy ireo tombony ny fahalalana misimisy kokoa ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa mandalina ianao dia mitadiava porofon’ny fahamarinana hoe namoaka ny Bokin’i Môrmôna araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra i Joseph Smith (jereo ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3).

Nanoratra momba ny zavatra niainany nandritra ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Asao ny mpianatra hamaky “Ny Fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith” ao amin’ny fampidirana ny Bokin’i Môrmôna. Fomba iray anaovana izany ny fizarana ny vakiteny sy fanendrena ny antsasaky ny kilasy hamaky ny andiam-pehezan-teny 1–14, momba ny fitsidihan’i Môrônia tamin’ny andro alina. Ny antsasany hafa dia afaka mamaky ny andiam-pehezan-teny 15–23, momba ny zavatra nataon’i Joseph taorian’ny fitsidihana nataon’i Môrônia.

Safidy hafa azo atao ny famintinana ampahany amin’ny fitantarana sy fifantenana andiam-pehezanteny hovakin’ny mpianatra izay hanampy indrindra azy ireo. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mijery ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 20–30.

  • Inona avy no fanambarana hitanao milaza fa navoaka tamin’ny alalan’ ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna?

  • Nahoana araka ny hevitrao no i Joseph Smith no nofidina handika ny Bokin’i Môrmôna fa tsy olona manam-pahaizana niavaka tamin’io vanim-potoana io?

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ka hozarainao amin’ilay olona noeritreretinao?

Antsipiriany ara-tantara

Rehefa avy nandray ireo takelaka i Joseph Smith, dia nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra. “Indraindray i Joseph Smith dia nandika tamin’ny alalan’ny fijerena ny mpandika teny [Orima sy Tomima] sy ny famakiana tamin’ny teny anglisy ireo endritsoratra teo amin’ny takelaka. Matetika izy no nahita vato mpahita tokana mba hahamety kokoa izany. Nataony tao anatin’ny satrony ilay vato mpahita, nataony tao amin’ny satroka ny tavany mba hanakanana ny hazavana ary nibanjina ilay vato izy. Ny hazavana avy amin’ilay vato dia namiratra tao amin’ilay haizina, nanambara teny izay notononin’i Joseph Smith” (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, bok. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 61). Mba hahalalana misimisy kokoa momba ilay vato mpahita sy ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia jereo ny Gospel Topics Essay “Book of Mormon Translation.”

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Raha manana fanontaniana hafa momba ny vato mpahita ny mpianatra, dia azonao aseho ilay horonan-tsary momba ilay vato mpahita ao amin’ny fizarana hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” eo ambany.

Raha misy dia jereo ny “Days of Harmony” manomboka amin’ny mari-potoana 5:44 hatramin’ny 9:24, izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Azonao atao ihany koa ny mijery ny horonan-tsary “Opposition in All Things [Fifanoherana amin’ny zava-drehetra]” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org manomboka amin’ny mari-potoana 8:18 hatramin’ny 9:24.

Rehefa nahavita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith dia mbola tsy maintsy nitady mpiantoka boky izy. Tsy mora izany. Nampiahiahy ny fahasarotan’io rakitsoratra lava io sy ny vidin’ny fanaovana printy ary ny fanakambanana ireo tahadika an’arivony maro. Nanatona an’i E. B. Grandin, mpanao printy iray tao Palmyra, aloha i Joseph tamin’ny voalohany ary nolaviny. Avy eo izy dia nitady mpanao printy iray hafa tao Palmyra, izay nandà azy ihany koa. Nandeha tany Rochester izy, 40 km miala eo, ka niresaka tamin’ireo mpiantoka boky malaza indrindra tao New York andrefana, izay mbola nandà azy ihany koa. Nisy mpiantoka boky iray hafa vonona tao Rochester saingy noho ny toe-javatra samihafa dia tsy azo natao izany.

Herinandro maro no lasa, ary tsy maintsy efa very hevitra i Joseph Smith amin’ny fanoherana misy amin’ny fanatanterahana ny andraikitra nampanaovin’ Andriamanitra azy. Tsy nataon’ny Tompo ho mora izany, saingy nataony ho azo tanterahina. Ny andrana fahadimy sy ny firesahana faharoa tamin’i Grandin, mpiantoka boky iray tao Palmyra, vao nahomby. (Dallin H. Oaks, “Fifanoherana amin’ny zava-drehetra,” Liahona, mey 2016, 116)

  • Ahoana no niantraikàn’ireo antsipiriany ara-tantara ireo tamin’ny fahatsapanao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no ampianarin’ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Manazava ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Asao ny mpianatra hihevitra izay zavatra mety hozarain’izy ireo amin’ilay olona noeritreretiny teo ka hanampy izany olona izany hahatakatra kokoa ny fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra.

Ataovy miara-miasa tsiroaroa ny mpianatra. Asao izy ireo hifandimby tsirairay hilalao ny anjaran’ny mpikamban’ny Fiangonana iray manazava sy mamaly fanontaniana sy ny an’ny olona iray mila mahalala bebe kokoa momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna. Mandehandehana eran’ny trano ary henoy ireo fanazavana mba hamaritana raha ilaina ny fandalinana kokoa io lohahevitra io.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fanazavan’izy ireo, dia hevero ny hizara fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny hery, fanomezam-pahasoavana ary fitiavan’ Andriamanitra naseho tamin’ny alalan’ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ihany koa ny mpianatra vonona mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Hamoaka printy