Seminera
Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: Ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika


“Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: Ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika

Sary
Zazalahy mamaky soratra masina

Nantsoin’i Joseph Smith hoe vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna. Ao anatin’ny boky dia misy fanasana hanontany an’ Andriamanitra raha marina izany. Olona an-tapitrisany no nanaraka io fanasana io ary nandray vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampitombo ny fanirianao handalina ny Bokin’i Môrmôna isan’andro mba hanamafisana orina ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinany.

Mamporisika fandalinana soratra masina isan’andro. Afaka mitahy ny mpianatra amin’ny androm-piainany sisa ny fandalinana soratra masina isan’andro. Mitadiava fomba hampianarana ny mpianatra momba ireo fitahian’ny fandalinana soratra masina isan’andro.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamaky na hihaino ny lahatenin’ny Loholona Gary E. Stevenson “Jereo ilay boky, jereo ny Tompo” avy amin’ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2016.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Fitahiana avy amin’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hampiseho ity lisitry ny fitahiana avy amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna manaraka ity. Ifanakalozy hevitra ny hoe inona no fitahiana irin’ny mpianatra indrindra ary ahoana no mety hiantraikàn’izany fitahiana izany amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara ny zavatra izay ho ataon’ izy ireo mba hahazoana izany. Ireo fitahiana ireo dia voasoritsoritra amina fanambarana misy faminaniana.

Ny sasany amin’ireny fanambarana misy faminaniana ireny dia hita ao amin’ny lesona, ary ny sasany dia ao amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho”.

Vakio ary hevero ny hanamarika ny teny nambaran’i Joseph Smith ao amin’ny andiam-pehezan-teny 6 ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no hitanao ho niavaka indrindra tamin’ny teny nataon’i Joseph Smith?

Ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Ampio ny mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny vato ifaharana (ilay vato eo amin’ny tampony afovoany amin’ny andohalambo.) Safidy iray azo atao ny mampiseho sarina vato ifaharana amina andohalambo iray ary mampanao fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpianatra momba ny hoe iza no vato manan-danja indrindra eo amin’ilay andohalambo.

Sary
Andohalambo

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izay vato fehizoron’ny zava-drehetra ataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona mazava tsara sy amin-kery momba ny fisiany izany. …

… Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy ny firodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” , nôv. 1986, 5, 6)

Ilay vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Ireo mpanoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona tsy tapaka momba an’i Jesoa Kristy. . .

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Be dia be ny fomba andraisan’ny mpianatra anjara amin’ity fampiasana manaraka ity. Mahaiza mamorona ary mitadiava fomba ampandraisana anjara ny mpianatra tsirairay. Hevitra iray ny hoe omena pejy nadika avy ao amin’ny Bokin’i Mormôna ny mpianatra tsirairay ary angatahina hanamarika ny zavatra tsirairay manondro ny Mpamonjy ao amin’ny pejin’izy ireo. Avy eo dia azo aseho ho hitan’ny hafa ireo pejy ireo.

Misafidiana pejy ao amin’ny Bokin’i Mormôna ary tadiavo izay zavatra rehetra manondro ny Mpamonjy ao amin’izany pejy izany.

  • Inona no hitanao momba ny Mpamonjy?

  • Inona no anampian’ny andinin-tsoratra masina hitanao anao hahatakatra na hahatsapa momba ny Mpamonjy?

Eritrereto hoe ahoana no hitahiana anao amin’ny alalan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona mafy orina kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia mitadiava zavatra manondro an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nianaranao momba Azy. Rehefa manao izany ianao dia hitombo ny fahalalanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy.

Ilay vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Asao hisaintsaina tsirairay ireto fanambarana manaraka ireto ny mpianatra.

  • Iza amin’ireto fanambarana manaraka ireto no mamaritra indrindra ny fahatsapanao momba ny Bokin’i Môrmôna?

    • Matoky ny hafa izay nahazo ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo manokana ary nanome toky ahy fa marina ny Bokin’i Môrmôna aho.

    • Tsy azoko antoka hoe fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

    • Nahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Nahoana no heverinao fa mety tian’ny Ray any An-danitra hahalala ianao fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Vakio ilay andiam-pehezan-teny faharoa amin’ny farany ao amin’ny teny fanolorana, eo ihany koa ny Môrônia 10:3–5, ka jereo izay zavatra azonao atao hamantarana raha marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Araka ny novakinao, inona no ilaina ataon’ny olona iray mba hahafantarana raha marina ny Bokin’i Môrmôna?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Ampio hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Raha mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho ka misaintsaina ny hafatra entiny ary manontany an’ Andriamanitra raha marina izany, dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina aho.

Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba nitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna nananany tao anatin’ny fotoana nanatrehany seminera. Azonao jerena ny “Ny Fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 12:03 hatramin’ny 14:12.

Vakio ny andiam-pehezan-teny farany ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna hitadiavana izay fahalalana hafa miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ahoana no ahafahan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna miantraika amin’ny fiainanao?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna ary hanasa izay mpianatra vonona hijoro ho vavolombelona ihany koa.

Halalino isan’andro ny Bokin’i Môrmôna

Nanao fampanantenana ho antsika ny Filoha Russell M. Nelson raha mandalina ny Bokin’i Môrmôna isan’andro isika. Jereo ity fanambarana manaraka ity na jereo ny horonan-tsary “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org manomboka eo amin’ny mari-potoana 11:52 hatramin’ny 13:05.

Mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza.

Isaky ny maheno olona, ka tafiditra amin’izany ny tenako, milaza hoe “Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna,” aho dia te hihiaka mafy hoe, “Tsara be izany, kanefa tsy ampy!” Mila mahatsapa lalina, hatrany amin’ny “aty fo indrindra” isika [Almà 13:27] fa tsy azo iadian-kevitra ny maha tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Tsy maintsy mahatsapa izany lalina tokoa isika hany ka tsy tiantsika hisy na dia andro iray aza tsy amakiana azy. (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,”  Liahona, nôv. 2017, 62–63)

  • Inona no manaitra anao amin’io teny nambara io?

  • Ahoana ny fahatsapanao momba ny fanasana hamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Ifanakalozy hevitra ny sakana amin’ny famakiana soratra masina isan’andro sy ny fomba handresena azy ireny.

Raha tsy mbola nametraka tanjona amin’ny fandalinana soratra masina manokana mifandray amin’ny isa amin’ny seminera ahazoana diplaoma ny mpianatra, dia mety ho làla-misokatra ho azy ireo ny fanaovana izany. Raha tian’ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mizara ny tanjon’izy ireo amin’olona iray ao amin’ny fianakaviana, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na mpampianatra seminera. Hevero ny hizara ireo fitahiana manokana avy amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna ary hanasa izay mpianatra vonona hanao toy izany.

Hamoaka printy