Seminera
Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo: “Efa nahita … ireo takelaka [izahay]”


Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo

“Efa nahita … ireo takelaka [izahay]”

Sary
I Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo

Nandritra ny fotoana fohy dia tsy nahazo nampiseho ireo takela-bolamena na tamin’iza na tamin’iza i Joseph Smith. Mba hahatanteraka ny faminaniana dia nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph taty aoriana fa hisy vavolombelona fanampiny havela hahita ireo takelaka ary hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’izy ireo (jereo ny 2 Nefia 27:12–14). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo vavolombelona maro momba ny Bokin’i Môrmôna sy hisaintsaina lalina ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana.

Manampy ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Fomba iray hanaovana izany ny famporisihana azy ireo hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo manokana mifandray amin’ity lesona ity. Manomeza fotoana hisaintsainana ireo fitahiana efa noraisin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fiainany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fomba nahatongavan’izy ireo ho tahaka Azy kokoa.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara zavatra niainan’izy ireo izay nanampy azy ireo na ny hafa hahafantatra fa avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo vavolombelon’ireo takelaka

Hevero ny hampiasa ity andiam-pehezan-teny manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra ny mety ho halehiben’ny fahasarotan’izany hoe hany vavolombelona nahita maso ireo takela-bolamena izany nandritra ny fotoana fohy ho an’i Joseph Smith.

Alaovy sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana no niainan’i Joseph Smith izany hoe izy irery no afaka nahita ireo takela-bolamena. Eritrereto ny hamafin’izany hoe tsy inoana, esoina ary antsoina hoe mpamitaka izany satria ianao tsy mampiseho ireo takelaka amin’olona. Alaovy sary an-tsaina ny hoe tsy maintsy hiteny amin’ireo izay nanohana anao ianao fa tsy afaka mahita ireo takelaka izy ireo.

Teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna dia nanonona ireo teny fampanantenana nataon’ny Tompo momba ireo takelaka i Joseph Smith. Vakio ny 2 Nefia 27:12–14 mba hahitana ireo fampanantenana nataon’ny Tompo momba ireo takelaka (jereo ihany koa ny Etera 5:2–4).

  • Inona no hitanao fa manan-danja aminao momba io faminaniana io? Nahoana?

  • Inona no mety ho tsapan’i Joseph rehefa namaky io faminaniana io izy? Nahoana?

  • Inona no nianaranao avy amin’io andininy io momba ny Tompo sy ny Bokin’i Môrmôna?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo faminaniana ireo ny hoe nanome vavolombelona maro momba ireo takelaky ny Bokin’ny Môrmôna ny Tompo.

  • Nahoana no mora kokoa ny mino fa marina ny zavatra iray rehefa misy vavolombelona mihoatra ny iray amin’izany?

Rehefa manohy mandalina ianao, dia katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahatakarana ny maha-zava-dehibe ireo vavolombelon’ireo takela-bolamena, ary hevero ny fomba ahafahan’ny tenivavolombelon’izy ireo manampy anao hahazo na hanamafy orina ny anao manokana.

Asehoy ity andiam-pehezan-teny manaraka ity na manasà mpianatra iray hamaky izany.

Nataon’ny Tompo izay ahitan’ny vondron-dehilahy telo ary avy eo valo ireo takelaka. Maro tamin’ireo vavolombelona ireo no azo lazaina fa nanampy tamin’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra, i David Whitmer dia nanasa an’i Joseph sy i Emma hiara-hipetraka tamin’izy ireo nandritra ny fotoana nanaovan’i Joseph ny fandikan-teny, i Martin Harris dia nanao antoka ny toeram-pambolena sy fiompiana nananany mba handoavana ny saran’ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna ary i Oliver Cowdery dia nanao mpitantsoratra tamin’ny ampahany maro tamin’ny fandikan-teny. Ny rain’i Joseph sy ireo rahalahiny Hyrum sy i Samuel dia vavolombelon’ireo takelaka ihany koa ary nanampy be an’i Joseph. Na dia nandao ny Fiangonana aza ny sasany tamin’ireo lehilahy ireo tatỳ aoriana, dia tsy nisy nandà ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna izy ireo.

Vakio ny “Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” sy ny “Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo,” hitadiavana ny zavatra hitan’izy ireo sy tsapany ary lasa fantany.

Hevero ny hanome ny mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity ary hanasa azy ireo hameno tsirairay, na miaraka, na anatina vondrona kely ilay tabilao.

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo

Vavolombelona Telo:

Vavolombelona Valo:

Ny zavatra hita sy tsapan’ireo vavolombelona.

Ny zavatra lasa fantatr’ireo vavolombelona.

Ny zavatra nataon’ireo vavolombelona.

  • Inona ny zavatra mitovy sy samy hafa hitanao tao amin’ny zavatra niainan’ireo vondrona roa ireo?

  • Nahoana no mety hanan-danja ireo fahasamihafana?

Na dia mety haniry ny hiaina zavatra tahaka ireo vavolombelona ireo aza isika indraindray, dia nijoro ho vavolombelona ny Tompo fa na dia ny fahitana ireo zavatra ireo aza dia tsy handresy lahatra ny olona amin’ny fahamarinana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:7). Nanazava ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Amin’izao andro sy fotoanantsika izao dia tsy maintsy mahafantatra ny fahamarinan’ny zavatra teo amin’ireo takela-bolamena isika na dia tsy mahita izany aza. Tsy afaka mahita sy mihazona izany isika tahaka ny nahafahan’ireo Vavolombelona Telo sy Vavolombelona Valo nanao izany. Ny sasany tamin’ireo izay nahita sy nihazona ireo takela-bolamena dia tsy nijanona ho mahatoky tamin’ny Fiangonana. Ho zavatra iainana mahafinaritra be izany mahita anjely izany, saingy mbola tsara lavitra ny fahatongavana amin’ny fahalalana ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy [jereo ny Jaona 20:29]. (James E. Faust, “It Can’t Happen to Me,” Ensign, mey 2002, 48)

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ny zavatra ampianarina ao amin’io teny nambara io?

Ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna

Tanjona fototra irain’ny Bokin’i Môrmôna ny handresy lahatra ny olona fa i Jesoa no Kristy (jereo ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna). Eritrereto raha matanjaka araka ny itiavanao azy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna. Saintsaino ny fomba ahafahan’ny fahazoana na ny fanatanjahana izany fijoroana ho vavolombelona izany ho fitahiana ho anao sy ny hafa.

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hisaintsainany ny fiomanana ataony ho an’ny fotoam-pianarana. Avy eo dia asehoy ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ary amporisiho izy ireo hisaintsaina sy hanoratra ny zavatra tsapany.

Soraty ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna. Raha tsy mbola mahatsapa ho manana fijoroana ho vavolombelona ianao, dia soraty izay zavatra azonao atao mba hahazoana anankiray. Ampidiro ao anatin’izany ny mety ho fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa amin’ny anao. Hevero ny hampiditra zavatra fanampiny ao amin’izany rehefa manohy mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao.

Rehefa avy nomena fotoana ampy hanoratana ny mpianatra, dia asao ny sasany amin’izy ireo hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna.

Hamoaka printy