Seminera
Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: Topimaso


“Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: Topimaso,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: Topimaso,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Topimaso

Nantsoin’i Joseph Smith hoe vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna. Nitranga “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3), ary vavolombelona maro be no manamarina ny fiaviany mahagaga. Ireo lesona ireo dia afaka manampy anao hahatakatra sy hanazava ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna, hampitombo ny fanirianao handalina izany isan’andro ary hisaintsaina momba ny fijoroanao no vavolombelona amin’ny fahamarinany.

Miomana hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Pejin-dohateny

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hanazava ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny antony anantitranterana sy ampiasana matetika ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Votoatiny haseho: Fitaovana iray na sarina fitaovana iray mety tsy mahazatra ny mpianatra

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hizara ny mpianatra ho amina efitrano firesahana mba hifanakalozan-kevitra momba ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna. Mety hahazo aina kokoa hizara ny mpianatra raha tsiroaroa na anatina vondrona kely.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampitombo ny faniriany handalina ny Bokin’i Môrmôna isan’andro mba hanamafisana orina ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny fahamarinany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky na hihaino ny lahatenin’ny Loholona Gary E. Stevenson “Jereo ilay boky, jereo ny Tompo” avy amin’ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2016.

  • Horonan-tsary:Fanandramana ny Bokin’i Môrmôna tany Honolulu” (2:35); “Ny Fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna” (17:12; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 12:03 hatramin’ny 14:12)

  • Zavatra homanina: Pejy iray nadika avy amin’ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny ankizy tsirairay

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao izay mpianatra mazoto hizara ny fomba nanamarihan’izy ireo izay manondro ny Mpamonjy ao amin’ny pejy nalain’izy ireo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Azon’izy ireo atao ny mitazona ambony ny soratra masin’izy ireo na mizara capture d’écran raha soratra masina nomerika no ampiasaina. Azon’izy ireo zaraina ao amin’ny chat ihany koa ny anarana anankirain’ny Mpamonjy na ny andininy iray izay nisongadina tamin’izy ireo.

Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa sy hanazava ny fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3).

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga hivonona hizara izay zavatra fantatr’izy ireo momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanontaniana ananan’izy ireo momba izany.

  • Votoatiny haseho: Ireo sary any am-panombohan’ny lesona (Azo aseho ao am-pianarana izy ireo na ny dika mitovy aminy no atonta ka zaraina amin’ny mpianatra mba handaminana azy araka ny filaharana ara-banim-potoana.)

  • .

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ity lesona ity dia manome lala-misokatra be dia be amina fiaraha-mientana an-jotra. Ohatra, hevero ny hamorona andiam-panontaniana an-jotra amin’ny alalan’ny fampiasana ireo sary avy ao amin’ny lesona sy ny fanasana ny mpianatra hamaly ireo andiam-panontaniana mandritra ny fotoam-pianarana. Mety hanampy ihany koa ny fampiasana tsapan-kevitra an-jotra mba hamelana ny mpianatra handefa ireo fanontaniany momba ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy Vavolombelona Valo

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo vavolombelona maro momba ny Bokin’i Môrmôna sy hisaintsaina ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga hivonona hizara ny zavatra niainan’izy ireo izay nanampy azy ireo na ny hafa hahafantatra fa avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.

  • .

  • Taratasy zaraina: “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy Vavolombelona Valo”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hitondra olona ao amin’ny fianakaviana na namana ho ao amin’ny kilasy an-jotra mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna. Azon’ireo olona ireo atao ny mizara ny fijoroany ho vavolombelona aloha kelin’ny fiafaran’ny lesona, rehefa asaina hanoratra ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ny mpianatra.

Mahazo Fahalalana Ara-panahy, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanadihady fotokevitra sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary hahita kokoa izany toy ny ahitan’ny Mpamonjy azy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaotra ny Ray any An-danitra amin’ny vavaka ataon’izy ireo manokana noho ny fahalalana azon’izy ireo momba ny drafitry ny famonjena. Hevero ny hanasa azy ireo hanontany Azy ihany koa ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa izany fahalalana izany amin’ny tsara.

  • “.

  • . . .

Hamoaka printy