Seminera
1 Nefia 6–7: Mamantatra “ny zavatr’ Andriamanitra”


“1 Nefia 6–7: -Mamantatra ny zavatr’ Andriamanitra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 6–7: ‘Mamantatra ny zavatr’ Andriamanitra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 6–7

Mamantatra “ny zavatr’ Andriamanitra”

Sary
I Nefia sy ireo rahalahiny miresaka amin’i Isimaela

Raha tokony hanoratra rakitsoratra hotehirizina ho an’ny taranaka ho avy mba hianarany ianao, dia inona no mety hampidirinao ao? Naneho ny faniriany i Nefia mba hahatonga ny zavatra nosoratany hahafaly an’ Andriamanitra sy handresy lahatra ny hafa hanaraka an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy anao amin’ny fandalinana ataonao sy amin’ny fiainanao.

Mifantoka amin’ny tanjon’ny mpanoratra. Araka ny ambaran’ny pejin-dohateniny, ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana “araka ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana” mba handresy lahatra ny olona rehetra fa i Jesoa no Kristy. Rehefa mandalina ny mpianatra, dia amporisiho izy ireo hisaintsaina ny antony mety ho niraketan’ny mpanoratra tsirairay an-tsoratra ny fampianarana manokana iray na tranga na ny fomba anampian’izany ny mpamaky hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Fiomanan’ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra hanao ny fandalinan’izy ireo manokana isan’andro ny Bokin’i Môrmôna. Asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna hatramin’izao sy ny zavatra izay ianaran’izy ireo

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no antony handalinana ny Bokin’i Môrmôna?

Ity manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahita ny antony nampidiran’i Nefia ny zavatra nataony tao amin’ny rakitsorany. Raha te hampiasa zavatra azo jerena ianao, dia mametraha tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna miaraka amina boky hafa ary asao ny mpianatra hiaraka hilalao an-tsehatra io toe-javatra io na hilalao izany an-tsehatra tsiroaroa.

Alaovy sary an-tsaina ny mety hamalianao raha ametrahan’ny olona iray ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Be dia be ny boky mombana fivavahana sy ny fahatongavana ho olona tsara kokoa, koa nahoana aho no tokony hamaky ny Bokin’i Môrmôna? Hitondra inona ho ahy izany? Inona no mampiavaka na maha-tsara kokoa azy io noho ny boky hafa?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra mety holazain’izy ireo. Isaory noho ny valin-teniny izy ireo ary dokafy amin’ny fomba namaliany tsara. Asao izy ireo hitady hevi-baovao misimisy kokoa rehefa mandalina.

Nizara ny fikasany na ny tanjony i Nefia tamin’ny alalan’ny firaketana an-tsoratra ny zavatra nataony ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Nefia. Ny fahafantarana ireo tanjona ireo dia afaka manampy antsika hahatakatra ny antony tokony hamakiantsika ilay boky sy ny zavatra azon’izany atao ho antsika.

Vakio ny 1 Nefia 6:3–6 ary hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mampahafantatra ny tanjon’i Nefia tamin’ny fanaovany ny rakitsorany. Mety hanampy ny mahafantatra fa “ny Andriamanitr’i Abrahama, … i Isaka, ary … i Jakoba” (andininy 4) dia anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no hanazavanao ny antony niraketan’i Nefia an-tsoratra ny zavatra nataony?

Araka ny nambaran’i Nefia dia natao handresena lahatra antsika hanatona an’i Jesoa Kristy ny asasorany ary tsy ahitana afa-tsy zavatra mahafaly an’ Andriamanitra ihany.

Makà fotoana hieritreretana ny zavatra niainanao mikasika ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna hatreto.

Fantaro raha ho tsara kokoa ho an’ny mpianatra ny mamaly mafy ireto fanontaniana manaraka ireto, eritrereto isanisany ny valin-tenin’izy ireo, na soraty ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny valin-tenin’izy ireo.

  • Manampy anao hahafantatra ireo zavatra mahafaly an’ Andriamanitra ve ny Bokin’i Môrmôna? Raha izany no izy dia amin’ny fomba ahoana?

  • Tsapanao ve fa ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna dia manampy anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ary ho voavonjy? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

  • Ahoana no mety haha-fitahiana eo amin’ny fiainanao ny fahafantarana ny zavatr’ Andriamanitra sy ny fanakaikezana an’i Jesoa Kristy?

Manatona an’i Jesoa Kristy ary mahafantatra ireo zavatra mahafaly an’ Andriamanitra

Fahaizana mandalina soratra masina tena ilaina ny mitady ireo tanjon’i Nefia rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao. Hanana fahafahana hampihatra ny fanaovana izany ianao rehefa mandalina ny 1 Nefia 7.

Hevero ny hampiseho ireto torolalana, andinin-tsoratra masina ary famintinana manaraka ireto ary hanasa ny mpianatra hisafidy fizarana hohalalinina. Fantaro raha ho tsara kokoa ho an’ny mpianatra ny mandalina tsirairay, tsiroaroa na anatina vondrona kely. Mety hanampy ny fandehandehanana eran’ny trano ka manampy ny mpianatra izay mety manana fanontaniana na mila fanampiana amin’ny fahatakarana ny zavatra vakiny na ny fampifandraisana izany amin’ny tenany manokana.

Azo zaraina ho ampahany telo lehibe ny tranga tantarain’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 7. Vakio ireto famintinana ny ampahany tsirairay manaraka ireto: Misafidiana iray ary halalino kokoa izany hitadiavana izay zavatra mahafaly an’ Andriamanitra sy manampy antsika hanatona an’i Kristy.

Tapany 1. 1 Nefia 7:1–5. Niverina tany Jerosalema i Nefia sy ireo rahalahiny mba handresy lahatra ny fianakavian’i Isimaela hiara-handeha amin’izy ireo any amin’ny tany nampanantenaina. Namela an’i Nefia sy ireo rahalahiny hanambady ary hanana fianakaviana izany.

Tapany 2. 1 Nefia 7:6–18. Nofatoran’i Lamàna sy i Lemoela i Nefia ary nokasainy havela ho faty tany an-tany foana izy. Saingy nampihatra finoana lehibe i Nefia ka dia nanafaka azy tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo.

Tapany 3. 1 Nefia 7:17–22. Tamin-kitsimpo no namelan’i Nefia ireo rahalahiny tamin’ny fikasana hamono azy, ary niara-niverina tany amin’i Lehia sy i Sarià izy ireo.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fandalinany, dia ataovy mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany izy ireo ary soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona no nianaranao avy amin’ny fandalinanao ka heverinao fa hahafaly an’ Andriamanitra sy hanampy anao hanatona an’i Kristy?

Azon’ny mpianatra atao ny mizara fitsipika toy ny hoe mitana toerana lehibe ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana; raha mampihatra finoana ny Tompo isika, dia afaka manao ny zavatra rehetra araka ny sitrapony Izy; ary ny famelana ny hafa dia mitondra fiadanana.

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao manampy anao eo amin’ny fiainanao?

Raha ilaina dia hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana- toy ireto manaraka ireto: Mety hanao ahoana izany mampihatra ny zavatra nianaranao eo amin’ny fiainanao izany? Inona no dingana manaraka azonao atao?

Saintsaino ny zavatra niainanao tamin’ny fianarana nataonao androany rehefa nitady manokana ireo zavatra izay hanampy anao hanatona an’i Jesoa Kristy sy mahafaly an’ Andriamanitra ianao.

  • Ahoana no mety hihatsaran’ny fandalinanao soratra masina raha toy izany hatrany no fomba hanaovanao ny fandalinanao?

Hevero ny hamarana ny lesona amina fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana na hamela ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapany avy tamin’ny fandalinan’izy ireo.

Hamoaka printy