Seminera
Almà 23–29: Topimaso ankapobeny


“Almà 23–29: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 23–29,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 23–29

Topimaso ankapobeny

Tamin’ny alalan’ireo fampianaran’i Amôna sy ny rahalahiny, Lamanita an’arivony no “niova fo ho an’ny Tompo” ary “tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:6). Ireo olona niova fo ireo dia nisafidy ny anarana hoe Antia-Nefia-Lehia. Talohan’ny niovan’izy ireo fo, maro tamin’ny Antia-Nefia-Lehia no nahazo fanao feno fahotana. Rehefa niaina ny famelan-keloky ny Mpamonjy izy ireo, dia nentanim-panahy hisoroka ny fiverenana amin’ireny fahotana ireny. Nifaly tamin’ny iraka 14 taona nataon’izy ireo i Amôna sy ny rahalahiny, ary izy ireo dia te hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 23

Tanjon’ny lesona: Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra haniry ny hiova fo feno kokoa ho an’ny Tompo sy hamantatra ny sakana rehetra amin’izany fiovam-po izany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara izay eritreretin’izy ireo ho dikan’ny hoe “miova fo ho an’ny Tompo” (Almà 23:6) sy ny antony maha-zava-dehibe ny fiovam-po ho Azy. Azon’izy ireo atao ny mijery ny Boky torolalana ho an’ny Soratra Masina eo ambanin’ny hoe “Fiovam-po” raha mila fanampiana izy ireo.

  • Sary: Sarin’ny Mpamonjy anankiray

  • Votoatiny haseho: Ireo fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar sy Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny mety ho fiadian’ny fikomiana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hanasa olona niova fo vao haingana hiditra ao amin’ny kilasy ka hiresaka momba ny “fiadian’ny fikomiana” tsy maintsy napetrak’izy ireo mba hanarahana ny Mpamonjy sy hidirana amin’ny Fiangonany. Ataovy azo antoka fa nahazo alalana avy amin’ny mpandrindra na mpitantana ny programa sy ny mpitarika ny fisoronana eo an-toerana ianao alohan’ny handefasanao ny fanasana.

Almà 24

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handresy fahotana sy fahazaran-dratsy miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 24:7–16 ny mpianatra ary ho tonga efa vonona hizara ny zavatra ianaran’izy ireo avy amin’ny Antia-Nefia-Lehia momba ny Mpamonjy sy ny fibebahana ary ny famelan-keloka.

  • Horonantsary: Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiovam-po” (9:01; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 6:11 hatramin’ny 8:12); “Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy” (13:52; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:39 sy manomboka eo amin’ny mari-potoana 12:45 hatramin’ny 13:31)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hametraka ny mpianatra amina vondron’olona telo na efatra ao amina efitra fanasarahana mba hikaroka teny sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 24:7–16. Asao ny vondrona tsirairay mba hifantina mpitarika iray hizara amin’ny kilasy ireo teny sy andian-teny hiran’ny vondrona.

Almà 26

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana lalina sy fitiavana ny Tompo sy ireo fitahiana omeny eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Almà 26:11–16 sy misaintsaina izay heverin’izy ireo ho dikan’ny hoe “mirehareha ao amin’ny Tompo”.

  • Sary: Sary vitsivitsy amin’ny ezaka misiônera nataon’i Amôna

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy tsy misy na inona na inona iray ho an’ny mpianatra tsirairay

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Mba tsy hangatahana ny mpianatra hanao ny tsanganana telon’izy ireo amina ravin-taratasy, dia azonao atao ny mangataka azy ireo, ny iray kilasy, hanao izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fiasa solaitrabe fotsy. Azo ampifanoloina amin’izany, azonao atao ny mandamina azy ireo amina efitra fanasarahana sy mangataka ny vondrona tsirairay hanao ny tsanganana telo amina tahirin-kevitra nomerika. Rehefa miverina miaraka indray ny mpianatra, dia afaka mizara ny tahirin-kevitr’izy ireo amin’ny kilasy ny vondrona tsirairay.

Almà 29

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanombana ny fanirian’izy ireo sy hampifanitsy izany amin’ny an’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Almà 29:1–6 sy hisaintsaina izay ianaran’izy ireo momba ny faniriana.

  • Sary: Ny fiovam-pon’i Almà Zanany

  • Votoatiny haseho: Ireo fanontaniana sy torolalana eo ambanin’ny hoe “Ny maha-zava-dehibe ny faniriana,” aseho eny amin’ny solaitrabe na amin’ny toerana hafa ao amin’ilay efitrano

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Any am-piandohan’ny lesona, rehefa asaina hieritreritra momba ny zavatra irin’izy ireo ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo haka minitra vitsy sy hitady sary iray izay maneho ny zavatra irin’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mifandimby mampiseho sy manazava momba ilay sary nosafidin’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hijery ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hangataka namana na olona ao amin’ny fianakaviana hampiseho amin’izy ireo fomba samy hafa anamarihan’izy ireo andalan-tsoratra masina sy ny anton’izany ny mpianatra.

  • Taratasy zaraina:Fifehezana ny fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Mba hamelana ny mpianatra hiara-miasa amin’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo misimisy kokoa rehefa mijery ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12, dia hevero ny hametraka ny mpianatra amina efitra fanasarahana isaky ny andalan-tsoratra masina. Any am-piandohan’ny fihodinana tsirairay, azonao atao ny mandroso fanontaniana asmy hafa azon’izy ireo anontaniana ny namany na vondrona misy azy mba hanampiana azy ireo hifankahalala tsara kokoa.

Hamoaka printy