Seminera
Almà 24: “Handevina azy lalina ao anaty tany isika”


“Almà 24: ‘Handevina azy lalina ao anaty tany isika,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 24,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 24

“Handevina azy lalina ao anaty tany isika”

Ireo Antia-Nefia-Lehia nandevina ny sabatr’izy ireo

Indraindray isika dia mahita ny tenantsika resin’ny fahotana efa nahazo ary mahazo fahazaran-dratsy na fiankinan-doha mihitsy aza. Mety ho tena sarotra ny mandresy ireny fahotana ireny. Maro tamin’ny Antia-Nefia-Lehia no nahazo fomba fanao feno fahotana talohan’ny niovan’izy ireo fo ho an’ny Tompo. Rehefa niaina ny famelan-keloky ny Mpamonjy izy ireo, dia nentanim-panahy hisoroka ny fiverenana amin’ireny fahotana ireny. Afaka manampy anao handresy fahotana sy fahazaran-dratsy amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy ity lesona ity.

Ampio hikatsaka fiovam-po ny mpianatra. Ny fiovam-po dia mihoatra noho ny fiovan’ny fitondrantena; fiovan’ny fo ateraky ny Fanahy Masina izy io. Rehefa mianatra ary manao hetsika mahomby sy marina ny mpianatra, dia amporisiho izy ireo hivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba homeny tari-dalana amin’ny alalan’ny Fanahy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 24:7–16 ny mpianatra ary ho tonga efa vonona hizara ny zavatra ianaran’izy ireo avy amin’ny Antia-Nefia-Lehia momba ny Mpamonjy sy ny fibebahana ary ny famelan-keloka.

Sahanasa fianarana azo atao

Mandresy ny fahotana amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy

Mariho fa ity lesona ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona momba ny Almà 23.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity:

Sahirana mafy tamina fahotana iray nandritra ny taona maro i Samantha. Rehefa lasa niova fo kokoa ho an’ny Tompo izy, dia nanao ezaka be hibebahana sy hitodihana amin’ny Mpamonjy mba hahazoany hery handresena ny olany. Nahatsapa ny famelan-keloka sy fitiavan’ny Tompo izy. Na izany aza, amin’ny fotoanan’ny fahalemena dia mianjera indray amin’izany fahotana izany izy indraindray.

  • Ahoana no mety ho fahatsapan’i Samantha amin’io zava-misy io?

Rehefa manana fahafahana hanao fanombanana ny tenany ny mpianatra, dia mety hanampy azy ireo hahatsapa ho mandray anjara kokoa sy mazoto hianatra ny zavatra mbola tsy fantatr’izy ireo izany. Fomba iray azonao anampiana ny mpianatra hanao izany ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina mangina izao manaraka izao.

Saintsaino hoe ahoana no fahatsapanao ny fahavitanao manampy an’i Samantha sy ny zavatra mety mbola ilainao fantarina sy takarina mba hanampiana azy tsara kokoa. Eritrereto ihany koa ny olana tsapanao fa azon’ny Tompo anampiana anao handresy. Rehefa mandalina ianao, dia mikatsaha fahamarinana izay afaka manasa ny Mpamonjy hanampy anao sy i Samantha handresy fahotana.

Ny vahoakan’ny Antia-Nefia-Lehia

Ny vahoakan’ny Antia-Nefia-Lehia dia Lamanita izay nampiasa ny sabatr’izy ireo hamonoana ny hafa tany aloha. Kanefa rehefa avy “niova fo ho an’ny Tompo” izy ireo dia “napetrany ny fiadian’ny fikomian’izy ireo” (Almà 23:6–7).

Vakio ny Almà 24:1–4 mba hahitana ny fihetsika navalin’ny sasany tamin’ireo Lamanita hafa. Mariho fa ny fiadiana dia fitaovam-piadiana.

  • Raha iray tamin’ny Antia-Nefia-Lehia ianao, inona avy no eritreritra sy fahatsapana mety ho nisy teo aminao tamin’io fotoana io? Nahoana?

I Amôna sy ireo rahalahiny dia nifanakalo hevitra tamin’i Lamônia Mpanjaka sy ny rahalahiny, ilay mpanjakan’ny vahoaka nantsoina hoe Antia-Nefia-Lehia (jereo ny Almà 24:5). Avy eo dia niteny tamin’ny vahoakany ny mpanjaka.

Raha tsapanao fa hanampy amin’ny rivotra iainan’ny kilasy, dia hevero ny hanasa mpianatra iray hamaky am-panajana ireto andininy manaraka ireto toy ny hoe izy no mpitarika ny Antia-Nefia-Lehia. Asao haka sary an-tsaina hoe mihaino io lahateny io amin’ny maha-olona iray ao amin’ny Antia-Nefia-Lehia azy ny mpianatra, ary hisaintsaina ny eritreritra sy fahatsapana mety hananan’izy ireo.

Vakio ny lahatenin’ny mpanjaka ao amin’ny Almà 24:7–16. Mitadiava teny na andian-teny izay mamaritra ireto manaraka ireto ary hevero ny hanisy marika izany:

  1. Ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho an’ireo olona ireo

  2. Ny zavatra nataon’ny olona mba hibebahana

  3. Ny zavatra natoron’ny mpanjaka azy ireo hatao mba hamoizana ny fahotan’izy ireo

Ampahatsiahivo ny fiomanany ho amin’ny fotoam-pianarana ny mpianatra. Ifanakalozy hevitra ny teny sy andian-teny nasian’ny mpianatra marika tao amin’ny sahanasa teo aloha. Angataho hanazava ny hevitr’ireo teny sy andian-teny ny mpianatra ary asao hiaraka hiasa mba hahatakatra tsara kokoa izany ny kilasy. Hevero ny hanasongadina andian-teny izay toa manan-danja sy hifanakalo hevitra amin’izany ihany koa.

  • Inona avy no eritreritra sy fahatsapana mety ho nisy teo aminao raha nihaino io lahateny io tany ianao? Nahoana?

  • Inona avy ny teny na andian-teny mety ho nandrisika anao hiezaka mafy tsy hiverina mihitsy amin’ny fahotanao?

Nandevina ny fiadiana fitondran’izy ireo miady

Ireo Antia-Nefia-Lehia nandevina ny sabatr’izy ireo

Vakio ny Almà 24:17–19 ary asio marika ny fihetsika navalin’ny vahoaka taorian’io lahateny io sy ny anton’izany.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety hahafahan’ny zavatra niainan’ny Antia-Nefia-Lehia mifandray amintsika?

Fahamarinana iray azontsika jerena amin’io tantara io ny hoe ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fanoloran-tenantsika ho Azy dia afaka manampy antsika hamoy ny fahotantsika.

Makà fotoana hisaintsainana ny antony maha-marina io fitsipika io.

  • Rehefa mikatsaka ny hamoy fahotana, nahoana no mety hanampy ny fahatsiarovana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny zavatra nataon’Izy ireo ho antsika? (Mety hanampy ny fisaintsainana andian-teny toy ny hoe “efa namela antsika Izy” [Almà 24:10], “efa namindra fo tamintsika Ilay Andriamanitra lehibe” [Almà 24:14], ary ny hoe “tia ny fanahintsika Izy” [Almà 24:14].)

  • Ahoana no nanampian’ny fandevenana ny sabatr’izy ireo “lalina tao anaty tany” (Almà 24:17) ireo olona ireo hahafoy ny fahotan’izy ireo?

Mariho ireto andian-teny manaraka ireto ao amin’ny andininy 18 (nasiana fanasongadinana):

  • “Aleony mamoy ny ainy toy izay handatsaka ny ran’ny rahalahiny.”

  • “Aleony manome azy amin’ny tanany toy izay haka amin-drahalahiny.”

  • “Aleony miasa fatratra tokoa toy izay handany ny androny amin’ny hakamoana.”

Amin’ny ankapobeny, ny Antia-Nefia-Lehia dia tsy nandevina fotsiny ny fiadiana fitondran’izy ireo miady; fa nosoloin’izy ireo fihetsika tsara ny fahotan’izy ireo taloha.

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana izany manampy antsika hahafoy fahotana?

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika manao izany ankehitriny?

Mba hahitana ohatra iray, dia jereo ilay horonantsary hoe “Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiovam-po” manomboka eo amin’ny mari-potoana 6:11 hatramin’ny 8:12, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

9:1

Ny fanoloran-tenan’ny vahoakan’ny Antia-Nefia-Lehia

Vakio ny Almà 24:20–27 mba hahitana ny fomba niainan’ny Antia-Nefia-Lehia ny fanoloran-tenan’izy ireo hamoizana fahotana. Eo am-pamakiana dia alaivo sary an-tsaina hoe tany ianao. Saintsaino ny zavatra hitanao, ny zavatra henonao ary ny fahatsapana mety ho niainanao teo am-piankohofana nivavaka, nahalala fa tsy nanana na inona na inona hiarovan-tena ianao ary teo am-pelantanan’ny Tompo tanteraka ianao.

  • Inona no manaitra anao momba ny fanoloran-tenan’izy ireo?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ny fomba ahafahan’ny fahafoizan-tenan’ny Antia-Nefia-Lehia mifandray amintsika ankehitriny.

2:3

Aleveno tanteraka ny fiadian’ny fikomianareo ka tsy hisy tahony mbola mipoitra. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fanaovana fanekempihavanana amin-kitsimpo hanaja azy ireny dia hitahy ny fiainanao mandrakizay. Ho lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy ianao rehefa mahatsiaro Azy mandrakariva, sy manaraka Azy ary mitia Azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no fototra mafy orina. Azo ianteherana Izy, ary ny fampanantenany dia azo antoka. (Dale G. Renlund, “Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2019, 25)

Ny Loholona Renlund dia nizara ohatra mahery vaika momba ny fanoloran-tenan’ireo Olomasina any Congo ihany koa. Hevero ny hizara amin’ny mpianatra ilay horonantsary hoe “Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy“ manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:39, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ahoana no hamoizana fahotana

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity amina vondrona kely mba ahafahan’izy ireo mampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Tadidio ilay rafi-tantara niaraka tamin’i Samantha tany am-piandohan’ny lesona. Hazavao ny fomba hanoroanao azy hampihatra ny fitsipika nohalalininao androany. Ampidiro ao anatin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  • fomba ahafahany mahatsiaro ny fitiavan’ny Tompo azy

  • fihetsika manokana azony atao mba hisorohana ny fihemorana ho amin’ny fahotany tany aloha

Manasà mpianatra maromaro hizara ny hevitr’izy ireo. Rehefa mifampihaino ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fanatanterahana ireo drafitra ireo manampy azy ireo handresy ny fahotan’izy ireo.

Fahafoizana ny fahotanao

Ao amin’ny diary fandalinanao, soraty ny fomba mety hahafahanao mampihatra ny zavatra nianaranao androany amin’ny fiainanao manokana. Soraty ireo dingana azonao atao hahatsiarovana ny fitiavan’ny Tompo. Mampidira dingana azo ampiharina hamoizana fahotana sy hitandremana amin’ny fiverenana amin’izany.

Rehefa miezaka manaraka ny drafitrao ianao, dia matokia fa tia anao ny Mpamonjy ary hanampy anao rehefa miezaka misoroka toe-javatra izay mety hitarika anao amin’ny fahotana ianao.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Tompo ny mpianatra tsirairay sy ny hoe hanampy azy ireo Izy rehefa miezaka ny ho tahaka Azy kokoa izy ireo, na dia tsy mahomby amin’ny ezaka ataon’izy ireo aza izy ireo indraindray.