Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 13: Tadiavo sy asio marika Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 13: Tadiavo sy asio marika Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 13,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 13

Tadiavo sy asio marika Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5

Sary
zatovovavy manisy marika ny soratra masina

Tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahatakaranao ireo fahamarinan’ny filazantsara hita ao amin’ny soratra masina. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hijery ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mamorona tontolo iainana ahatafidirana tsara. Ny fanomezana ny mpianatra fahafahana hifankahalala misimisy kokoa dia afaka manampy amin’ny famoronana tontolo iainana ahatsapana ho ekena sy tafiditra tsara. Mitadiava fotoana ahafahan’ny mpianatra mifampizara fampahalalana mety momba ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hangataka namana na olona ao amin’ny fianakaviana hampiseho amin’izy ireo fomba samy hafa anamarihan’izy ireo andalan-tsoratra masina sy ny anton’izany ny mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra rehefa mandeha ny seminera.

Toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Raha ilaina, alohan’ny hanasana ny mpianatra hamaly ity rafi-tantara manaraka ity, dia ampahatsiahivo azy ireo fa tsy hoe tsy manaja akory ny fanisiana marika ny soratra masina sady tsy voatery koa ary tsy misy fomba mety sy tsy mety anaovana izany. Ny zava-dehibe dia ny miezaka mamantatra ny toerana, mianatra, ary mitadidy ny zavatra ampianarin’ny soratra masina.

Alaivo sary an-tsaina hoe mahita anao manisy marika ny soratra masinao eo am-pandalinana ny zandrinao iray tam-po aminao. Rehefa avy mahita ilay pejy misy marika ny zandrinao, dia manontany anao ny antony anisianao marika ny soratra masinao.

  • Ahoana no ho fihetsikao?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ao amina vondrona kely ny fomba samy hafa maromaro anisian’izy ireo marika ny soratra masin’izy ireo sy ny anton’izany. Ampio hahatakatra ny mpianatra fa ny fanisiana marika ny andalan-tsoratra masina dia afaka manampy amin’ny fanaovana ny soratra masina ho an’ny tena manokana, manasongadina hevi-baovao manan-danja, ary manamora kokoa ny fitadiavana indray ny andalan-tsoratra masina amin’ny manaraka.

Rehefa avy mizara ny mpianatra, dia asehoy ity tabilao manaraka ity, na omeo amina taratasy zaraina hampiasaina mandritra ity sahanasa manaraka ity.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aza mandeha intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiaraka miasa amina namana iray. Omeo asa hiomana hampahafantatra andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray farafahakeliny amin’ny iray kilasy ny mpinamana tsirairay. Ataovy azo antoka fa efa misy notendrena hanao azy daholo ny andalan-tsoratra masina 12. Rehefa avy omena fotoana hanomanana izy ireo, dia asao hanao izao manaraka izao ny mpinamana tsirairay:

  1. Mampahafantatra ny naman’izy ireo amin’ny kilasy amin’ny alalan’ny fizarana zavatra mahaliana na manan-danja momba ny tsirairay amin’izy ireo

  2. Mampahafantatra ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana’izy ireo amin’ny kilasy amin’ny alalan’ny:

    • Famporisihana ny mpianatra hitodika amin’ilay andalan-tsoratra masina sy hihevitra ny hanisy marika izany.

    • Famakiana ny andalan-tsoratra masina iray manontolo amin’ny kilasy sy fanasongadinana ny andian-teny manan-danja

    • Fanazavana ny antony maha-zava-dehibe ho an’ny zatovo ankehitriny ny fahatakarana ny fahamarinana ao amin’ilay andian-teny manan-danja

Rehefa avy mizara daholo ny mpianatra rehetra, dia azon’ny mpianatra atao ny mampiasa fotoana tavela ao an-dakilasy mba hanombohana manao tsianjery toko sy andininy sy andian-teny manan-danja. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine mba hanampy azy ireo (raha misy).

Hamoaka printy