Seminera
Almà 26: “Hirehareha ao amin’ny Tompo isika”


“Almà 26: ‘Hirehareha ao amin’ny Tompo isika,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 26,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 26

“Hirehareha ao amin’ny Tompo isika”

Sary
andian-jatovo falifaly

Efa nisy zavatra niainanao ve ka tsy andrinao izay hilazana azy tamin’ny olona iray? Inona no tianao ho fantatry ny olona? Mitovitovy amin’izany, nifaly tamin’ny iraka 14 taona nataon’izy ireo tany amin’ny Lamanita i Amôna sy ny rahalahiny, ary izy ireo dia te hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Nijoro ho vavolombelon’ny hery sy fitiavan’ Andriamanitra izy ireo satria Lamanita an’arivony no nampahafantarina ny fahamarinana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa fankasitrahana lalina sy fitiavana ny Tompo sy ireo fitahiana omeny eo amin’ny fiainanao.

Miomana ny ho fitaovana ho an’ny Fanahy Masina. Rehefa miezaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fankatoavana ianao ka miaina ny filazantsara amin’ny fonao rehetra, dia hiaraka aminao ny Fanahy. Tsy voatery ho tonga lafatra ianao—miezaka am-pahazotoana fotsiny. Mikatsaha famelan-keloka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isaky ny tafintohina ianao.

Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Almà 26:11–16 sy misaintsaina izay heverin’izy ireo ho dikan’ny hoe “mirehareha ao amin’ny Tompo”.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no zavatra tianao be ny manao azy?

Afaka mifanakalo hevitra tsiroaroa na ao anatina vondrona kely momba ireto manaraka ireto ny mpianatra. Azo ampifanoloina amin’izany, azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa hizara fohifohy amin’ny iray kilasy.

Saintsaino ao anatina fotoana fohy ny zavatra iray mampafana fo anao na tianao be—zavatra izay raha vao manomboka miresaka momba azy ianao, dia sarotra be ny manajanona anao!

  • Nahoana no matanjaka be ny fihetseham-ponao momba azy io?

  • Inona no antenainao ho tsapan’ny hafa rehefa miresaka momba azy io ianao? Nahoana?

Rehefa niverina avy amin’ny iraka 14 taona nataon’izy ireo tamin’ny Lamanita ireo zanak’i Môzià, dia niresaka tamin’ireo rahalahiny momba ny zavatra niainan’izy ireo i Amôna. Vakio ny Almà 26:8, 16, hitadiavana ny zavatra nampafana fo an’i Amôna sy tena tiany.

Ao amin’ny Almà 26:16, i Amôna dia nampiasa ny teny hoe hirehareha, hifaly, ary hankalaza teo am-piresahana momba ny Tompo. Ny hoe manome voninahitra dia midika hoe mifaly amin’ny na manome “fiderana feno fiankohofana, haja, ary fisaorana” (Merriam-Webster.com, “Glory”; jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Voninahitra,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Azonao atao ny manisy marika ireo teny ireo ao amin’ny andininy 16 sy ao amin’ny andininy hafa nohalalininao androany.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ny famaritana ny hoe voninahitra ao amin’ny diarin’izy ireo na hanisy fanamarihana fohy eo akaikin’ny Almà 26:16. Mety hanana famaritana na eritreritra hafa hozaraina miainga amin’ny fanomanan’izy ireo ny fotoam-pianarana ny mpianatra.

Makà fotoana fohy hisaintsainana ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no fahatsapanao momba ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra? Nahoana?

  • Miresaka momba Azy amin’ny hafa amim-pientanentanana sy fifaliana ve ianao? Nahoana, na nahoana no tsia?

Rehefa mandalina ny Almà 26 ianao anio, dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’i Amôna tamin’ny fizarana ny fahatsapany momba an’ Andriamanitra manampy amin’ny fampitomboana ny fitiavanao sy fankasitrahanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

“Fitahiana lehibe toy izao”

Fantaro raha miaraka daholo, na anatina vondrona kely, na tsiroaroa no hahazoan’ny mpianatra tombony indrindra amin’ny famakiana ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto (sy andiany hafa ao aoriandriana ao amin’ny lesona). Ampiasao ny fanontaniana nomena na hafa azonao eritreretinao hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hanadihady ny votoatiny sy ny sahan-kevitra.

Vakio ny Almà 26:1–4, 8–16, hitadiavana ny fomba niresahan’i Amôna momba an’ Andriamanitra sy momba ny zavatra nataony ho an’ny rahalahiny sy ny Lamanita.

  • Inona no nanan-danja indrindra taminao momba ny fomba niresahan’i Amôna momba an’ Andriamanitra?

  • Inona avy no fahamarinana hitanao ka afaka manainga ny olona iray hirehareha ao amin’ny Tompo?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ireo fahamarinana hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Na azon’ny mpianatra atao ny manoratra ireo fahamarinana ireo amina taratasy mandraiki-tena sy mamaky mafy azy ireo alohan’ny hametahana azy ireo eny amin’ny solaitrabe. Ohatra, Manome fitahiana lehibe Andriamanitra (andininy 1–3); Afaka miasa amin’ny alalantsika Andriamanitra mba hanatanterahana ny asany lehibe sy hitahiana ny hafa (andininy 3); afaka manao ny zava-drehetra amin’ny herin’ny Tompo isika (andininy 12); ary ny hoe Andriamanitra dia mahery, mpamindra fo ary mahari-po amin’ny zanany (andininy 16).

Avy eo dia azonao atao ny mampiseho ireto sary manaraka ireto mba hampahatsiahivana ny mpianatra momba ny zavatra niainan’i Amôna tamin’ny maha-misiônera azy ka nitarika azy hidera an’ Andriamanitra. Mety ho azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hilaza fohifohy ireo zava-niseho voarakitra ao amin’ny Almà 17–21.

Sary
I Amôna niady tamin’ny Lamanita
Sary
I Amôna nampianatra an’i Lamônia
Sary
nisaona an’i Lamônia ny mpanjakavavy

Na dia tsy mitovy amin’ny an’i Amôna aza ny zavatra niainantsika, dia mety manana antony mitovitovy hiderana an’ Andriamanitra isika.

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra antony mety hananan’izy ireo hiderana an’ Andriamanitra, dia azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto. Omeo fotoana hamaliana ny iray amin’ireo fanontaniana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra, avy eo dia asao ny mpianatra vonona mba hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Eritrereto ny nanaovana anao na nahafahanao ho “[fitaovana] teo an-tànan’ Andriamanitra” (Almà 26:3) mba hitahiana ny hafa. Ahoana no mety hahafahan’ireny zavatra niainana ireny mitarika anao hidera an’ Andriamanitra?

  • Inona avy no antony hafa sasantsasany anananao hiderana an’ Andriamanitra?

  • Inona avy no fiovana mety ho tonga eo amin’ny fiainan’ny olona iray amin’ny fireharehana amin’ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho azy?

“Antony lehibe loatra hifaliana”

Rehefa nahatsiaro ny fotoanany tamin’ny naha-misiônera azy sy ny fifaneraserany tamin’ Andriamanitra i Amôna, dia nirehareha sy nifaly tamin’ny maha-izy an’ Andriamanitra sy ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho azo tanterahina teo amin’ny fiainany izy.

Hevero ny hanome taratasy ny mpianatra hamitana ity sahanasa fandalinana manaraka ity. Mba hanovaovana azy, ny tapany voalohany amin’ilay sahanasa dia azon’ny iray kilasy vitaina. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny vondrona samy hafa sy mirakitra ny zavatra hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny hampiasa ny fanontaniana misy tebo-pitanisana na hafa izay eritreretinao mba hanampiana ny mpianatra hirehareha ao amin’ny Tompo.

Aforeto telo ny taratasy iray na manaova tsanganana telo amina pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Asio soratra amin’ny anankiray amin’ireto vondron’olona manaraka ireto ny tampon’ny tsanganana tsirairay:

Vakio ny andalan-tsoratra masina ho an’ny vondrona tsirairay ary soraty ao amin’ilay tsanganana ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho azy ireo.

  • Inona no nanan-danja taminao momba ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho an’ireo vondron’olona ireo? Nahoana no nahatonga ny vahoaka hirehareha ao Aminy izany?

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hamitana ity fizarana manaraka natao ho an’ny tsirairay ao amin’io sahanasa io ity. Amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina sy hivavaka tsara rehefa miasa.

Avadiho ilay ravin-taratasy, na manaova tsanganana vaovao telo ao amin’ny diary fandalinanao. Omeo ny iray amin’ireto lohateny manaraka ireto ny tsanganana tsirairay:

  • Ny fomba nitahian’ Andriamanitra ahy

  • Ny fomba nitahian’ Andriamanitra ireo olona tiako

  • Ny zavatra fantatro sy tsapako momba an’ Andriamanitra

Azonao atao ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra, ka mangataka Azy hitondra eritreritra sy fahatsiarovana ao an-tsainao. Rehefa mahatsiaro ny fomba nitahian’ Andriamanitra anao sy ny hafa ianao ary misaintsaina ny fahatsapanao Aminy, ny Fanahy Masina dia afaka manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra anao.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny tsanganana tsirairay ny valinteninao, ary hazavao ny antony anosehan’izany anao hirehareha ao amin’ Andriamanitra.

Hevero ny hampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fahatsapana niainan’izy ireo. Amporisiho hizara ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa nisaintsaina ny antony ireharehan’izy ireo ao amin’ny Tompo ny mpianatra vonona.

  • Ahoana no nanampian’io sahanasa io anao hahatsapa fifaliana lehibe kokoa ao amin’ Andriamanitra na fitiavana sy fankasitrahana nitombo kokoa Azy?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hiovan’ny fifandraisanao amin’ny Tompo raha maka fotoana hahatsiarovana sy hireharehana ao Aminy matetika kokoa ianao?

Amporisiho hanao zavatra amin’ity fanasana manaraka ity ny mpianatra.

Rehefa misaintsaina ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany ianao, dia azonao atao ny manao tanjona haka fotoana hahatsiarovana sy hireharehana ao amin’ Andriamanitra. Mety hahatsapa ho voatosika hizara ny eritreritrao amin’ny olona iray tahaka ny nataon’i Amôna ianao. Mitadiava lala-misokatra hizarana, ary hevero ny fomba ahafahanao manampy ilay olona hafa hahatsapa ny zavatra tsapanao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy