Seminera
Almà 29: Ny fanirian’ny fontsika


“Almà 29: Ny fanirian’ny fontsika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 29,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 29

Ny fanirian’ny fontsika

Sary
zatovo mandeha an-tongotra lavitra

Ahoana no ahafahanao milaza raha mifanaraka amin’ny zavatra tian’ny Tompo ho anao ny fanirianao amin’ny fiainanao? Ny Almà 29 dia mirakitra an-tsoratra ny fanirian’ny fon’i Almà sy ny fisaintsainany momba ny hoe mifanandrify amin’ny zavatra tian’ Andriamanitra ho azy ve ny faniriany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanombana ny fanirianao sy hampifanitsy izany amin’ny an’ny Tompo.

Manorina finoana an’i Jesoa Kristy. Rehefa miomana hampianatra ianao, dia anontanio ny tenanao hoe: “Amin’ireo fahamarinana izay azo asongadina ao amin’ity andian-tsoratra masina ity, inona no tena hanampy indrindra ny mpianatro hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy?” Katsaho ny aingan’ny Fanahy Masina mba hahatakarana tsara kokoa ny hoe fahamarinana ara-pilazantsara inona no hahatanteraka indrindra izany tanjona izany.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Almà 29:1–6 sy hisaintsaina izay ianaran’izy ireo momba ny faniriana.

Sahanasa fianarana azo atao

Faniriana ho an’ny fiainako

Hevero ny hampiseho sarin’ny tenanao tamin’ny mbola kely sy hizara ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Mety ho azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra vitsivitsy hitondra ny sarin’izy ireo tamin’ny mbola kely ary hamaly ny fanontaniana.

Azo ampifanoloina amin’izany, amina kolontsaina maro dia misy angano na tantara izay anontaniana ny olona iray ny zavatra iriny na iriny indrindra. Ny ohatra sasantsasany dia ahitana fanaovana faniriana amina kintana iray, fangatahana faniriana amina jiny na zana-javatra, na fanaovana faniriana rehefa mitsoka ny labozian’ny tsingerintaona. Azonao atao ny manondro ny iray amin’ireny tantara mahazatra ireny sy manontany hoe: “Raha afaka milaza faniriana amin’ny iray amin’ireo faniriana lehibe anananao ianao, mety ho inona izany?

  • Fony ianao mbola kely, inona avy no sasantsasany tamin’ny fanirianao lehibe indrindra?

  • Amin’izao ianao efa be taona kokoa izao, ahoana no niovan’ny fanirianao? Ahoana no mety hiovan’ny fanirianao amin’ny hoavy?

Eo amin’ny ilan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao, manorata maro amin’ireo fanirianao ho an’ny fiainanao. (Hampiasainao ao aoriana ao amin’ny lesona ny ilany iray.)

  • Ahoana no iantraikan’ny faniriantsika amin’ny fiainantsika?

Rehefa mitombo sy mihamatotra amin’ny filazantsara isika ary manakaiky kokoa an’ Andriamanitra, dia mety hiova ny sasany amin’ny faniriantsika ary mihitsy kokoa amin’ny zavatra tiany ho antsika.

  • Ahoana no ahafahantsika milaza raha mifanaraka amin’ny zavatra tian’ny Tompo ho antsika ny faniriantsika amin’ny fiainantsika?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, saintsaino ny fanirianao. Ataovy izay hamantarana ireo faniriana izay mifanaraka amin’ny an’ Andriamanitra sy ireo izay mila mihamatotra na miova.

Mampifanaraka ny faniriantsika amin’ny sitrapon’ny Tompo

Ao amin’ny Almà 29, i Almà dia nirakitra an-tsoratra ny iray tamin’ireo faniriany. Vakio ny Almà 29:1–2, hitadiavana ny zavatra nofaritany.

  • Nahoana i Almà no naniry ho anjely? Inona no zavatra lazain’izany aminao momba azy?

  • Inona no fantatrao momba ny lasan’i Almà ka mety ho nanentana ny faniriany ho tonga anjely? (jereo ny Môzià 27:11–17).

Raha ilaina, ampio ny mpianatra hahatakatra ny zavatra niainan’i Almà niaraka tamin’ny anjely iray araka ny voasoratra ao amin’ny Môzià 27. Fomba iray azonao anaovana izany ny fampisehoana ity sary manaraka ity sy fangatahana ny mpianatra hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo momba ny tantara asehon’izy io.

Sary
ny fiovam-pon’i Almà Zanany

Ny fahatakarana ny sahan-kevitra misy ny andininy dia afaka manome antsika hevi-baovao fanampiny. Ao amin’ireo toko eo alohan’ny Almà 29, ny Tompo dia nandidy an’i Amôna hitondra ny Antia-Nefia-Lehia hiaraka honina amin’ny Nefita mba ho fiarovana azy ireo (jereo ny Almà 27:4–12). Ny Nefita dia nanome ny Antia-Nefia-Lehia ny tanin’i Jersôna hipetrahany ary nampanantena fa hiaro azy ireo. Nanaraka ny Antia-Nefia-Lehia ny Lamanita ratsy fanahy ary nanomboka ady. Niaro ny tenany sy ny fianakaviany tamin’ny Lamanita ny Nefita. Vokatr’izany, “an’alinalina ny Lamanita voavono sy naely patrana … ary nisy koa fandripahana goaibe teo anivon’ny vahoakan’i Nefia” (Almà 28:2–3).

  • Ahoana no ahafahan’io sahan-kevitra io manampy anao hahatakatra ny antony mety ho nanirian’i Almà hiantso am-pahasahiana ny olona hibebaka sy hisoroka alahelo?

Vakio ny Almà 29:3–6, ka tadiavo ny zavatra takatr’i Almà momba ny faniriana.

Hevero ny hanontany ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mizara lesona na fitsipika isankarazany. Raha tsy resahin’ny mpianatra, dia angataho hamintina ny zavatra ampianarin’i Almà ao amin’ny andininy 4.

Fitsipika iray mety ho hitanao ny hoe Andriamanitra dia mamela antsika hanao safidy miorina amin’ny faniriantsika.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ao amin’ny soratra masin’izy ireo ny teny na andian-teny manan-danja ao amin’ny andininy 4 izay mampiavaka io fahamarinana io.

  • Nahoana no zava-dehibe ny hahatakarantsika io fitsipika io?

Mba hanampiana anao hampitaha ny fanirianao amin’ny an’ny Tompo, dia ataovy lisitra eo amin’ny ilan’ilay pejy ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra irin’ny Tompo ho an’ny zanany. Azonao atao ny mamaky ny sasany amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hanaovana io lisitra io:

Asao hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo ny mpianatra. Ny ohatra sasany dia ny hoe mety ho afaka handre sy ho tonga amin’ny fahalalana ny Mpamonjy isika (jereo ny Matio 17:5; Jaona 17:3; 3 Nefia 11:3–7), maneho ny fankatovantsika (jereo ny Abrahama 3:25), manao ny asany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:6), mitia ny hafa (jereo ny Levitikosy 19:18; Matio 22:37–40), manambady ary manana fianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; Genesisy 1:22), mahatsapa fifaliana (jereo ny 2 Nefia 2:25), ary mandova fiainana mandrakizay miaraka Aminy (jereo ny Mosesy 1:39).

Jereo ny ilany roa amin’ny pejinao. Mariho fa tian’ny Tompo hampifantoka ny faniriantsika amin’ny fitiavana sy fanompoana Azy sy ny mitovy amintsika isika. Saintsaino ny fifanarahan’ny fanirianao amin’ny fanirian’ Andriamanitra ho anao.

Na dia tsara aza ny fanirian’i Almà hizara ny filazantsara, dia nanaiky izy fa ny faniriana hizara ny filazantsara toy ny anjely amin’izao tontolo izao manontolo dia tsy tena nifanaraka manontolo tamin’ny toerana sy ny fomba niantsoan’ Andriamanitra azy hanompo. Hevero ny hanisy tsipika eo ambanin’ny andian-teny rehetra ao amin’ny Almà 29:3–6 izay mampiseho fa te hampifanaraka ny faniriany amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izy.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe mianina amin’izay nomen’ny Tompo antsika?

  • Tahaka an’i Almà, nahoana araka ny eritreritrao no tokony hikatsaka izay hampifanarahana ny faniriantsika amin’ny an’ny Tompo isika?

  • Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ny faniriantsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra rehefa mety hoe maharay antso hanompo amina fomba iray tsy mitovy amin’ny fomba tiantsika kokoa isika?

Atỳ aoriana ao amin’io toko io, i Almà dia nanazava fa tsy nila tonga anjely izy vao afaka niteny tamin’ny tany manontolo satria Andriamanitra dia mampianatra ny firenena rehetra amin’ny fahendreny sy ny fotoany (jereo ny Almà 29:7–8). Vakio ny Almà 29:9, 13, hitadiavana ny zavatra nireharehan’i Almà sy ny fahatsapany rehefa nampifanaraka ny faniriany tamin’ny an’ Andriamanitra izy.

Ny maha zava-dehibe ny faniriana

Omeo fahafahana hampitombo ny fahatakaran’izy ireo momba ny faniriana ny mpianatra. Mety ho azonao apetaka eraky ny efitrano fianarana ireto fanontaniana sy torolalana ireto. Azon’ny mpianatra atao ny miangona eo akaikin’ny fanontaniana izay mahaliana azy ireo ny hahafantatra azy, manaraka ny toromarika, ary mifanakalo hevitra amin’ny valinteny hitan’izy ireo amin’ilay fanontaniana ao anatina vondrona kely. Azo averina izany mba ahafahan’ny mpianatra mandalina mihoatra ny fanontaniana iray.

Ahoana no ahafahako mampitombo ny faniriako hanaraka ny Tompo?

Rehefa misaintsaina io fanontaniana io ianao, dia mety hanampy raha mieritreritra ohatra amin’ireo olona niova fo ho an’ny Tompo. Ny olona sasany azonao dinihina dia i Enôsa (jereo ny Enôsa 1:1–7), ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka (jereo ny Môzià 5:1–5), ary i Lamônia Mpanjaka (jereo ny Almà 22:15–16).

Inona no tokony hiriko eo amin’ny fiainako?

Rehefa mikatsaka fanambarana amin’io fanontaniana io ianao, dia halalino ny ohatra amin’ny zavatra nirin’ny sasany na ny zavatra nantenain’ny Tompo hiriny izy ireo (jereo ny Romana 10:1; 3 Nefia 19:7–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:6–8).

Inona ihany koa no ampianarin’ny soratra masina momba ny faniriantsika?

Mety hanampy raha halalinina ny hoe “Desire” ao amin’ny fampiharana Gospel Library. Na vakio ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto: Salamo 37:4; Ohabolana 10:24; Enôsa 1:12; Almà 41:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:38; 137:9.

Asao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo ny mpianatra. Hevero ny hanontany raha misy mpianatra manana fanontaniana iray tiany hanampian’ny kilasy azy. Miaraha mikaroka ny soratra masina ary mizarà zavatra niainana sy fijoroana ho vavolombelona izay afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontaniana izay apetraka rehetra.

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba iharan’io lesona io aminao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra azonao atao hanamafisana ny faniriana marina anananao sy hikatsahana ny fanampian’ny Tompo hampifanaraka ny faniriana hafa rehetra amin’ny sitrapony.

Hamoaka printy