Seminera
Almà 30–31: Topimaso ankapobeny


“Almà 30–31: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 30–31,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 30–31

Topimaso ankapobeny

Tonga tany amin’ny Nefita ny lehilahy ratsy fanahy iray nantsoina hoe Kôrihôra. Nitory nanohitra ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy izy ary nampaniasia ny fon’ny olona hiala amin’ Andriamanitra. Nentina teo amin’i Almà izy, ary i Alma dia nijoro ho vavolombelona fa “ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra” (Almà 30:44). Nandà ny fisian’ Andriamanitra mandra-pahatonga azy nozoin’ny hamoanana tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra i Kôrihôra. Nandritra izany fotoana izany, ny Zôramita izay mpikambana teo aloha tao amin’ny Fiangonana marin’ Andriamanitra dia nanomboka nino fampianaran-diso. Ny fomba fitsaohana diso teo anivon’izy ireo dia nampiala ny fon’izy ireo tamin’ Andriamanitra ary nahatonga azy ireo hifampitondra amin’ny fomba tsy araka ny tokony ho izy. Rehefa ren’i Almà fa “lavo tao amin’ny fahadisoana lehibe” ny Zôramita (Almà 31:9), dia nanao drafitra hampiasana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra mba hanasana azy ireo hiverina amin’i Jesoa Kristy i Almà.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 30:1–29

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra sy handà fampianaran-diso izay mety hitarika azy ireo hiala amin’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny miresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny fomba ahafantarana fampianaran-diso.

  • Sary: Maka-feke iray

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hampiasa salles de discussion mba hamelana ny mpianatra hiasa tsiroaroa na ao anatina vondrona kely rehefa mifanakalo hevitra mombana hafatra antikristy tojo azy ireo izy ireo. Azon’ny vondrona tsirairay atao ny mifantina mpitondra teny iray hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’ny vondrona nisy azy ireo hevitra.

Almà 30:30–60

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra porofon’ny fisian’ Andriamanitra sy hisafidy ny hino Azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 30:40–41 na ny Mosesy 6:63 ny mpianatra. Angataho izy ireo hitady porofon’ny fisian’ Andriamanitra eo amin’ny manodidina azy ireo ary angamba haka sary haseho any an-dakilasy.

  • Sary: Sary manome porofon’ny fisian’ Andriamanitra

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra hampiseho sary na zavatra iray izay mijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra sy hanazava ny antony nisafidianan’izy ireo izany.

Almà 31:1–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hiantehitra amin’ny herin’ny tenin’ Andriamanitra mba hitoeran’izy ireo ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hiresaka amin’ny olona iray momba ny fomba nanampian’ny tenin’ Andriamanitra azy ireo hitoetra ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny mpianatra.

  • Horonan-tsary:Famerenana amin’ny laoniny isan’andro” (13:43; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:40 hatramin’ny 3:25)

  • Taratasy zaraina:Ny drafitra nataon’i Almà hampianarana ny Zôramita

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Ho an’ny tanjon’i Almà hanampy ny Zôramita hiverina amin’ny Tompo, ny mpianatra dia asaina hamorona kisary maneho vina: fanehoana an-tsary ilay tanjona, ny zavatra namporisika azy hanao izany, ary ireo antsipirian-javatra mahakasika ny fanatontosana izany. Hevero ny hitady ohatrana kisary maneho vina ao amin’ny internetary hizara izany amin’ny mpianatra.

Almà 31:12–38

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanatsara ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa manombana ny fiantraikan’ny avonavona sy ny fanetrentena eo amin’ny fifandraisany amin’Izy Ireo sy amin’ny hafa ny mpianatra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Mba hiomanana amin’ny fandalinana ny Almà 31, dia asao hivavaka ny mpianatra ka hifantoka amin’ny zavatra ilain’ny hafa.

  • Sary: Sarina mpianatra mivavaka; sarin’ny Rameomtôma

  • Votoatin-javatra haseho: Ilay tabilao momba ny vavaka, na aseho na adika eny amin’ny solaitrabe

  • Horonan-tsary: “Alma et ses frères prêchent la parole de Dieu parmi les Zoramites” (6:07; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:22 hatramin’ny 3:58 sy ny 4:03 hatramin’ny 5:55)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hampiasa ny solaitrabe amin’ny endrika nomerika mba hampisehoana ilay tabilao momba ny vavaka. Asao hanampy zavatra ao amin’ilay tabilao mandritra ny lesona ny mpianatra ary handika azy io ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery toko sy andininy ary andian-teny manan-danja maro avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifantina sy hanao tsianjery andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay afaka manampy azy ireo hahatsapa ho akaiky ny Mpamonjy na manampy azy ireo amin’ny zavatra ilain’izy ireo amin’izao fotoana izao.

  • Taratasy zaraina:Fifehezana ny fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hampiseho votoatin-javatra avy ao amin’ny application Maîtrise de la doctrine sy hamita ireo sahanasa miaraka amin’ny iray kilasy.

Hamoaka printy