Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 14: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 14: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 14,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 14

Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
andian-tsoratra masina nasiana marika ny lahatsoratra ao aminy

Ny fitadidiana toko sy andinin-tsoratra masina sy ny zavatra ampianarina ao anatin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tsianjery toko sy andininy maro ary ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Manao tsianjery andinin-tsoratra masina. Rehefa hay tsianjery ny tenin’ny soratra masina, dia mandeha ho azy ny fitondran’izany hery rehefa mampianatra ny hafa isika. Ny asa takina amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina dia afaka manampy ihany koa ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny hevitry ny fahamarinana sy ny fotopampianarana ao anatin’ilay andinin-tsoratra masina. Ampio hizatra amin’ny ny fanaovana tsianjery ny sasantsasany na ny rehetra amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifantina sy hanao tsianjery andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay afaka manampy azy ireo hahatsapa ho akaiky ny Mpamonjy na manampy azy ireo amin’ny zavatra ilain’izy ireo amin’izao fotoana izao.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra rehefa mandeha ny seminera.

Mifantena andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo na efatra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hifantohana ato amin’ity lesona ity. Homena fahafahana hifantoka amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa ao amin’ireo lesona samihafa ny mpianatra.

Tombony amin’ny fitadidiana soratra masina

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray izay manontany tena momba ny antony mety hahatsara ny fanaovana tsianjery soratra masina?

Vakio ny Almà 31:5 hitadiavana antony iray mety hanaovan’ny olona iray tsianjery ny soratra masina.

  • Ahoana no mety hanampian’ny fitadidiana soratra masina anao mba hahazo ny herin’ Andriamanitra?

  • Inona ny andinin-tsoratra masina iray nataonao tsianjery? Inona no tombontsoa azonao tamin’ny fanaovana tsianjery soratra masina?

Raha mbola tsy nomarihin’ny mpianatra tao amin’ny soratra masin’izy ireo ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto, dia hevero ny hampiseho ity tabilao ity sy hanasa azy ireo hanao toy izany.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Amina taratasy mitokana, foròny ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hifantohan’ny mpianatra ato amin’ity lesona ity ireto sosokevitra manaraka ireto. Mamoròna toerana hanatanterahana asa iray ho an’ny sahanasa tsirairay na andinin-tsoratra masina tsirairay. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny fametahana taratasy amin’ny rindrina na fametrahana izany amina faritra iray ao amin’ny efitrano fianarana. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny miasa tsiroaroa amin’ireo fanazaran-tena ireo ary miara-mamita ireo andinin-tsoratra masina.

  1. Soraty ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja tsirairay, ka esory ny teny na tarehimarika vitsivitsy. Hofenoin’ny mpianatra ny teny na tarehimarika tsy eo.

  2. Soraty ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja.

  3. Soraty amin’ny endrika mikorontandrotana ny filaharan’ny teny sy tarehimarika ao amin’ilay toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja. Asao ny mpianatra hanoratra ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja marina eo amina taratasy mitokana na ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  4. Afaka mampiasa ny flash card ao amin’ny application Maîtrise de la doctrine ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mifantina andinin-tsoratra masina iray manontolo hatao tsianjery sy mampiasa ilay application mba hanampy azy ireo.

Asao hifandimby hitety ireo toerana hanatanterahana asa sy hamita ny sahanasa rehetra ho an’ny andinin-tsoratra masina iray manokana ny mpianatra. Rehefa avy nanao fanazaran-tena tamin’ny andinin-tsoratra masina iray ny mpianatra, dia afaka mamerina ilay dingana arahina amin’ny andinin-tsoratra masina hafa izy ireo. Avereno imbetsaka araka izay ilaina izany.

Rehefa vitan’ny mpianatra izany, dia manasà mpianatra vitsivitsy manolo tena hanonona ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja nataon’izy ireo tsianjery. Azon’izy ireo zaraina ihany koa hoe inona no teknika fitadidiana nanampy azy ireo indrindra. Asao ny mpianatra mba hanohy hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Hamoaka printy