Seminera
Almà 30:30–60: “Misy ny Mpahary Faratampony”


“Almà 30:30–60: ‘Misy ny Mpahary Faratampony,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 30:30–60,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 30:30–60

“Misy ny Mpahary Faratampony”

Sary
olona mijery ny lanitry ny alina

Nijoro ho vavolombelona i Almà fa “ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra” (Almà 30:44). Saingy nahoana no tsy ny olon-drehetra no mahafantatra na miaiky fa misy porofo fa tena misy Andriamanitra? Nandà ny fisian’ Andriamanitra mandra-pahatonga azy nozoin’ny hamoanana tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra i Kôrihôra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra porofo fa misy Andriamanitra ary hisafidy ny hino Azy.

Mamporisika fandinihan-tena sy fanombanana. Mametraha fanontaniana azo avy amin’ny fanentanam-panahy mba hahafahan’ny mpianatra mamantatra ny zavatra efa fantatr’izy ireo sy inoan’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra hanasa ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hamantatra ny zavatra ilain’izy ireo fantarina sy hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana katsahin’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 30:40–41 na Mosesy 6:63 ny mpianatra. Angataho izy ireo hitady porofon’ny fisian’ Andriamanitra eo amin’ny manodidina azy ireo ary angamba haka sary haseho ao amin’ny kilasy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fisian’ Andriamanitra

Hevero ny hampiseho sary maro izay tsapanao fa maneho porofon’ny fisian’ Andriamanitra. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manao tatitra momba ny fiomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana. Ifanakalozy hevitra ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra .

  • Ao amin’ny sekoly na fiarahamonina misy anao, manao ahoana ny hatetiky ny fahitan’ny olona ny porofon’ny fisian’ Andriamanitra eo amin’ny tontolo manodidina azy ireo (ohatra, rehefa mijery fodian’ny masoandro na mijery ny kintana)?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mijery zavatra mitovy ny olona saingy samy manana ny tsoa-keviny momba an’ Andriamanitra?

  • Inona no mety hitaona ny fahaizan’ny olona iray mamantatra ny fandraisan’ Andriamanitra anjara eo amin’ny fiainany?

Saintsaino ny mety hitahiana anao raha afaka mahita mazava kokoa an’ Andriamanitra sy ny fandraisany anjara eo amin’ny fiainanao ianao. Rehefa mandalina ianao androany dia katsaho ny hampitombo ny fahafahanao mahita porofo fa misy Andriamanitra amin’ny zavatra hitanao sy iainanao.

Niampanga mpitarika tao amin’ny Fiangonana i Kôrihôra

I Kôrihôra izay antikristy dia nahomby be tamin’ny fanaparitahana ny hafany manasohaso tany amin’ny tanin’i Zarahemlà (jereo ny Almà 30:12, 17–18). Niezaka nampianatra ny olona tany Jersôna sy Gideôna koa izy. Ny mpino an’ Andriamanitra tany dia nanohitra an’i Kôrihôra ka nitondra azy hijery ny lohan’ny mpitsara sy i Almà, ilay mpisorona avo.

Vakio ny Almà 30:30–36 hitadiavana ny zavatra navalin’i Almà tamin’ireo famelezana an’ Andriamanitra sy ny Fiangonana nataon’i Kôrihôra.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny famaritana ireto teny manaraka ireto ao amin’ny soratra masin’izy ireo mba hanampiana azy ireo hahatakatra sy hitadidy ny zavatra ianaran’izy ireo.

Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe fanevatevana ao amin’ny andininy 30 dia midika ho fanesoana na fitenenana “momba an’ Andriamanitra na ny zava-masina tsy am-piheverana na am-panajana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanevatevana, Manevateva,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ny teny hoe mampibosibosika ao amin’ireo andininy ireo dia midika hoe mampanankarena tena amin’ny.

  • Inona no niampangan’i Kôrihôra ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana ho nataon’izy ireo? (Jereo ny Almà 30:31.)

Ny fijoroan’i Almà ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra

Rehefa nanontanian’i Almà raha mino an’ Andriamanitra i Kôrihôra, dia nilaza i Kôrihôra fa tsy mino izy (jereo ny Almà 30:37–38).

Vakio ny Almà 30:39–44 hitadiavana ny fomba namalian’i Almà an’i Kôrihôra.

  • Inona no avy ireo zavatra nisarika ny sainao avy amin’ny valintenin’i Almà?

  • Inona avy ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra azonao fantarina ao amin’ny Almà 30:41, 44?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hampifandray ireo andininy ireo amin’ny Mosesy 6:63. Avelao hizara izay fahamarinana rehetra tsapan’izy ireo fa ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra. Mety hahita fahamarinana toy ity ohatra manaraka ity izy ireo.

Fahamarinana iray mety ho azontsika ianarana ny hoe ny zava-drehetra dia mijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra.

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny porofo fa misy Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mitadiava fomba hampandraisana anjara ny mpianatra rehetra ao amin’ny kilasy. Hevero ny hanao lisitra ny valintenin’ny mpianatra ho an’ny dingana 1 sy 2 eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manoratra zavatra iray ho an’ny dingana 3 sy 4 ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ary avy eo manolo-tena hizara. Mety tsy hahafantatra ny zavatra niainany ny mpianatra sasany raha tsy efa maheno ny hafa mizara.

  1. Ataovy lisitra ny zavatra nolazain’i Almà fa manome porofon’ny fisian’ Andriamanitra.

  2. Ampidiro izay porofo fanampiny azonao eritreretina rehetra.

  3. Mitadiava singa ao amin’ny lisitra nataonao izay nanampy anao manokana hahita porofo fa misy Andriamanitra. Mety ho afaka manoratra antsipiriany sasantsasany avy amin’ny zavatra niainanao ianao.

  4. Azonao atao ihany koa ny misafidy singa iray na mihoatra ao amin’ny lisitra nataonao ka mizara ny mety hanampian’izany anao hampitombo ny fahafahanao mahita porofo fa misy Andriamanitra.

Ity teny nambara manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra izay mety sahirana amin’ny famantarana zavatra iainana miaraka amin’ Andriamanitra. Hevero ny hizara izany sy hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra ianaran’izy ireo. Ampio hiala amin’ny fahatsapana ho kivy ny mpianatra ary asao hanaraka ny fanasan’ny Filoha Nelson izy ireo.

Ny Filoha Russel M. Nelson dia nanome ity torohevitra manaraka momba ny fahalalana fa misy Andriamanitra ity.

Fantaro fa raha vao tsy misy ny zavatra iainana miaraka amin’ Andriamanitra dia afaka miahiahy ny amin’ny fisian’ Andriamanitra ny olona iray. Koa ataovy izay ahafahanareo manomboka miaina zavatra miaraka Aminy. Manetre tena. Mivavaha mba hananana maso mahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo ary eo amin’ny tontolo manodidina anareo. Angataho Izy mba hilaza aminao raha toa ka tena eo marina Izy, raha toa ka mahafantatra anao Izy. Anontanio Azy ny fahitany anao. Ary avy eo dia mihainoa. (Russell M. Nelson, “Avia, manaraha Ahy,” Liahona, mey 2019, 90)

Tsy ny fampiharana finoana mba hiainana zavatra miaraka amin’ Andriamanitra no nataon’i Kôrihôra fa ny tiany dia ny handresen’i Almà lahatra azy momba ny herin’ Andriamanitra ary nihantsy azy imbetsaka mba haneho famantarana aminy (jereo ny Almà 30:43, 45, 48).

  • Inona araka ny eritreritrao no tsy mampitovy ny olona iray manaraka ny fanasan’ny Filoha Nelson sy ny olona iray mitaky famantarana?

Vakio ny Almà 30:48–53, 59–60 hitadiavana ny fomba nahatongavan’i Kôrihôra ho resy lahatra tamin’ny herin’ Andriamanitra.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Kôrihôra?

Diniho ny lesona nasongadin’i Môrmôna tamin’ny andian-teny hoe “toy izany no ahitantsika” ao amin’ny andininy 60. Eritrereto ny fomba mbola amitahan’ny devoly ny olona ankehitriny sy iezahany mandresy lahatra azy ireo handà izay zavatra fantatr’izy ireo fa marina.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fisian’ Andriamanitra ary asao hiezaka hahita an’ Andriamanitra eo amin’ny tontolo manodidina azy ireo ny mpianatra.

Hamoaka printy