Seminera
Almà 31:12–38: Ny fitsaohantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy


“Almà 31:12–38: Ny fitsaohantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 31:12–38,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 31:12–38

Ny fitsaohantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy

Sary
zatovovavy iray mivavaka

Ny fitsaohana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy dia natao hitondra antsika hanakaiky kokoa Azy Ireo. Saingy inona no miseho raha hadinontsika ny tena antony itsaohana? Ny Zôramita izay mpikambana teo aloha tao amin’ny Fiangonana marin’ Andriamanitra dia nanomboka nino fampianaran-diso. Ny fomba fitsaohana diso teo anivon’izy ireo dia nampiala ny fon’izy ireo tamin’ Andriamanitra ary nahatonga azy ireo hitsara tsy ara-drariny sy hifampitondra amin’ny fomba tsy araka ny tokony ho izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanatsara ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa manombana ny fiantraikan’ny avonavona sy fanetrentena eo amin’ny fifandraisanao amin’Izy Ireo sy amin’ny hafa ianao.

Mampitaha sy mampifanohitra. Ao amin’ny soratra masina, matetika ny fotopampianarana na fitsipika iray no voazava amin’ny alalan’ny fampitahana na fampifanoherana azy amin’ny zavatra hafa. Ny fandinihana ireo fitoviana sy ireo fahasamihafana eo amin’ireo fampianarana,na ny olona, na ireo zava-niseho dia afaka manazava lalina kokoa fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Miezaha manasongadina ohatra rehefa mampiditra fampitahana toy izany ny mpanoratra izay nentanim-panahy.

Fanomanana ny mpianatra: Mba hiomanana amin’ny fandalinana ny Almà 31, dia asao ny mpianatra hivavaka ka hifantoka amin’ny zavatra ilain’ny hafa.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Manombana ny vokatry ny fitsaohantsika

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fitsaohana ho fomba iray anehoana fitiavana sy fanolorantena ho an’ Andriamanitra, dia hevero ny hampiseho ireto sary manaraka ireto na sary hafa izay safidinao. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny mety ho fiantraikan’ny fitsaohana tamin’ny alalan’ireo fomba ireo teo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ Andriamanitra.

Sary
andian-jatovo eo ivelan’ny tempoly
Sary
zatovolahy mizara ny fanasan’ny Tompo
Sary
zatovovavy iray mivavaka
Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Azo atao ny mangataka ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny eritreritra rehetra momba ny fanatsarana ny fifandraisan’izy ireo manokana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsaohana. Aza asaina mizara ny valintenin’izy ireo ny mpianatra.

  • Impiry ianao no mahatsapa fa miezaka amin-kitsimpo maneho ny fitiavanao an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsaohanao?

  • Amin’ny lafiny inona, raha misy, no ahatsapanao hoe mety tsy dia amin-kitsimpo loatra na mifantoka amin-javatra tsy izy ny fitsaohanao?

Ny Zôramita dia nitsaoka tao amin’ny Rameomtôma

Rehefa hitan’i Almà sy ny rahalahiny fa namilivily ny lalan’ny Tompo ny Zôramita, dia nandeha nankany Antiônôma izy ireo. Tany no nahitan’izy ireo ny Zôramita nitsaoka tamina fomba mbola tsy hitan’izy ireo hatramin’izay (jereo ny Almà 31:12).

Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity sy hanasa ny mpianatra hanazava ny zavatra nataon’ny olona. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Almà 31:21 mba hahitana ny anaran’ilay fijoroana nivavahan’izy ireo.

Sary
ny Zôramita nivavaka teo amin’ny Rameomtôma

Ampio ny mpianatra hampivelatra ilay fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina dia ny mampitaha sy mampifanohitra izany. Azo atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona sy manasa azy ireo hanao fampitahana ny vavaky ny Zôramita sy ny vavaka natolotr’i Almà. Azonao atao ny manao tabilao toy ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy manasa ny mpianatra hanoratra ny zavatra hitan’izy ireo mandritra ny lesona. Ampio izy ireo hanao fampitahana ny (1) zavatra ifantohan’ilay vavaka, (2) ny zavatra voalaza, ary (3) ny antony.

Ny vavaky ny Zôramita

Ny vavak’i Almà

Vakio ny Almà 31:13–23, ary fenoy amin’ny zavatra nanaitra anao momba ny fomba nitsaohan’ny Zôramita ny tsanganana havia amin’ilay tabilao. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Alma et ses frères prêchent la parole de Dieu parmi les Zoramites” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:22 hatramin’ny 3:58, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no tsikaritrao momba ny fomba nitsaohan’ny Zôramita? Inona araka ny eritreritrao no fiantraikan’izany tamin’ny fifandraisan’izy ireo tamin’ Andriamanitra?

Nivavaka ho an’ny Zôramita i Almà

Sary
Nivavaka ho an’ny Zôramita i Almà

Rehefa nahita ny zavatra tsy mety teo anivon’ny Zôramita i Almà, dia nivavaka ho azy ireo.

Vakio ny Almà 31:24–38 hitadiavana ny zavatra nifantohan’i Almà, ny zavatra tsapany, ary ny faniriany tao anatin’ny vavaka nataony. Fenoy miainga amin’ny zavatra hitanao ny tsanganana havanana amin’ilay tabilao. Izany dia afaka manampy anao hampifanohitra ny vavak’i Almà amin’ny vavaky ny Zôramita.

Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Alma et ses frères prêchent la parole de Dieu parmi les Zoramites” manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:03 hatramin’ny 5:55, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’io ampahany amin’ilay horonan-tsary io dia haheno ny vavak’i Almà ianao eo am-pahitana ny ezaka nataon’i Almà sy ny namany mba hampianatra ny Zôramita.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hampiasa ilay tabilao mba hizarana ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny fampifanoherana ny vavak’i Almà amin’ny an’ny Zôramita.

Azonao atao ny manomana ny mpianatra hianatra avy amin’ity teny nataon’ny Filoha Uchtdorf manaraka ity amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Inona no fiantraikan’ny avonavona tamin’ny Zôramita?” sy ny hoe “Inona no zavatra nampiavaka ny fihetsika nasehon’i Almà?”

Nampianatra izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

Rehefa rakotry ny fieboeboana ny fontsika dia manao fahotana goavana isika, satria mandika ilay didy roa lehibe isika. Raha tokony hitsaoka an’ Andriamanitra sy hitia ny hafa isika dia mamoaka fa ny tena tanjontsika mazava dia ny hitsaoka sy hitia—ny endrika hitantsika momba antsika eo amin’ny fitaratra. Ota lehiben’ny fanambonian-tena ny fieboeboana. Toy ny Rameomtôma manokana izany, ho an’ny maro, izay toerana masina hanamarin-tena amin’ny fitsiriritana, fahalianan-karena ary fieboeboana. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fieboeboana sy ny fisoronana,” Liahona, nôv. 2010, 56)

Vakio ny Almà 32:1–5 hitadiavana ny fomba nitondran’ny Zôramita olona.

  • Ahoana no fomba nitondran’ny Zôramita ny hafa?

  • Ahoana no fahatsapan’i Almà momba ny hafa sy ny fomba nitondrany azy ireo? (jereo ny Almà 31:1–2, 24–25, 34–35).

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana momba ny vokatry ny avonavona na ny fanetrentena?

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe misy fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny hafa ny avonavona na ny fanetrentenantsika.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny avonavona na ny fanetrentenantsika hisy fiantraikany amin’ny fomba fitsaohantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana araka any eritreritrao no misy fiantraikany amin’ny fomba itondrantsika ny hafa ny avonavontsika na ny fanetrentenantsika?

  • Inona no ianaranao avy amin’i Almà momba ny fanetrentena? Inona no nampianarin’i Jesoa Kristy anao momba ny fanetrentena?

Misafidiana fomba roa na telo mety ho azontsika anehoana fanetrentena amin’ny fomba itsaohantsika an’ Andriamanitra. Soraty tsirairay ao amin’ny diary fandalinanao izany.

Asao hisaintsaina ity manaraka ity ny mpianatra. Mety ho azonao atao ny mamporisika azy ireo hanoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo na hampiditra fanamarihana ao amin’ny soratra masina amin’ny endrika nomerikan’izy ireo.

Makà fotoana hanombanana ny fomba itsaohanao manokana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ary ny fiantraikan’ny fitsaohanao eo amin’ny fifandraisanao amin’Izy Ireo. Saintsaino ihany koa ny fiantraikan’ny avonavona sy ny fanetrentena amin’ny fomba itondranao ny hafa. Manapaha hevitra raha misy fanovana tianao hatao.

Hevero ny hizara fijoroana ho vavolombelona momba ny fiantraikan’ny fitsaohanao tamin’ny fahatsapanao momba an’ Andriamanitra sy ny fomba itondranao ny hafa.

Hamoaka printy