Seminera
Almà 30:1–29: Nampaniasia ny maro hiala tamin’ny Mpamonjy ny fampianaran’i Kôrihôra


“Almà 30:1–29: Nampaniasia ny maro hiala tamin’ny Mpamonjy ny fampianaran’i Kôrihôra,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 30:1–29,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 30:1–29

Nampaniasia ny maro hiala tamin’ny Mpamonjy ny fampianaran’i Kôrihôra

Sary
Nampaniasia ny olona i Kôrihôra

Tonga tany amin’ny Nefita ny lehilahy ratsy fanahy iray nantsoina hoe Kôrihôra. Nitory nanohitra ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy izy ary nampaniasia ny fon’ny olona maro hiala amin’ Andriamanitra. Amin’izao androntsika izao dia misy feo maro izay mikatsaka ny hampaniasia antsika hiala amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahafantatra sy handà ireo fampianaran-diso izay mety hitarika anao hiala amin’i Jesoa Kristy.

Manomana ny tenanao ho fitaovan’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mpampianatra tena izy sy loharano marin’ny fiovam-po ho anao sy ny mpianatrao. Asao ny Fanahy hampianatra sy hanova fo amin’ny alalan’ny fananana fiainana izay mihazona ny fanananao azy ho namana eo amin’ny fiainanao. Rehefa manao izany ianao, dia afaka mandray ny fitarihany sy manampy ny mpianatra hanasa Azy ho ao anatin’ny traikefa amin’ny fianaran’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny miresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny fomba ahafantarana ireo fampianaran-diso.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny famitahan’i Satana

Atombohy amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny maka-feke na karazana fandrika iray hafa natao hamitahana sy hamandrihana ny lesona.

Ny maka-feke dia fanjonoana horita. Ny fanjonoana horita dia natao hitovitovy amina sakafo tena izy izay tsy havelan’ny horita raha vao voarainy. Rehefa mitranga izany, dia azon’ny mpanjono atsipy mora foana ho ao amin’ny sambony ilay horita.

Sary
maka-feke

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampiasa ny ohatra momba ny maka-feke mba hampianarana ny fomba fiasan’i Satana.

Ankehitriny isika dia voahodidina maka-feke izay ahanton’ilay ratsy eo anoloantsika ary anandramany mba hisarihana antsika sy hamandrihana antsika avy eo. Raha vao voaray, ny maka-feke toy izany dia tena sarotra, ary indraindray tsy vita mihitsy, ny miala aminy. Mba hiarovantsika tena, dia tsy maintsy mahafantatra ny tanjom-pisian’izy ireny isika ary avy eo dia mihozongozona amin’ny fahavononantsika hisoroka azy ireny. (Thomas S. Monson, “True to the Faith,” Liahona, Mey 2006, 18)

  • Manao ahoana ny fahatokian-tenanao mahakasika ny fahaizanao mamantatra ny fampianaran-dison’i Satana izay mety “hisarika” sy “hamandrika” anao?

Misoroka ireo zavatra izay hampiala antsika amin’ny Mpamonjy

Taorian’ny ady lehibe teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita dia tafatoetra teo amin’ny tany ny fandriampahalemana. Teo ho eo amin’ny roa taona taty aoriana, nanomboka nitory teo amin’ny olona tany Zarahemlà ny lehilahy iray nantsoina hoe Kôrihôra. Nolazain’i Satana an’i Kôrihôra ny zavatra holazaina (jereo ny Almà 30:53). Rehefa mandalina ianao androany dia diniho ny fomba nampiasan’i Kôrihôra ny teniny sy ireo fampianaran-disony ho toy ny maka-feke hamandrihana olona.

Vakio ny Almà 30:6, 12 hitadiavana teny sy andian-teny izay mamaritra ilay hafatra sy iraka nataon’i Kôrihôra.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “antikristy” izy? (Almà 30:6).

Ny teny hoe antikristy dia ilazana “rehefa mety ho olona na zavatra izay misandoka ny drafitry ny famonjen’ny filazantsara marina ary manohitra an-kitsirano na mangingina an’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikristy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Kôrihôra ny hoe i Satana dia mampiasa fampianaran-diso mba hampiala antsika amin’i Jesoa Kristy.

Ny fampianarana antikristy nataon’i Kôrihôra

Vakio ny Almà 30:12–18 hitadiavana ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra. Hevero ny hanisy marika ireo fampianaran’i Kôrihôra amin’ny fomba izay hanokanana azy ireo (ohatra, amina loko na mari-pamantarana miavaka) na hevero ny hanoratra azy ireo ao amin’ny diary fandalinanao.

  • Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hitanisa ireo fampianaran’i Kôrihôra eny amin’ny solaitrabe. Ankasitraho ny asan’izy ireo tamin’ny fitadiavana valiny. Raha ilaina, azonao atao ny misarika ny sain’izy ireo amin’ity zavatra manaraka ity:

  • “Fa tsy misy olona mety hahalala ny amin’ny zavatra izay ho avy” (andininy 13)

  • “faminaniana … dia fomba adaladalan’ny razanareo” (andininy 14)

  • “tsy azonareo fantarina ny amin’ny zavatra izay tsy hitanareo” (andininy 15)

  • “tsy azonareo fantarina fa hisy i Kristy” (andininy 15)

  • “izany dia vokatry ny saina mirediredy” (andininy 16)

  • “tsy mety hisy ny sorompanavotana natao ho an’ny fahotan’ny olona,” (andininy 17)

  • “ny olona tsirairay kosa dia nandia izao fiainana izao arakaraka ny nitondrany ny tenany” (andininy 17)

  • “na inona na inona nataon’ny olona iray dia tsy heloka” (andininy 17)

  • “rehefa maty ny olona iray, dia izay no vita ny aminy” (andininy 18)

Azon’ny mpianatra atao ny mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto tsiroaroa na anatina vondrona kely, ka jerena ao anatin’izany ireo fampianaran’i Kôrihôra voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Azo atao ny manome fampianaran-diso samy hafa hohadihadian’ny vondrona mpianatra samy hafa, ary avy eo dia azon’izy ireo atao ny mizara ny valintenin’izy ireo amin’ny hafa.

  • Ahoana no mety hilazanao amin’ny fomba hafa ny fampianaran’i Kôrihôra amin’ny alalan’ny fampiasana fiteny mahazatra kokoa amin’izao androntsika izao?

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana mari-drefy 1 hatramin’ny 10 (ka ny 10 no matanjaka indrindra), ahoana no fahitanao ny tanjaky ny firoboroboan’ny fampianaran’i Kôrihôra ankehitriny?

  • Inona amin’ireo fampianarana ireo no hitarika ny olona hiala amin’i Jesoa Kristy? Nahoana izy ireo no hevitra mampidi-doza?

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy ary saintsaino ny fiantraikan’ny fampianaran’i Kôrihôra eo amin’ny fiainanao. Mihevera fomba mety hisian’ny iray amin’ireo fampianaran-diso ireo fiantraikany eo aminao manokana.

Niresaka momba an’i Kôrihôra sy ny fampianarany ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mety ho azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Ilay fanomezana masin’ ny fibebahana” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:08 hatramin’ny 2:40, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

[Ny olona toa an’i] Kôrihôra … dia mandà ny fisian’i Kristy mihitsy ary milaza fa tsy misy izany ota izany. Ny fotopampianaran’ izy ireo dia mampitovy lenta ireo soatoavina, ireo fitsipika ary hatramin’ny fahamarinana mihitsy aza. Hany ka rehefa mahatsapa ny olona iray fa mety ny ataony dia tsy azon’ ny olona hafa tsaraina izy hoe nanao hadisoana na nanota.

Amin’ ny voalohany dia toa mahasarika tokoa ny foto-pisainana toy izany satria manome antsika fahalalahana hahazo fy amin’izay zavatra irintsika ary tsy miraharaha izay ho vokany isika. (D. Todd Christofferson, “Ilay fanomezana masin’ ny fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 38)

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety hitarihan’ireo fampianarana ireo ny olona hanota? (Jereo ny andininy 18.)

Vakio ny Almà 30:19–21 hitadiavana ny fihetsika navalin’ny vahoakan’i Jersôna sy i Gideôna ny fampianaran’i Kôrihôra.

Nahoana araka ny eritreritrao no “hendry kokoa” (Almà 30:20) noho ny an’ny vahoakan’i Zarahemlà ny fihetsika navalin’izy ireo? (jereo ny Almà 30:18).

Amporisiho hamaly ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra maromaro. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe na amina taratasy izay alefa miampitapita eny amin’ny mpianatra. Ny fifanakalozan-kevitra dia mety hahitana ny fomba ahafahan’ny fanaovana asamanokana feno fahamarinana sy ny fanesorana ny hery mitarika amin’ny ratsy manampy azy ireo ho “hendry kokoa.” Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny mijery nytambajotran-tserasera, mozika, ary horonan-tsary izay jifain’izy ireo tsy tapaka ka hanala izay rehetra mety hamparefo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hanafintohina ny Fanahy Masina.

  • Ahoana no ahafahantsika ho “hendry kokoa” sy handà ny hafatry ny antikristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalanao ny Mpamonjy sy ny fifandraisanao Aminy hisy fiantraikany eo amin’izay fitaoman’ireo fampianarana antikristy ireo anao?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara fijoroana ho vavolombelona na fahamarinana mandrakizay momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo hizara soratra masina na fampianaran’ny Mpamonjy izay manohitra ny hevi-dison’i Kôrihôra. Ny ohatra amin’izany dia ahitana ny Jakoba 7:11–12; Almà 32:21; Môrmôna 7:3, 5–7.

Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao tamin’ny fandalinanao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hifantoka amin’i Jesoa Kristy sy handà ny fampianarana izay hitarika anao hiala Aminy.

Hamoaka printy