Seminera
Almà 32–35: Topimaso ankapobeny


“Almà 32–35: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 32–35,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 32–35

Topimaso ankapobeny

Rehefa nampianatra ny Zôramita i Almà, dia nampitahainy tamin’ny voa azontsika ambolena ao am-pontsika izay afaka ny ho tonga “hazo maniry hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” ny tenin’ Andriamanitra (Almà 32:41). Nanontany azy ny fomba “tokony hanombohan’izy ireo mba hampihatra ny finoany” ny mahantra teo anivon’ny Zôramita (Almà 33:1), ka nampianariny izy ireo fa afaka mivavaka sy mitsaoka any amin’ny toerana rehetra izy ireo. Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy sy i Amioleka, ary i Amioleka dia nampianatra fa ny olona rehetra dia mafy fo sy lavo ary very raha tsy eo ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataon’i Kristy. Niangavy ny Zôramita i Amioleka mba tsy hanemotra ny fibebahan’izy ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 32

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hamboly ny tenin’ Andriamanitra ao am-pon’izy ireo sy hikolokolo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba izany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray akaiky azy ireo izay manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny zavatra nanampy azy handray na hampatanjaka izany.

  • Votoatin-javatra haseho: Ireo teny nambara miisa telo izay misy banga any amin’ny fanombohan’ny lesona

  • Taratasy zaraina: “Mamboly sy mikolokolo ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika”

  • Sary: Ny dingam-pitomboan’ny hazo iray

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa avy mamaky ny Almà 32:28 ny mpianatra, dia avelao hijery anao mamboly voa maro ao anatina tavy misy tany maina izy ireo. Avy eo rehefa mamaky ny andininy 37–43 ny mpianatra, dia asao hitanisa zavatra izay hanampy ireo voa ireo hitombo izy ireo. Mba hanombohana ny lesona tsirairay atao amin’ny alalan’ny vidéoconférence ao anatin’ny herinandro vitsivitsy manaraka, dia manasà mpianatra roa na telo hizara fohifohy ny zavatra izay nataon’izy ireo vao haingana mba hikolokoloana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny tenin’ Andriamanitra. Rehefa mizara ny mpianatra tsirairay, dia manaova zavatra izay hanampy amin’ny fikolokoloana ny voa nambolenao, toy ny fanisiana rano kely na famindrana ilay tavy ho amina toerana misy hazavana kokoa.

Almà 33

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ireo dingana azon’izy ireo atao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy misimisy kokoa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 33 any an-trano ny mpianatra ary hisafidy andininy iray na andian’andininy tian’izy ireo hotakarina misimisy kokoa.

  • Votoatiny haseho: Ny safidy telo amin’ny fanomanana ny lesona, na aseho na adika eny amin’ny solaitrabe

  • Taratasy zaraina:Hevitra amin’ny fanomanana ny lesona

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Asao hamono ny feo sy ny fakan-tsarin’izy ireo ny mpianatra rehefa manomana ny leson’izy ireo. Aorian’ny fotoana voatondro, dia angataho izy ireo hamelona indray ny fakan-tsary sy ny feo ary apetraho ao amina salles de discussion izy ireo. Manasà mpianatra vonona iray na roa isaky ny salle de discussion hampianatra ny leson’izy ireo.

Almà 34:1–17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mitahy azy ireo amin’ny alalan’ny sorompanavotany tsy misy fetra sy mandrakizay.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hitady sy handalina soratra masina izay manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo mpianatra ireo. Mety ho loharano hanampy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  • Sary: I Jesoa Kristy tao Getsemane

  • Votoatin-javatra haseho: Kisary momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hanamboatra ilay sahanasa fandalinana any amin’ny fiafaran’ny lesona mba hampidirana soratra masina samihafa na teny nambaran’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana vao haingana.

Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 34:9–10, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fampiasana io andinin-tsoratra masina io.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Almà 34:9–10 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy ny olona izay mahatsapa fa tsy afaka ny hahazo famelana ny fahotany izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Mandritra ny sahanasa fampiharana hanazaran-tena, hevero ny hizara ny mpianatra ho ao anatina salles de discussion miisa telo ary hampiandraikitra ny vondrona tsirairay ny fifantohana amin’ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Azon’ny mpianatra avy amin’ny vondrona tsirairay atao ny mitanisa ny fomba rehetra heverin’izy ireo fa afaka manampy an’i Olive amin’ny toe-javatra misy azy. Avy eo dia manasà mpikambana ao amin’ny vondrona tsirairay hanao tatitra amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra.

Almà 34:17–41

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 34:32 ny mpianatra ary hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny torohevitra ao amin’ilay andininy. Azon’izy ireo atao ny manoratra ny sasany amin’ny fomba hiomanan’izy ireo hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fanovana azon’izy ireo atao izay hanampy azy ireo vonona tsara kokoa.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa mamantatra fitsipika avy ao amin’ny Almà 34:17–41 ny mpianatra, dia hevero ny hampiasa ny solaitrabe amin’ny endrika nomerika mba hamelana azy ireo hanoratra ny fitsipika hitan’izy ireo.

Hamoaka printy