Seminera
Almà 34:17–41: Izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra


“Almà 34:17–41: Izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 34:17–41,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 34:17–41

Izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra

Sary
fandrefy fotoana

Efa nanontany tena ve ianao hoe hanao ahoana izany mihaona amin’ny Ray any An-danitra aorian’ity fiainana ity izany? I Amioleka dia nampahatsiahy ny Zôramita fa “izao fiainana izao no fotoana … hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra” (Almà 34:32) ary niangavy azy ireo mba tsy hanemotra ny andron’ny fibebahan’izy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao amin’ny ezaka ataonao hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra.

Ampio ny mpianatra mba hahita ny fomba ampitodihan’ny fitsipiky ny filazantsara azy ireo any amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mampianatra fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny filazantsara, dia ampifandraiso amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo fahamarinana ireo. Manomeza ohatra amin’ny fomba ahafahan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara manampy ny mpianatra hahazo ny herin’ny Mpamonjy sy ny famindram-pony ary ny fahasoavany. Amporisiho izy ireo hanao asa amim-pinoana sy hisafidy ny hiaina ireo fahamarinana ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 34:32 ny mpianatra ary hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny torohevitra ao amin’ilay andininy. Azon’izy ireo atao ny manoratra ny sasany amin’ny fomba hiomanan’izy ireo hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fanovana azon’izy ireo atao izay hanampy azy ireo ho vonona tsara kokoa.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny maha zava-dehibe ny fiomanana

Mieritrereta zavatra iray tsy maintsy nomaninao teo amin’ny fiainanao, toy ny fitsapam-pahaizana, na fampisehoana, na hetsika ara-panatanjahantena iray.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amina mpiara-mianatra iray miara-miasa aminy na ao anatina vondrona kely iray.

  • Inona ireo paikady sasantsasany nampiasainao mba hanampy anao ho vonona?

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany nahatonga na mety hahatonga ny fiomanana ho sarotra?

Ampahatsiahivo fa i Almà sy i Amioleka dia nitory tamina vondrona Zôramita izay noroahina niala tao amin’ny sinagôgan’izy ireo noho ny fahantran’izy ireo. Ireo Zôramita ireo dia tsy nino an’i Jesoa Kristy tany aloha (jereo ny Almà 31:16), koa namporisika azy ireo hanisy toerana ao am-pon’izy ireo mba hanirian’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy i Almà sy i Amioleka (jereo ny Almà 32:27–28; 34:4–6). Teo am-pampianarana ireo olona ireo, i Amioleka dia nizara zavatra iray izay tokony hiomanantsika rehetra.

Vakio ny Almà 34:32, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Amioleka.

Azonao atao ny manoratra ity teny nambara natao sora-matevina manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Amporisiho ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny ao amin’io fahamarinana io ao amin’ny andininy 32.

Ianarantsika avy amin’ireo fampianaran’i Amioleka fa izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra.

  • Inona avy ireo toe-tsaina sy fitondrantena andrasanao amin’ny olona iray izay miomana hihaona amin’ Andriamanitra?

Omeo fotoana hanombanan’izy ireo ny tenan’izy ireo amin’ny alalan’ny fandinihana ireto hevitra manaraka ireto ny mpianatra. Tsy ny fizaran’ny mpianatra ny eritreritr’izy ireo no tanjona.

Makà fotoana hisaintsainana ny fahatsapanao momba ny fiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra. Diniho raha miezaka amim-pahamendrehana ny hiverina eo anatrehany ianao ary diniho ny zavatra mety hanelingelina anao amin’izany tanjona izany. Rehefa manohy mandalina ianao, dia mieritrereta fomba ahafahanao mampihatra ireo fampianarana ao amin’ny Almà 34 mba hanampy anao ho vonona tsara kokoa hihaona amin’ Andriamanitra.

Fomba ahafahantsika miomana hihaona amin’ Andriamanitra

Maro amin’ireo fampianaran’i Amioleka ao amin’ny Almà 34 no manampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahantsika miomana hihaona amin’ Andriamanitra.

Asao handalina ireto andininy manaraka ireto ny mpianatra, ka hitady ireo fampianarana izay afaka manampy antsika hiomana hihaona amin’ Andriamanitra. Zarao ho vondrona kely ny mpianatra ary ampiandraiketo andininy manokana hiaraha-mandalina ny vondrona tsirairay. Ohatra, ny vondrona iray dia afaka mandalina ny andininy 17–27, ny iray hafa afaka mandalina ny 28–34, ary ny iray hafa afaka mandalina ny 37–41.

Ifanakalozy hevitra amin’ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo rehefa nandalina ireo andininy ireo izy ireo. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io.

  • Inona no nampianarin’i Amioleka ao amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy anao hiomana hihaona amin’ Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ireo fampianarana ireo manampy antsika ho lasa vonona kokoa hiverina amim-pahamendrehana eo anatrehan’ Andriamanitra?

  • Inona no nianaranao momba ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanirian’izy ireo avy amin’ireo andininy nohalalininao?

Ao anatin’ny ohatra amin’ny valinteny mety homen’ny mpianatra an’ilay fanontaniana tetsy aloha ny hoe azo hatonina Andriamanitra, na aiza na aiza misy antsika na na inona na inona tiantsika hangatahina (jereo ny andininy 17–27). Mety ho asongadina ihany koa ny hafainganan’ny fitahian’ny Mpamonjy antsika rehefa mibebaka isika (jereo ny andininy 31).

Aza ahemotra ny fibebahanao

Jereo ny teny nambaran’i Amioleka ao amin’ny andininy 33: “Aza ahemotra hatramin’ny farany ny andron’ny fibebahanareo.” Hevero ny hanisy marika io andian-teny io ao amin’ny soratra masinao.

  • Nahoana no mety halaim-panahy hanemotra ny fibebahana ny olona sasany?

Vakio ny Almà 34:33–35 hitadiavana ny antony namporisihan’i Amioleka ny mba tsy hanemorantsika ny fibebahantsika.

Mety hanampy raha asaina mijery fanontaniana na ahiahy mety hananan’ny olona iray rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ny mpianatra. Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Rehefa mandalina ireto loharano manaraka ireto ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny mijery fampianarana izay manampy amin’ny famahana ireo fanontaniana na ahiahy ireo.

Ampianarina isika fa ny fibebahana dia afaka mitranga any amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:31, 33, 58). Saingy ny mpaminanin’ny soratra masina sy ny andro farany dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fibebahantsika mandritra ny fiainana an-tany. Ny Loholona Melvin J. Ballard [1873–1939] tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ity tari-dalana ity:

Mora lavitra ny mandresy sy manompo ny Tompo rehefa mbola mitambatra ho iray ny nofo sy ny fanahy. Izao no fotoana ananan’ny olombelona toetra mora ifandaminana sy mahay mandray. … Eto amin’ity fiainana ity no fotoana hibebahana. (Melvin J. Ballard: Crusader for Righteousness (1966), 212–13; nindramina ho ao amin’ny Dallin H. Oaks, “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana,” Liahona, mey 2019, 94)

  • Inona no anampian’ny andininy 33–35 sy io teny nambara io anao hahatakaranao ny momba ny antony tsy tokony hanemorantsika ny fibebahantsika?

Ny fibebahana dia ampahany tena ilaina amin’ny fiomanana hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra. Tsarovy fa ny Tompo dia mamindra fo amim-pitiavana amin’ireo izay miezaka mibebaka, na dia misy fotoana aza sarotra ho azy ireo ny fandresena ny fahotana sasantsasany.

Nampianatrany Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Indraindray isika, mandritra ny fibebahantsika sy ny ezaka ataontsika isan’andro mba hitovy bebe kokoa amin’i Kristy, dia mahita fa sahirana miady foana amin’ireo zava-tsarotra izay miverimberina foana isika. …. Aza kivy. Raha miezaka mafy sy miasa mba hibebahana ianao, dia efa eo amin’ny dingan’ny fibebahana ianao. (Neil L. Andersen, “Repent …. That I May Heal You,” Liahona, Nov. 2009, 41)

Alohan’ny hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto, asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe manana namana iray izay tsy te hiditra amin’ny fibebahana izy ireo noho ny antony samihafa, toy ny fahamenarana na tsy fisian’ny faniriana hiova.

Mety hanampy raha alamin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny famaliana ireo fanontaniana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny eritreritr’izy ireo, alohan’ny hifanakalozan-kevitra momba ireo fanontaniana ireo miaraka amin’ny iray kilasy.

  • Inona no azonao zaraina avy amin’ireo fampianaran’i Amioleka ao amin’ny Almà 34:30–38 ka afaka manampy olona iray izay alaim-panahy hiandry any aoriana any eo amin’ny fiainana vao hibebaka na hiova?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ny fibebahana, na dia mety manana ny antony tsy hanaovany izany aza ity olona ity?

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka afaka mamporisika io olona io hibebaka tsy ho ela sy matetika?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany sy momba ny fanampiana azon’ny Mpamonjy omena ny mpianatra rehefa miezaka ny ho vonona kokoa hihaona amin’ Andriamanitra izy ireo.

Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany momba ny fiomanana hihaona amin’ Andriamanitra sy ny tsy fanemorana ny fibebahana. Eritrereto ireo andraikitra tianao horaisina noho ny zavatra nohalalininao androany. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao.

Hamoaka printy