Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10—“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”


“Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10—-Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Sary
I Kristy teo amin’ny hazofijaliana

Tao amin’ny lesona iray teo aloha, ianao dia nianatra momba ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 34:9–10, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fampiasana io andinin-tsoratra masina io.

Ampio hampihatra ny fampiasana “ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy” ny mpianatra. Miezaha manondro ny fitsipika amin’ny anarana mba ho fantatry ny mpianatra mora foana ny fotoana sy ny fomba hampiasana azy ireo ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny kilasy.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Almà 34:9–10 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy olona iray izay mahatsapa fa tsy afaka ny ho voavela heloka amin’ny fahotany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Almà 34:1–17,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Almà 34:9–10. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Efa tsikaritrao ve fa mety ho mora kokoa ny manakatra zavatra iray ao an-tsainao noho ny manazava izany amin’ny teny? Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanome anao fahafahana hanazava ny fotopampianarana avy amina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny alalan’ny teninao manokana.

Tamin’ny fandalinanao vao haingana ny Almà 34:9–10, dia nianaranao fa raha tsy misy ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy, dia ho very mandrakizay ny olombelona rehetra.

Omeo fahafahana ny mpianatra hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Almà 34:9–10 amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo manokana amin’ny alalan’ny fizarana ireto torolalana manaraka ireto.

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao dia manana fahafahana hanazava ny hevitry ny Almà 34:9–10 amin’ny olona iray izay tena kely no fantany momba an’i Jesoa Kristy. Makà fotoana hamerenana mijery ireo andininy ireo sy hanisiana marika na hanoratana ny teny na andian-teny tianao ho takatr’io olona io.

Rehefa nanana fotoana ampy hanomanana ny mpianatra, dia hevero ny hizarazara azy ireo ho tsiroaroa na ao anatina vondrona kely sy hanasa ny mpianatra tsirairay hanao fanazaran-tena hizara ny fanazavana avy amin’izy ireo.

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 34:9–10 dia ny hoe: “Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Ampio hanao tsianjery io toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja io ny mpianatra. Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Azon’ny mpianatra iray atao ny mamerina ny tapany voalohany amin’ilay andian-teny, ary avy eo ilay anankiray amin’izy roa dia afaka mamerina ilay tapany faharoa. Avy eo dia samy afaka miara-milaza ilay toko sy andininy izy anankiroa. Aorian’ny fanaovana izany imbetsaka dia azon’ny mpianatra atao ny mifamadika ka mamerina ny tapany hafa amin’ilay andian-teny.

Fampiharana hanazaran-tena

Alohan’ny hizarana ity rafi-tantara manaraka ity, hevero ny hangataka ny mpianatra hilaza ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tsy an-kijery. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fitsipika tsirairay rehefa milaza izany ny mpianatra. Hazavao fa hanana fahafahana hamerina hijery sy hizatra hampihatra ireo fitsipika ireo izy ireo mandritra ity lesona ity.

Avy eo dia asehoy ilay rafi-tantara na omeo tahadika hojerena ny mpianatra rehefa mamita ilay sahanasa.

Alaivo sary an-tsaina hoe angatahina hampianatra lesona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady misy anao ianao. Ao anatin’ny fiomananao, dia manatona zatovovavy iray ao amin’ny paroasinao antsoina hoe Olive ianao ary mangataka azy hizara ny eritreriny momba ny fomba nitahian’i Jesoa Kristy ny fiainany noho ny Sorompanavotany.

Mahagaga anao ny valintenin’i Olive. Hoy izy, “Tsoriko aminao fa ny Sorompanavotana araka ny eritreritro dia tena tsara ho an’ny ankamaroan’ny olona, saingy tsy azoko antoka intsony hoe manao ahoana ny fiantefan’izany amiko noho ny sasany amin’ireo fahadisoana nataoko sy tohizako atao. Misy fahotana sasany izay tsy fantatro raha ho vitako ny handresy azy.”

Rehefa manohy manomana ny lesona ianao, dia manohy mieritreritra momba an’i Olive ianao ary te hanampy azy. Hevero ny mety hahafahan’ny fampianarana ao amin’ny Almà 34:9–10 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy an’i Olive amin’ny ahiahiny.

Hevero ny hizarazara ny mpianatra ho vondrona kely ary hanome andraikitra ny vondrona tsirairay mba hifantoka amin’iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Azon’ny mpianatra atao ny manao lisitra eo amina taratasy na eny amin’ny solaitrabe ny fomba rehetra heverin’izy ireo fa afaka manampy an’i Olive amin’ny toe-javatra misy azy. Avy eo dia azo atao ny manasa ny mpianatra avy amin’ny vondrona tsirairay hanao tatitra amin’ny kilasy iray manontolo ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra.

Raha ilaina, ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo zaraina amin’ireo vondrona mba hampiasaina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo asa manokana mifono fahatokiana heverinao fa azon’i Olive atao ka afaka manampy azy?

  • Inona no azonao ampianarina an’i Olive momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ka mety ho afaka manampy azy hanao asa amim-pinoana? Ahoana no mety hahafahan’ireo fampianarana ao amin’ny Almà 34:9–10 manampy?

Mba hahitana hevitra hafa momba ny fomba ahafahan’i Olive manao asa amim-pinoana, dia azonao vakina ny andiam-pehezanteny 5–7 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Mamakafaka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny foto-kevitra na fanontaniana

Fomba iray hafa hampianarana io fizarana io ny manasa ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fiheveran-diso mety hananan’i Olive momba an’i Jesoa Kristy, ny Sorompanavotany, ary ny anjara asan’i Olive amin’ny fahazoana ny famindram-pon’ny Mpamonjy. Avy eo dia asao ny mpianatra hanampy an’i Olive hijery ny ahiahiny amin’ny fomba hafa, amin’ny alalan’ny fizarana fahamarinana takatr’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy, ny Sorompanavotany, ary ny anjara asantsika amin’ny fahazoana ny famindram-pon’ny Mpamonjy.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ho fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny ahiahy iray toy ny an’i Olive?

  • Nahoana no zava-dehibe amin’i Olive ny mahatsiaro fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia “tsisy fetra sady mandrakizay” (Almà 34:10)?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fahatsiarovana fa lavo sady very ny rehetra raha tsy misy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy azy hahita ny ahiahiny amin’ny fomba hafa?

Mba hahitana hevitra hafa amin’ny fomba ahafahan’i Olive mamakafaka foto-kevitra sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, dia azonao atao ny mamaky ny andiam-pehezanteny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no karazana loharano nofidin’ Andriamanitra hatoronao an’i Olive mba hanampiana azy handray fitarihana sy torolalana? Nahoana?

  • Ankoatra ny Almà 34:9–10, inona no soratra masina iray na fanambarana iray avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana azonao zaraina amin’i Olive? Ahoana no mety hahafahan’izany manampy azy?

Mba hahitana hevitra hafa momba ny fomba ahafahan’i Olive mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra, dia azonao vakina ny andiam-pehezanteny 11–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapan’izy ireo androany ka afaka mitahy ny fiainan’izy ireo na fiainan’ny olona fantatr’izy ireo. Amporisiho izy ireo hitady fahafahana mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny soratra masina amin’ny toe-javatra atrehin’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ao amin’ny lesona manaraka, ampio ny mpianatra hamerina hijery ny toko sy andininy sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 34:9–10: “Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Fomba iray azo anaovana izany ny manoratra ireo litera voalohany amin’ireo ny toko sy andininy sy andian-teny manan-danja eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny mpianatra hiezaka hitadidy ny teny mifandray amin’ny litera tsirairay. Mizàra manao izany imbetsaka mandra-pahavitan’ny mpianatra mamerina ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja tsy an-kijery.

Hamoaka printy