Seminera
Almà 34:1–17: Ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy


“Almà 34:1–17: Ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 34:1–17,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 34:1–17

Ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy

Sary
I Jesoa Kristy nivavaka tao amin’ny Sahan’i Getsemane

Efa noeritreretinao ve hoe hanao ahoana ny fiainanao raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany? Nampianatra ny Zôramita i Amioleka fa ny olona rehetra dia mafy fo, sy lavo, ary very raha tsy eo ny sorona tsisy fetra sady mandrakizain’ny Zanak’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mitahy anao amin’ny alalan’ny sorompanavotany tsisy fetra sady mandrakizay.

Miandrandrà zavatra lehibe. Rehefa fantatry ny mpianatra fa miandrandra zavatra lehibe avy amin’izy ireo amin’ny maha-mpianatra azy ireo ianao, dia hiezaka mafy hanatratra izany zavatra andrandraina izany izy ireo amin’ny ankapobeny. Mety hisy fotoana ho lasa variana amin’ny mpiara-mianatra na fitaovana elektrônika ny mpianatra sasany. Manomeza fanitsiana mifono hatsaram-panahy sy fitiavana tsy tapaka rehefa mitranga izany na ny fihetsika manelingelina hafa. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ny kilasy iray manontolo hahatakatra ny zavatra andrandrainao sy manome fahafahana misimisy kokoa mba hiainan’ny mpianatra zavatra manan-danja.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hitady sy handalina soratra masina izay manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo mpianatra ireo. Mety ho loharano ilaina ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Inona no zavatra hiova eo amin’ny fiainana?

Hevero ny hampiseho ity fanontaniana tsy feno manaraka ity. Asao hizara ohatra maneho zavatra mety hiova eo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra raha tsy eo ny olona na ny zavatra tena ianteheran’izy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ohatra, dia mitondrà zavatra vitsivitsy na sarin-javatra izay manan-danja aminao.

Inona no zavatra hiova eo amin’ny fiainana raha tsy eo …?

Mieritrereta fomba vitsivitsy ahafahanao mamaly io fanontaniana io amin’ny alalan’ny olona na zavatra ianteheranao. Ohatra, afaka mieritreritra ny zavatra hiova eo amin’ny fiainanao ianao raha tsy eo ny olona iray manokana, na ny teknôlôjia sasany na ny fitaovana ampiasainao matetika, na ny zavatra ankafizinao ny manao azy.

Rehefa avy mizara ny sasany amin’ny valintenin’izy ireo ny mpianatra, dia hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity sy hanamboatra ilay teny nambara teo aloha hilazana hoe: Inona no zavatra hiova eo amin’ny fiainana raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

Sary
I Kristy nivavaka tao Getsemane

Asao hisaintsaina ny fomba mety hamalian’izy ireo io fanontaniana io ny mpianatra ary hanao lisitra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo an’ireo zavatra hiova eo amin’ny fiainan’izy ireo raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Hanana fahafahana hizara ny valintenin’izy ireo mahakasika io fanontaniana io izy ireo ao aoriandriana ao amin’ny lesona.

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny Zôramita i Amioleka

Mety ho tadidinao fa i Almà sy i Amioleka dia nitory tamin’ny Zôramita izay nino fa “tsy hisy i Kristy” (Almà 31:16). Rehefa vitan’i Almà ny hafany voarakitra ao amin’ny Almà 32–33, dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany manokana momba ny Mpamonjy i Amioleka.

Vakio ny Almà 34:1–10 hitadiavana ny zavatra nozarain’i Amioleka momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Ny Almà 34:9–10 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hanao fanazaran-tena eo amin’ny fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra misy iray.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hitanao fa manan-danja indrindra? Nahoana?

  • Inona no nianaranao tamin’ireo andininy ireo momba ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy hanao sorona fanavotana ho antsika?

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampianaran’i Amioleka ao amin’ny Almà 34:8–10 mba hiendrika ho fanambaram-pahamarinana iray?

Mety nahita fahamarinana iray mitovitovy amin’ity manaraka ity ianao: Raha tsy nisy ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy, dia ho very mandrakizay ny olombelona rehetra.

  • Nahoana no “tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty” ny olombelona rehetra na hahatonga azy ho very mandrakizay raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

Hevero ny hangataka ny mpianatra hieritreritra ny sasany amin’ireo fomba mety hahavery ny tenan’izy ireo manokana raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana azy ireo handalina ny 2 Nefia 9:6–12 mba hitadiavana fampianarana izay milazalaza ny antony ilantsika Mpamonjy.

Tsisy fetra sady mandrakizay

Hevero ny hanisy marika ny teny hoe “tsisy fetra sady mandrakizay” any amin’ny faran’ny andininy 10 sy handika ity kisary manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao:

Hevero ny hanao ity kisary ity eny amin’ny solaitrabe mba hahafahan’ny mpianatra mandika izany.

Sary
ny teny hoe “ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” eo akaikin’ny zana-tsipika manondro ny teny hoe “tsisy fetra sady mandrakizay”
  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe tsisy fetra sady mandrakizay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Nizara izao hevi-baovao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Tsy misy fetra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotany. Tsisy fetra koa izany mba hahafahan’ny olona rehetra ho voavonjy amin’ilay fahafatesana tsy manam-piafarana. Tsisy fetra izany raha ny fijaliany lehibe no resahina. … Tsisy fetra izany raha eo amin’ny halehibeny—notanterahina indray mandeha ho an’ny rehetra izany. Ary tsy hoe mipaka hatrany amin’ny olona maro tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa mipaka ihany koa hatrany amin’ireo tontolo tsy tambo isaina izay nohariny. Izany dia tsisy fetra ary mihoatra izay mety ho mari-drefin’ny olombelona na ny fahatakaran’ny olombelona. (Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, Nov. 1996, 35)

  • Nanampy anao hianatra na hahatsapa inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony io teny nambaran’ny Filoha Nelson io?

Inona no ifandraisan’izany aminao?

Ao anatin’ity fanazavana manaraka ity, dia mety hanampy ny hizara ny teny nambaran’ny Loholona Michael John U. Teh ao amin’ny Fitopololahy izay hita ao amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho.”

Raha afaka mitahy olona tsy tambo isaina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy, dia afaka mitahy anao manokana ihany koa Izy. Hevero ny hanavao ilay kisary ao amin’ny diary fandalinanao mba hitovy amin’ity manaraka ity:

Sary
ny teny hoe “ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” eo akaikin’ny zana-tsipika manondro ny teny hoe “tsisy fetra sady mandrakizay” sy ny zana-tsipika iray manondro ny teny hoe “manokana”

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mitahy ny tenan’izy ireo manokana noho ny Sorompanavotany. Asehoy na ataovy printy ireto loharano manaraka ireto ary omeo fotoana handalinana azy ireo samirery na ao anatina vondrona ny mpianatra. Asao ny mpianatra mba hijery teny na andian-teny avy amin’ireo loharano ireo izay mamaritra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mitahy ny tenan’izy ireo manokana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Ankoatra ny soratra masina sy ireo teny nambara ao amin’ilay lisitra, dia azon’ny mpianatra atao ny mitady soratra masina hafa na teny hafa namabaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Nampianatra izao ny Filoha Tad R. Callister, Filohan’ny Sekoly Alahady Maneran-tany teo aloha:

Nisy fotoana aho tafahaona tamina Olomasina tsara, izay nanana olana tamin’ny famelana ny tenany, izay tsy tamim-pananan-tsiny saingy tamim-pahadisoana, dia nametraka fetra amin’ny herim-panavotan’ny Mpamonjy. Novain’izy ireo tsy nahy ny Sorompanavotana tsy manam-petra ho lasa manam-petra, ary toa tsy miantraika amin’ny fahotany na ny fahalemen’izy ireo manokana. Saingy Sorompanavotana tsy misy fetra izy io noho izy mandrakotra sy mamaritra ny fahotana sy ny fahalemena rehetra, ary koa ny herisetra na fanaintainana rehetra izay nataon’ny hafa. (Tad R. Callister, “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019, 85–86)

Ifanakalozy hevitra amin’ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo avy amin’ny fandalinan’izy ireo. Asao izy ireo hizara teny na andian-teny manokana hitan’izy ireo ka mamaritra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mitahy ny tenan’izy ireo manokana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Ohatra, mety azon’ny mpianatra atao ny manondro andian-teny toy ny hoe “hitondrany famonjena ho an’ireo rehetra izay hino ny anarany” (Almà 34:15); “Andriamani[tra dia] … manomana lalana mba hialantsika amin’ny … fahafatesana sy helo” (2 Nefia 9:10); na ny hoe “Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro [ny fahotana nibebahana] intsony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42).

Aorian’io fifanakalozan-kevitra io, dia asaivo jeren’ny mpianatra ny lisitra nataon’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo momba ireo zavatra hiova eo amin’ny fiainan’izy ireo raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Azon’ny mpianatra atao ny manavao ny lisitra nataon’izy ireo miainga amin’ny zavatra nianaran’izy ireo. Asao hizara ny lisitra nataon’izy ireo amin’ny mpiara-mianatra iray miara-miasa aminy na amin’ny kilasy iray manontolo ny mpianatra. Angataho ny mpianatra hizara ny zavatra nampidirin’izy ireo tao amin’ny lisitra nataon’izy ireo noho ny zavatra nianaran’izy ireo androany ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara zavatra iray efa nampidirin’izy ireo tao amin’ny lisitra nataon’izy ireo ka manan-danja kokoa amin’izy ireo noho ny zavatra nianaran’izy ireo, ary avy eo dia hanazava ny anton’izany.

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra. Amporisiho handray andraikitra eo anatrehan’ny bitsika azon’izy ireo nandritra ny lesona ny mpianatra.

Hamoaka printy