Seminera
Almà 36–38: Topimaso ankapobeny


“Almà 36–38: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 36–38,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 36–38

Topimaso ankapobeny

Ao amin’ny Almà 36–39, i Almà dia nanoro hevitra ireo zanany lahy, i Helamàna sy i Siblôna ary i Kôriantôna. Izy dia nitantara ny zavatra niainany momba ny fahitana anjely, ny fahatsapana ilay fampijalian’ny fahotany azy, ary ny fahitana fanafahana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Nampianariny fa matetika ny Tompo no mampiasa zava-madinika sy tsotra hanaovana zavatra lehibe, toy ny famelana ny soratra masina hanondro “ny lalana tokony hizoran[tsika]” eo amin’ny fiainantsika (Almà 37:40). Nanoro hevitra ireo zanany lahy mba hitandrina ny didin’ Andriamanitra izy. Nanoro hevitra amim-pitiavana ny zanany lahy Kôriantôna izy mba hamoy ny fahotany sy hibebaka amin’ny fahotany, ka tafiditra tao anatin’izany ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 36

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hitodika amin’i Jesoa Kristy amim-pinoana sy hahatsapa ny fifalian’ny fanafahany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara ohatra iray momba ny olona iray izay nahita fiadanana tao amin’i Kristy taorian’ny fotoana nijaliana. Inona no nanampy an’io olona io hahita fiadanana?

  • Sary haseho: Sarin’i Almà Zanany sy ilay anjely

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Mandritra ny fotoana hanazaran’ny mpianatra tena amin’ny fanisiana marika ny teny sy andian-teny amin’ny fomba samihafa, dia mety azonao asaina ireo izay mampiasa soratra masina amin’ny endrika nomerika hizara ny efijerin’izy ireo mba hampisehoana ny fomba mahomby hitan’izy ireo hanisiana marika ny soratra masin’izy ireo.

Almà 37

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampiasa finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny teniny ao amin’ny soratra masina izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra rehefa manao fandalinana soratra masina isan’andro mba hisaintsaina ireo fitahiana entin’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo, indrindra fa ny fomba anampian’izany azy ireo hanatona an’i Kristy.

  • Sary haseho: Sarina zava-madinika sy tsotra, toy ny borosy nify, hafatra an-tsoratra, fanazaran-tena, na fanaovana asa fanompoana tsotra; sarin’i Lehia sy ny Liahônà

  • Horonan-tsary:Alma donne des conseils à ses fils” (17:05; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:15 hatramin’ny 5:05)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Ho fanombohana ny lesona, hevero ny hampiseho amin’ny mpianatra ohatra iray na roa maneho zava-madinika sy tsotra izay mitondra fanovana lehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo. Avy eo dia omeo 30 segondra hitadiavana ohatra hafa ao an-tranon’izy ireo ny mpianatra ary hitondra izany mba haseho ny kilasy.

Almà 37–38

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra fa ny fiainana ny didy dia hitahy azy ireo mandritra ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky na hanao tsianjery ny Almà 37:35 ny mpianatra ary ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny antony iheveran’izy ireo fa zava-dehibe ny “[mianatra ny hitandrina] ny didin’ Andriamanitra amin’ny fahatanoran’[izy ireo]”.

  • Sary haseho: Sarina hazo kely

  • Horonan-tsary:Manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika” (14:39; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 7:29 hatramin’ny 8:35)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa mamaly ilay fanontaniana momba ny torohevitra tsara indrindra azon’izy ireo avy amina ray ray na reny na mpitarika ato amin’ny Fiangonana ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hizara ilay torohevitra ao amin’ny chat. Izany dia hamela azy ireo hijery ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo teo amin’ny izy samy izy. Avy eo dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara izay olona nahazoan’izy ireo ilay torohevitra sy ny fomba nitahian’izany azy ireo.

Almà 39

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-doza ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fomba hanoherana ny fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra izay zavatra fantatr’izy ireo momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ny fahatsapan’izy ireo momba izany ary ny fanontaniana mety hananan’izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Asaivo mampiasa ilay endrin-javatra hampiasana ny chat ny mpianatra mba hanaovana fikaonan-doha momba ny fomba ahafahan’ny zatovo ankehitriny mampihatra fifehezan-tena sy mandresy fakam-panahy. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hampiasa application amin’ny finday izay ahafahan’ny mpianatra mizara ny eritreritr’izy ireo tsy an-kitonona anarana.

Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 39:9 sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andininy io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanomboka hitadidy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 39:9. Mety azonao atao ihany koa ny mamporisika azy ireo hiezaka hitadidy ilay andininy manontolo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Ho an’ilay sahanasa fampiharana hanazaran-tena, hevero ny handrindra ny mpianatra ho ao anatina salles de discussion mba hahafahan’izy ireo mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba hanampiana an’i Ivan. Zarao ao amin’ny chat ireto fanontaniana manaraka ireto: “Mety hanao ahoana raha mamakafaka ny toe-javatra misy azy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay i Ivan? Inona avy ny sasany amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra afaka manampy an’i Ivan? Inona no azon’i Ivan atao mba hanaovana asa amim-pinoana sy -tsy handehanany intsony araka ny fitsiriritan’ny maso[ny]- (Almà 39:9)?” Hevero ny hitsidika ny salle de discussion tsirairay raha azo atao. Raha ilaina, hevero ny hizara ao amin’ny chat ny fanontaniana hafa rehetra voatanisa ao amin’ny lesona ka mety hanampy ny mpianatra.

Hamoaka printy