Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9—“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao”


“Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9—‘Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao”

Sary
I Isabela nisongona an’i Kôriantôna

Tamin’ny fandalinanao ny Almà 39, ianao dia nianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fomba anoherana fakam-panahy amin’ny alalan’ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 39:9, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Amporisiho hinia hiezaka ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Eo am-piezahan’ny mpianatra ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa, dia ampio izy ireo hamantatra bitsika avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafanarana ireo fomba ahafahan’izy ireo mihatsara kokoa. Amporisiho ny mpianatra mba handinika ombam-bavaka ireo dingana manokana azon’izy ireo atao ao anatin’ny ezaka ataon’izy ireo mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hanomboka hitadidy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 39:9 ny mpianatra. Mety azonao atao ihany koa ny mamporisika azy ireo hiezaka hitadidy ilay andininy manontolo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Almà 39,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Almà 39:9. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa ny lesona momba ny sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Ny andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Almà 39:9 dia ny hoe “Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao”. Ampiasao ity fomba fiasa manaraka ity, na iray hafa izay safidinao, mba hanampy anao hitadidy ilay toko sy andininy sy ilay andian-teny manan-danja.

Sary
maso roa ao anatina faribolana misy tsipika

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny hoe Almà 39:9 sy hanao sarina maso roa ao anatina faribolana misy tsipika. Omeo minitra vitsy handalinana ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ny mpianatra, ary avy eo dia manasà mpianatra maromaro ho eny amin’ny solaitrabe sy hanoratra ilay andian-teny manodidina ilay sary. Tonony mafy imbetsaka miaraka amin’ny iray kilasy ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja mandra-pahavitan’ny mpianatra tsianjery izany.

Avy eo dia hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy ho eny alohan’ny efitrano fianarana mba hilalao ity rafi-tantara manaraka ity.

Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera izay sambany vao mampianatra momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny olona iray ianao. Fariparito fohy ny atao hoe lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ary ampiasao ny Almà 39:9 hanazavanao ny fomba fitandremana izany

Fampiharana hanazaran-tena

Omeo fahafahana ny mpianatra mba hamerenan’izy ireo mijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Rehefa avy mamerina mijery ny mpianatra, dia asao izy ireo hisafidy teny manan-danja avy amin’ny fitsipika tsirairay izay tsapan’izy ireo fa mamaritra indrindra izany. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny teny nosafidin’izy ireo sy ny anton’izany.

Zarao ity rafi-tantara manaraka ity, na hevero ny hanamboatra izany mba hifanaraka kokoa amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra, ka hanampy ny mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ankafizin’i Ivan ny mandany fotoana ao amin’ny tambajotran-tserasera. Mahay mamorona izy ary mampiasa sehatra samihafa ao amin’ny tambajotran-tserasera mba hizarana hafatra tsara. Na izany aza, izy ihany koa dia mahita votoatin-javatra be dia be izay tsy mendrika sy mamoa fady mihitsy aza indraindray. Nanelingelina azy izany tamin’ny voalohany, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nihanahazo aina tamin’izany izy. Tato ho ato dia lasa mitady misimisy kokoa an’io karazana votoatin-javatra io mihitsy aza izy. Tsy manam-panahiana momba ny safidy izay ataony izy amin’izao fotoana izao.

Anaovy fikaonan-doha ny fomba mety hahafahan’ny fahatakarana sy fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy an’i Ivan hahita ny olana amin’ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao. Mety hanampy ireto fanontaniana sy loharano manaraka ireto.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana voalohany ao amin’ny fizarana tsirairay etsy ambany ary hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra tsiroaroa na ao anatina vondrona kely momba ny valintenin’izy ireo. Rehefa miasa ao anatina vondrona ny mpianatra, dia mandehandehana ary henoy ny zavatra ifanakalozan’izy ireo hevitra. Ampidiro araka izay ilana azy ireo fanontaniana hafa sy ireo loharano voatanisa etsy ambany mba hanampiana ny mpianatra hampiasa kokoa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Ahoana no ahafahan’i Ivan mandinika ny toe-javatra misy azy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny ezaka ataony mba hihazonana ny eritreriny ho madio mitondra fiovana eo amin’ny fiainany eto an-tany sy eo amin’ny fiainany any ankoatra?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny ezaka ataony amin’ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy ny sasany amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra afaka manampy an’i Ivan? Ahoana no ahafahan’ny Almà 39:9 manampy?

Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana loharano nofidin’ Andriamanitra ny mpianatra, dia hevero ny hizara ireto loharano manaraka ireto.

Manao asa amim-pinoana 

  • Inona no azon’i Ivan atao mba hanaovana asa amim-pinoana sy “tsy handehanany intsony araka ny fitsiriritan’ny maso[ny]”? (Almà 39:9).

  • Ahoana no ahafahan’ny fiezahana mitodika amin’i Kristy manampy ny ezaka ataony?

  • Inona no fotopampianarana avy amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izay afaka manampy an’i Ivan ary nahoana?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy an’i Ivan hahafantatra ny zava-doza avy amin’ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao?

  • Inona no azony atao mba hanaovana fanovana maharitra?

Aorian’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny vondrona, dia asao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo. Rehefa mizara ny mpianatra dia omeo lanja ny fanehoan-kevitr’izy ireo. Hevero ihany koa ny hametraka fanontaniana izay manampy ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny mpianatra samy mpianatra, toy ny hoe “Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny zavatra vao avy nozarain’ny mpiara-mianatra aminao?” na ny hoe “Ahoana no ahafahan’ny fampiharana ny zavatra nozarain’ny mpiara-mianatra aminao manampy an’i Ivan?”

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona manaraka, ampisehoy sarina maso roa ao anatina faribolana misy tsipika ny mpianatra ary asao hitadidy izay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mifanaraka amin’izany izy ireo. Iaraho manonona imbetsaka ilay andian-teny manan-danja ho famerenana.

Hamoaka printy