Seminera
Almà 39–42: Topimaso ankapobeny


“Almà 39–42: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 39–42,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 39–42

Topimaso ankapobeny

Rehefa avy nasain-drainy hibebaka i Kôriantôna, dia nanana fanontaniana momba ny drafitr’ Andriamanitra izy, anisan’izany ny zavatra mitranga amintsika rehefa maty. I Almà dia nampianatra fahamarinana manan-danja an’i Kôriantôna mba hanampiana azy hahatakatra ny drafitry ny famerenana amin’ny laonin’ny Ray any An-danitra. Sahirana ihany koa i Kôriantôna tamin’ny fahatakarana ny fisian’ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra. Nampian’i Almà izy hampivelatra ny fomba fijeriny ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy ny drafiny ho antsika.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 40

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fankasitrahan’izy ireo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo ary hanome azy ireo fahafahana hanazava ny zava-mitranga rehefa maty isika.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fanontaniana mety hananan’izy ireo momba ny zava-mitranga aorian’ny fahafatesantsika ary ho tonga efa vonona hizara.

  • Taratasy zaraina: “Ny tontolon’ny fanahy”; “Fitsanganana amin’ny maty”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa avy zaraina ho tsiroadroa ny mpianatra ka nahazo fotoana hanomanana ny zavatra hampianarin’izy ireo momba ny lohahevitra iray na roa, dia ataovy ao anatina efitra fanasarahana iray ny mpinamana tsirairay, miaraka amina mpinamana iray izay nandalina ny lohahevitra hafa. Asao ireo mpinamana mba hifandimby hifampianatra. Rehefa tafaverina miaraka indray ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra tian’izy ireo momba ny fomba nampianaran’ny mpinamana hafa azy ireo.

Almà 41

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahita ny tsy ahafahan’ny faharatsiana mitondra mankany amin’ny fahasambarana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba nitondran’ny fankatoavana ny didy fahasambarana teo amin’izy ireo sy ny anampian’izany azy ireo hahatsapa ho vonona hihaona amin’ Andriamanitra aorian’ity fiainana ity.

  • Horonan-tsary:Le grand plan du bonheur” (9:18; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 3:07 hatramin’ny 3:46)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiasa ny fiasa “solaitrabe fotsy” hamoronana lisitra roa mitondra ny lohateny hoe “Fahasambarana” sy “fahoriana”, ary hamela ny mpianatra hampiditra toetoetra amin’ny lisitra tsirairay izay mitarika ho amin’ny fahasambarana na fahoriana.

Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 41:10 sy hanazava ny fotopampianarana, ary hizatra mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao tsianjery ny Almà 41:10.

  • Zavatra haseho: Ilay rafi-tantara ao amin’ny fizàrana mampihatra

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiseho sy hampiasa ny fiasa “hitadidy” ao amin’ny application Maîtrise de la doctrine mba hanampiana ny mpianatra hanao fanazarana mitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manontolo. Isaky ny mitanisa ilay andinin-tsoratra masina ny mpianatra, dia azonao atao ny mampiasa ny fiasa diapositif eo ambanin’ny efijery mba hanesorana teny iray mandra-paha ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay sisa no tafajanona.

Almà 42, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny toetran’ny Ray any An-danitra amin’ny maha-marina sy mpamindra fo Azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana momba ny sasantsasany amin’ireo hevitra samy hafa ananan’ny olona momba ny toetran’ Andriamanitra.

  • Horonan-tsary:Afaka mandrakizay, hihetsika ho azy” (14:51; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 5:40 hatramin’ny 6:50)

Almà 42, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba amelan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy azy ireo handray ny famindram-po nampanantenaina ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady ohatra iray ao amin’ny soratra masina momba ny olona iray na vondron’olona izay nampiseho fibebahana tamin-kitsimpo.

  • Zavatra haseho: Sarina mizana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence:Hevero ny hampiseho ilay sarina mizana sy hanisy soratra izany mandritra ny fanolorana. Azonao atao ny mampiseho ny fiasa “solaitrabe fotsy” na mamorona fanolorana izay mampiseho ny mizana ary avy eo dia mampiditra ny soratra tsirairay.

Hamoaka printy