Seminera
Almà 42, Tapany 1: “Andriamanitra marina, fanaperana, ary […] Andriamanitra feno famindram-po koa”


“Almà 42, Tapany 1: -Andriamanitra marina, fanaperana, ary […] Andriamanitra feno famindram-po koa,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 42, Tapany 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 42, Tapany 1

“Andriamanitra marina, fanaperana, ary […] Andriamanitra feno famindram-po koa”

I Almà Zanany namihina an’i Kôriantôna zanany lahy

Ny fiainana amina tontolo lavo amin’ny fomba fijerintsika voafetra sy mibanjina ny eto an-tany dia mety hahasarotra ny hahatakarana ny toetra feno sy tonga lafatry ny Ray any An-danitra sy ny drafiny. Sahirana tamin’ny fahatakarana ny fisian’ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra ihany koa i Kôriantôna. Nampian’i Almà izy hampivelatra ny fomba fijeriny ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy ny drafiny ho antsika. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny toetran’ny Ray any An-danitra amin’ny maha-marina sy mpamindra fo Azy.

Mivavaha ho an’ny mpianatrao. Fomba iray hampitomboana ny fitiavanao ny mpianatrao ny fivavahana ho azy ireo. Tahaka ny nivavahan’ny Mpamonjy ho an’i Petera manokana (jereo ny Lioka 22:32), dia azonao atao ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ho an’ny mpianatra tsirairay isaky ny anarana. Asao Izy hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ilain’izy ireo sy ireo fomba azonao anampiana azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana momba ny sasantsasany amin’ireo hevitra samy hafa ananan’ny olona momba ny toetran’ Andriamanitra.

Sahanasa fianarana azo atao

Hanombohana ity lesona ity dia hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa. Omeo ny mpiara-miasa tsirairay ny iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto. Asao izy roa mba samy hamaky ny rafi-tantaran’izy ireo ary avy eo hifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra mety ho tsy mety momba ireo fiheveran’i Gabe sy i Elsie.

Fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto:

  • Manao safidy ny handika ireo didin’ Andriamanitra i Gabe. Tamin’ny voalohany izy dia nahatsapa ho meloka kely, saingy noraisiny hoe raha tena tia be ny zanany ny Ray any An-danitra, dia tsy hanasazy an’i Gabe noho ny fahotany izy.

  • Kivy i Elsie fa efa nibebaka tamina fahotana iray nataony izy ary nahatsapa ho voavela heloka, avy eo dia nanota indray. Mieritreritra izy fa tsy misy fanantenana ho azy satria tsapany fa nandainga tamin’ Andriamanitra momba ny fibebahany izy.

Maro ireo izay tsy mahatakatra ny fifandanjana be fitiavana sy tonga lafatry ny fahamarinana sy famindram-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny leson’ny anio ianao, dia eritrereto ny fomba itahiana anao noho ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra.

Nanampy an’i Kôriantôna hahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra i Almà

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamerina hijery ireo olan’i Kôriantôna ao amin’ny Almà 40–41. Raha tsy tsaroan’izy ireo, dia ataovy mankao amin’ny Almà 40:1; 41:1 izy ireo. Azonao atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny olan’i Kôriantôna rehefa tononon’ny mpianatra.

Rehefa nanohy nifanakalo hevitra tamin’i Kôriantôna i Almà, dia tsinjony fa nanana ahiahy momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny ny zanany lahy.

Vakio ny Almà 42:1, ary tadiavo ny zavatra nampanahy an’i Kôriantôna.

Hevero ny hampiditra izany ahiahy izany ao anatin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe. Eo ambanin’io ahiahy io, azonao atao ny manao lisitra ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy no sasantsasany amin’ny fiheverana izay mety hitarika ny olona iray hieritreritra fa tsy rariny ny anasazian’ Andriamanitra ny mpanota?

  • Inona no zava-doza amin’io karazana tsy fahazoan-kevitra io?

  • Ahoana no ahitanao tsy fahazoan-kevitra mitovitovy amin’izany ankehitriny?

Izany dia afaka ny ho fotoana tsara hizaran’ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fiomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana.

I Almà dia niezaka nanampy an’i Kôriantôna tamin’ny alalan’ny fizaràna taminy fomba fijery mivelatra kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny. Natombony tamin’ny fanazavana fa ny fahalavoan’i Adama sy i Eva tao amin’ny Saha Edena dia nitondra fahafatesana ara-panahy (fisarahana amin’ Andriamanitra) sy fahafatesana ara-nofo (ny fahafatesan’ny vatana mety maty) (jereo ny Almà 42:2–8). Avy eo dia nampianariny an’i Kôriantôna ny fomba ifandraisan’ny Fahalavoana amin’ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra.

Vakio ny Almà 42:9–12 ary mitadiava vokatry ny Fahalavoana.

  • Inona avy no vokatry ny Fahalavoana hitanao?

Ny valin-tenin’ny mpianatra tamin’ny fanontaniana teo aloha dia afaka manazava ny zavatra takatr’izy ireo sy ny zavatra mety hilan’izy ireo fanampiana ny fanakarana azy. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa noho ny Fahalavoana, ny olombelona dia tonga “manaram-batana, manaram-pilana ary niendrika devoly” (Almà 42:10) ary “nesorina hiala teo anatrehan’ny Tompo.” (Almà 42:11). Tsy afaka mandresy io fisarahana amin’ Andriamanitra io samirery isika.

Avy eo, mba hanomanana ny mpianatra hianatra misimisy kokoa momba ny fahamarinana sy famindram-po ao amin’ny fizaràna manaraka amin’ny lesona, dia hevero ny hanasa azy ireo hanoratra ny famaritana ireo teny roa ireo amina fehezan-teny iray na roa azy ireo manokana. Avy eo dia vakio ireto famaritana manaraka ireto ary ataovy mampitaha ny famaritan’izy ireo amin’ny famaritan’ny Sujets de l’Évangile izy ireo. Avelao ny mpianatra hametraka izay fanontaniana rehetra mety hananan’izy ireo.

  • Fahamarinana: “Ara-tsoratra masina, ny fahamarinana dia ilay lalàna tsy miova izay mitondra vokany amin’ny zavatra atao. Noho ny lalàn’ny fahamarinana, isika dia mandray fitahiana rehefa mankatò ireo didin’ Andriamanitra. Ny lalàn’ny fahamarinana koa dia mitaky ny fanefana sazy amin’ireo fahotana tsirairay nataonao” (Sujets de l’Évangile, “Justice,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

  • Famindram-po: “Ny famindram-po dia fitondrana am-pangorahana ny olona iray mihoatra noho ny izay mendrika azy ary azo tanterahana izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ” (Gospel Topics, “Mercy,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Vakio ny Almà 42:13–15 ka tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny.

  • Inona no ianaranao momba drafitr’ Andriamanitra?

  • Inona avy no fahamarinana ianaranao momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andininy ireo?

Eo anivon’ ireo fahamarinana hafa, ampio ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahalalana fa Andriamanitra dia fanaperana, marina, ary feno famindram-po. Na dia misy fahamarinana manan-danja momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asan’ny fibebahana voalaza aza ao amin’ireo andininy ireo, ireo lohahevitra ireo dia hojerena misimisy kokoa ao amin’ny lesona manaraka.

Fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra

Nampianatra momba ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra ny Loholona D. Todd Christofferson, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

14:51

Ny fahamarinana dia toetra manan-danja iray an’Andriamanitra. Afaka mino an’Andriamanitra isika satria azo itokisana tanteraka Izy. Mampianatra antsika ny soratra masina hoe “Andriamanitra tsy mandeha amin’ny lalana miolikolika, ary tsy mitodika any ankavanana na any ankavia Izy ary tsy mivadika amin’izay efa nolazainy, koa mahitsy ny lalany ary hodina mandrakizay ny diany” [Fotopampianarana sy fanekempihavanana 3:2] ary koa hoe “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” [Asan’ny apôstôly 10:34]. Miantehitra amin’ilay toetra maha araka an’Andriamanitra ny fahamarinana isika mba hananana finoana sy fahatokiantena ary fanantenana.

Saingy noho ny maha-marina tanteraka an’Andriamanitra dia misy zavatra sasany izay tsy azon’Andriamanitra atao. Tsy azony atao kisendrasendra ny hoe hamonjena ny sasany ary hanamelohana ny hafa. “Tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra” Izy [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31]. Tsy afaka mamela ny famindram-po Izy hanitsakitsaka ny fahamarinana. [jereo ny Almà 42:25].

Porofo mandresy lahatra ny maha-marina an’Andriamanitra ny nametrahany ny fitsipiky ny famindram-po. Noho Izy marina no nametrahany fomba ahafahan’ny fahamarinana hampiasa ny anjara asany tena ilaina indrindra eo amin’ny anjarantsika mandrakizay. (D. Todd Christofferson, “Afaka mandrakizay, hihetsika ho azy,” Liahona, nôv. 2014, 17)

  • Inona no anampian’io fanambarana io anao ho takatrao momba an’ Andriamanitra?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity sy hameno samirery ireto fanambarana manaraka ireto ary avy eo hangataka amin’izy ireo hizara na amina mpiara-mianatra , na ao anatina vondrona kely, na ny iray kilasy.

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray izay manana ahiahy mitovy amin’i Kôriantôna ianao. Manontany anao ny maha-rariny ny fanasazian’ Andriamanitra ny mpanota izy.

  • Inona no azonao lazaina amin’ny namanao mba hanampiana azy hahatakatra ny fahamarinana sy ny famindram-pon’ Andriamanitra? (Mampidira andininy na andian-teny avy ao amin’ny Almà 42:9–15.)

Farano ireto fanambarana manaraka ireto:

  • Ny fahamarinan’ Andriamanitra dia mitahy ahy satria

  • Ny famindram-pon’ Andriamanitra dia mitahy ahy satria

Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra.