Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10—“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana”


“Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10—‘Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana”

Sary
sarina zatovolahy malahelo iray

Tao amin’ny Almà 41:10, dia nianaranao fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.” Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny Almà 41:10, sy hanazava ny fotopampianarana ary hizatra mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ampio ho tonga mpandray anjara mavitrika ny mpianatra. Mavitrika ny mpianatra rehefa mihazona ny sainy sy ny fony amin’ny fianarana ny filazantsara. Ao anatin’ireo fomba sasantsasany hanasana ny fandraisana anjara mavitrika ny fanampiana ny mpianatra hahita ny maha-mifandraika amin’izy ireo ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara; famporisihana azy ireo hametraka fanontaniana sy hikatsaka valiny; ary fanasana azy ireo hizara ny hevi-baovao, zavatra niainana, ary fahatsapan’izy ireo ary hampihatra ireo fahaiza-mandalina soratra masina sy haka fotoana hisaintsainana sy hivavahana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao tsianjery ny Almà 41:10.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Almà 41,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Almà 34:9–10. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Hevero ny hamporisika ny mpianatra hitadidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana betsaka araka izay azon’izy ireo atao.

Ampiasao ireto sahanasa manaraka ireto na fomba fiasa mahomby iray hafa mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy andianteny manan-danja ao amin’ny Almà 41:10 ary hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andininy io.

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Asaovy manonona mafy ilay teny voalohany hoe: “ny faharatsiana” ny mpianatra voalohany. Asaovy manonona mafy ilay teny faharoa hoe: “ny faharatsiana dia tsy” ilay faharoa. Tohizo ny fanampiana teny iray isaky ny mandeha, ary farany ilay toko sy andininy, mba hahafahan’ny mpianatra farany milaza ilay andian-teny manontolo sy ny toko sy andininy: “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana (Almà 41:10).”

Asao hamerina io dingana io imbetsaka ny mpianatra, ka ampifanoloina isaky ny mandeha hoe iza no mpianatra mandeha voalohany.

Mieritrereta toe-javatra izay mety hanampian’ny fahafantarana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Almà 41:10 ny olona iray. Avy eo dia hazavao ny fomba mety hahafahan’ilay fotopampianarana manampy amin’izany toe-javatra izany?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hifampiresaka amin’ny alalan’ny fizaràna amin’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo ny toe-javatra noeritreretin’izy ireo. Raha vao voazara ilay toe-javatra, dia azon’ilay mpiara-mianatra atao ny manazava ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ao amin’ny Almà 41:10 manampy.

Fampiharana hanazaran-tena

Zarao ho vondrona misy mpianatra tsitelotelo ny kilasy. Angataho hifantina fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy iray hafa ny mpianatra tsirairay ary hamaky ireo andiam-pehezanteny mifandray amin’ny fitsipika nofantenany ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Rehefa vitan’ny mpianatra izany, dia asao hanazava ilay fitsipika amin’ny vondrona misy azy izy ireo. Ity fanazaran-tena fampifandraisana manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatadidy ny zavatra nianaran’izy ireo. Ny valiny amin’ilay fanazaran-tena fampifandraisana dia (1) B, G; (2) D, F; ary (3) A, E

Avereno jerena ny tsirairay amin’ireto fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana manaraka ireto (2022). Avy eo dia ampifandraiso amin’ny fitsipika mifanaraka amin’izy ireo ny fanambarana A–G. Ny fitsipika tsirairay dia manana fanambarana roa mifandray aminy.

  1. Manao asa amim-pinoana

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  1. “Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo—ireo mpaminanin’ny Tompo eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao—dia loharanom-pahamarinana tena iankinan’ny aina.”

  2. “Rehefa mikatsaka ny hampivelatra ny fahatakarantsika sy hamaha olana isika, dia zava-dehibe ny hianteherantsika amin’ny fijoroana ho vavolombelona efa ananantsika momba an’i Jesoa Kristy.”

  3. “Mieritreritra [fanontaniana] ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianarana izay nataon’ny Mpamonjy isika.”

  4. “Ny fianarana mamantatra ireo loharano tsy azo antoka sy fialana amin’izany dia afaka miaro antsika amin’ny fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hamotika ny finoana.”

  5. “Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana zavatra araka ny ahitan’ny Tompo azy ireny.”

  6. “Rehefa manohy mikatsaka valim-panontaniana isika dia tsy maintsy miaina araka ny finoana—matoky fa ho azontsika ireo valim-panontaniana katsahintsika amin’ny farany.”

Raha natao anaty vondrona mba hamerina mijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra, dia mety hanampy raha hazonina anaty vondron izy ireo.

Asehoy ity rafi-tantara manaraka ity mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany rehefa miara-miasa amin’izany zy ireo.

I Carlos, mpikamban’ny Fiangonana, dia sahirana amin’ny fahitana ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra. Vao haingana izy no niteny taminao hoe: “Mahafantatra olona be dia be mandika ny didy aho kanefa toa tsara be ny fiainan’izy ireo. Ahoana no ahafahanao milaza fa tsy maintsy mitandrina ny didy ianao vao sambatra?” Hitanao ny fahitsian’ny fanontanian’i Carlos saingy tsapanao fa mila fotoana hifantohana ianao izay vao mamaly. Mifanaraka ianareo roa tonta fa hiresaka bebe kokoa momba ny fanontaniany ny ampitson’io.

Ampiasao ny zavatra nianaranao sy tsapanao teo am-pandalinana ny Almà 41:10 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hiomanana hifanakalo momba ny fanontanian’i Carlos.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  1. Ny soratra masina dia loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy antsika hamaly ireo fanontaniantsika. Vakio ny Almà 41:10 ary mitadiava andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray farafahakeliny izay afaka manampy anao hamaly.

    Azon’ny mpianatra atao ny miasa ao amin’ny vondrona misy azy ireo hitady sy hifanakalo hevitra amina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa izay afaka manampy an’i Carlos. Ao anatin’ireo andalan-tsoratra masina manampy ny 2 Nefia 2:25, 27 sy ny Môzià 2:41.

  2. Mieritrereta loharano maromaro hasainao hojeren’i Carlos mba hahazoany fampahalalana fanampiny. Azonao hazavaina mihitsy aza ny maha-azo antoka ny loharano iray momba ny zava-panahy.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe na ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Ny mpianatra ao amin’ny vondrona dia afaka mamaly tsirairay ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto samirery, ary avy eo mizara ny valintenin’izy ireo amin’ny vondrona misy azy ireo.

Ampio hamantatra ireo fiheverana mety hananan’i Carlos ny mpianatra. Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia hevero ny hizara iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto: Mety hieritreritra i Carlos fa ny didy dia maneritery na hoe mametra ny fahafahany misafidy. Mety ho diso eritreritra izy fa ny fahasambarana dia afaka ny ho hita amin’ny fahafinaretan’ny nofo.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy anao hamantatra ireo fiheverana ananan’i Carlos:

  • Inona avy no fiheverana mety hananany momba ny didy na fahasambarana?

  • Inona avy no fampianaran’ny filazantsara mifandray na manome valiny amin’ny fanontaniany?

  • Inona araka ny eritreritrao no mila fantarin’i Carlos momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ary ny fomba isahanany ny zanany?

Manao asa amim-pinoana

Ny mpianatra ao amin’ny vondrona dia azo asaina hiasa samirery hamantatra ireo didy, ary avy eo mitambatra hizara ny ohatra hitan’izy ireo. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny miara-miasa manolotra sosokevitra momba ny fomba ahafahan’i Carlos manao asa amim-pinoana, amin’ny alalan’ny fahatakarana bebe kokoa na amin’ny alalan’ny fanaovana drafitra hanarahana ireo didy.

I Carlos dia afaka manao asa amim-pinoana amin’ny alalan’ny fikatsahana hahatakatra tsara kokoa ireo didin’ny Ray any An-danitra. Ny fisafidianany hitandrina ireo didy eo am-pikatsahany fahatakarana bebe kokoa momba ny maha-zava-dehibe azy ireo dia fanaovana asa amim-pinoana ihany koa. Mandraisa didy roa farafahakeliny ary fantaro ny fomba ahafahan’ny fitandremana izany manampy an’i Carlos hiaina fahasambarana na ny fomba hitondran’ny fandikana izany mankamin’ny fahoriana. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fomba nitondran’ny fitandremana ireo didy ireo fahasambarana teo aminao.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nomanin’izy ireo. Raha misy fotoana dia hevero ny hanasa ny iray kilasy hieritreritra fomba samihafa mety hamalian’i Carlos. Avy eo dia asao ny mpianatra hiverina amin’ny vondrona misy azy ireo, hanitsy ny drafitr’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny manao filalaovana tantara eo anatrehan’ny iray kilasy na ao amin’ny vondrona misy azy ireo. Afaka mifandefa hafatra an-tsoratra atao toy ny filalaovana tantara koa izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ity famerenana manaraka ity dia azo atao amin’ny lesona manaraka. Anontanio ny mpianatra raha tsaroan’izy ireo ny andian-teny manan-danja amin’ny Almà 41:10. Raha ilaina dia ampahatsiahivo azy ireo ny sahanasa fitadidiana novitain’izy ireo tao amin’ity lesona ity. Asao hamerina ny toko sy andininy ary andianteny manan-danja ny mpianatra, mandra-pahatadidin’izy ireo izany.

Hamoaka printy