Seminera
Almà 40: Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty


“Almà 40: Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 40,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 40

Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty

Sary
I Kristy ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Rehefa avy nasain-drainy hibebaka i Kôriantôna, dia nanana fanontaniana momba ny drafitr’ Andriamanitra izy, anisan’izany ny zavatra mitranga amintsika rehefa maty. Namaly ny fanontaniany i Almà rainy ary nijoro ho vavolombelona momba ny anjara asa manan-danjan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fankasitrahanao ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao ary hanome anao fahafahana hanazava ny zava-mitranga rehefa maty isika.

Ampio hifantoka amin’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Mety handany fotoana be loatra tsy nahy amin’ny famaritana antsipiriany manodidina fahamarinana ara-pilazantsara ny mpampianatra. Izany dia mety hiteraka fahaverezan’ny lala-misokatra hanampiana ny mpianatra ho tonga amin’ny fahalalana sy fitiavana ny Mpamonjy feno kokoa. Makà fotoana hampianarana sy hijoroana ho vavolombelona momba ny hery sy fitiavana ary famindram-pon’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fanontaniana mety hananan’izy ireo momba ny zavatra hitranga aorian’ny fahafatesantsika ary ho tonga efa vonona hizara.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Fanontaniana

Ity tantara manaraka avy amin’ny fiainan’ny Rahavavy Aburto ity dia afaka manampy ny mpianatra hiomana handalina ny Almà 40. Azo ampifanoloina amin’izany, azon’ny mpianatra atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana.

Ny Rahavavy Reyna I. Aburto, mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany, dia nizara zavatra niainana manokana izay maneho fanontaniana mety hananantsika momba ny zavatra miseho aorian’ny fahafatesantsika. Jereo ilay horonantsary hoe “Tsy manam-pandresena ny fasana,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org , manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:21 hatramin’ny 5:13, na vakio ity fanambarana manaraka ity:

Fony aho sivy taona dia namoy ny zokiko lahy nandritra ny horohorontany iray nandravarava. Satria tsy nampoizina ny nitrangan’izany dia ela be aho vao tonga saina tamin’ny zavatra tena nitranga. Vaky fo noho ny alahelo aho, ary nanontany tena hoe: “Inona no nitranga tamin’ny anadahiko? Aiza no misy azy? Lasa aiza izy? Mbola hahita azy indray ve aho?”

Tsy mbola nahafantatra momba ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra aho tamin’izany, ary nanana faniriana ny hahafantatra hoe avy aiza isika, inona no tanjon’ny fiainana, ary inona no mitranga amintsika aorian’ny ahafantesantsika. Moa ve tsy manana ireo fanontaniana ireo isika rehetra rehefa mamoy olon-tiana na rehefa mandalo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainantsika? (Reyna I. Aburto, “Tsy manam-pandresena ny fasana,” Liahona, mey 2021, 86)

I Kôriantôna zanak’i Almà dia nanahy ihany koa momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana.

Vakio ny Almà 40:1, hitadiavana ny zavatra nampanahy an’i Kôriantôna.

  • Inona araka ny eritreritrao no antony mety ho nahatonga azy nanahy momba izany?

Tsarovy fa i Kôriantôna dia nandika ireo didin’ Andriamanitra, tao anatin’izany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Noho ireo safidy nataony, dia mety ho nanahy momba ny zavatra hiainany aorian’ity fiainana ity izy. Mba hiresahana momba ny fanahian’i Kôriantôna sy hanampiana azy hibebaka, dia nampianatra fotopampianarana azy i Almà. Ny valintenin’i Almà tamin’ny fanahian’i Kôriantôna dia afaka manampy ny olona iray izay manana fanontaniana tahaka ny Rahavavy Aburto ihany koa.

Tatỳ aoriana, ny Rahavavy Aburto dia nampianarin’ny misiônera izay nanampy azy hahita valiny amin’ireo fanontaniany. Alaovy sary an-tsaina hoe iray amin’ireo misiônera ireo ianao ary miomana hampianatra azy. Ampiasao ireto loharano manaraka ireto mba hanomanana fanazavana fohy hanampy amin’ny famaliana ireo fanontanian’ny Rahavavy Aburto.

Zarao ho tsiroaroa ny kilasy mba hiomana hampianatra toy ireny hoe misiônera ireny. Tendreo handalina ny tontolon’ny fanahy na ny fitsanganana amin’ny maty ny tsiroaroa isany, ary omeo ny taratasy zaraina mifandray amin’izany ny tsiroaroa isany.

Azo ampifanoloina amin’ny fiomanana amin’ny hoe handeha hampianatra an’ny Rahavavy Aburto, azon’ny mpianatra atao ny mitady valiny amin’ireo fanontanian’ny olona ao amin’ny kilasy.

Ny Tontolon’ny fanahy

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)—“Almà 40: Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty”

Vakio ny Almà 40:6–7, 11–14 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna. Avy eo dia ampiasao ireto loharano manaraka ireto mba hanampy anao hanomana kokoa ny zavatra hampianarinao.

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Fantatsika avy amin’ny soratra masina fa manohy miaina amin’ny maha-fanahy antsika isika any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny hahafatesan’ny vatantsika. Mampianatra koa ny soratra masina fa io tontolon’ny fanahy io dia mizara roa eo amin’ireo izay “marina” nandritra ny fiainana sy ireo izay ratsy fanahy. Ny soratra masina koa dia mitantara ny fomba nampianaran’ireo fanahy mahatoky ny filazantsara tamin’ireo izay ratsy fanahy na mpikomy (jereo ny 1 Petera 3:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:19–20, 29, 32, 37). (Dallin H. Oaks, “Matokia ny Tompo,” Liahona, nôv. 2019, 26)

Omano ny fomba hanazavanao valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mitranga amin’ny fanahintsika rehefa maty isika?

  • Ohatra ny ahoana ny any amin’ny paradisa? Toy ny ahoana ny any amin’ilay faritra antsoin’i Almà hoe “haizina ivelany,” saingy antsoina ihany koa hoe tranomaizin’ny fanahy (1 Petera 3:19) na helo (2 Nefia 9:12)?

  • Ahoana no ahafahan’ny fianarana momba ny paradisa sy tranomaizina mampitombo ny fankasitrahantsika ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalantsika ny tontolon’ny fanahy mitahy antsika mandritra ny fiainantsika etỳ an-tany?

Rehefa mampianatra dia ataovy mazava fa eo anelanelan’ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty, ny fanahin’ny marina dia mitoetra ao amin’ny paradisa ary ny fanahin’ny ratsy fanahy dia mitoetra ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy. Zarao ny fomba fiantraikan’ny fahatakaranao io fahamarinana io amin’ny safidy ataonao eto amin’ity fiainana ity.

Fitsanganana amin’ny maty

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)—“Almà 40: Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty”

Vakio ny Almà 40:2–5, 23–24 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna. Avy eo dia ampiasao ireto loharano manaraka ireto mba hanampy anao hanomana kokoa ny zavatra hampianarinao.

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Mankalaza ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty isika amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao. Izany dia manome antsika fomba fijery sy tanjaka ahafahana mahazaka ireo olana eto an-tany atrehantsika tsirairay sy atrehan’ireo olon-tiantsika, toy ny tsy fahatomombanana ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po lovaintsika hatrany am-bohoka na azontsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Noho ny Fitsanganana amin’ny maty dia fantatsika fa izany tsy fahatomombanana iainana eto an-tany izany dia mandalo fotsiny ihany! (Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra lehibe,” Liahona, mey 2020, 94–95)

Omano ny fomba hanazavanao valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty? Iza no hitsangana amin’ny maty?

  • Araka ny Almà 40:2–3, inona no mahatonga ny Fitsanganana amin’ny maty ho zavatra mitombina?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalantsika ny Fitsanganana amin’ny maty mitahy antsika mandritra ny fiainantsika etỳ an-tany?

Rehefa mampianatra dia ataovy mazava tsara fa noho i Jesoa Kristy nitsanganana tamin’ny maty, isika rehetra dia hitsangana amin’ny maty ihany koa. Mizarà antony iray ankasitrahanao ny fampanantenana momba ny fitsanganana amin’ny maty.

© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.

Hevero ny hampiasa ity horonantsary manaraka ity raha mila fanampiana misimisy kokoa amin’ny fanakarana ny zavatra miseho aorian’ny fahafatesantsika ny mpianatra:

Azonao atao ny mijery ilay horonantsary hoe “What Happens to Our Bodies and Spirits after We Die? (Inona no mitranga amin’ny vatantsika sy ny fanahintsika aorian’ny fahafatesana?)” (4:19), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana fahamarinana hafa azonao hazavaina rehefa mampianatra ianao.

Rehefa avy manomana ny mpianatra, dia asao izy ireo hampianatra mpianatra roa izay nanomana lohahevitra hafa. Hevero ny hanome fanampiana raha ilaina rehefa mampianatra izy ireo.

Rehefa avy mampianatra ny leson’izy ireo ny mpianatra, dia hevero ny hitarika fifanakalozan-kevitra fohy miaraka amin’ny iray kilasy, amin’ny alalan’ny fampiasana ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto.

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ny zavatra nianaranao momba ny tontolo ara-panahy sy ny fitsanganana amin’ny maty?

  • Ahoana no iantraikan’io fahalalana io amin’ny fahatsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona avy no fanontaniana sasantsasany nanananao ka voavaly androany?

  • Inona avy no fanontaniana tianao hanohizana mikatsaka valiny?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy mbola manana ny valiny rehetra isika ary TSY MANINONA ny manana fanontaniana tsy voavaly. Asao izy ireo hanaraka ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy rehefa mitady valiny izy ireo.

Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fanomezana ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fiadanana azontsika raisina ao amin’ny tontolon’ny fanahy noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy