Seminera
Almà 41: Averin’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny zava-drehetra


“Almà 41: Averin’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny zava-drehetra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 41,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 41

Averin’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny zava-drehetra

Sary
tanora falifaly

Rehefa avy nampianatra an’i Kôriantôna momba ny zava-doza ateraky ny fahotany i Almà, dia niasa mba hanitsy ireo fampianaran-diso izy. Nampianatra fahamarinana manan-danja an’i Kôriantôna izy, mba hanampiana azy hahatakatra ny drafi-pamerenana amin’ny laonin’ny Ray any An-danitra ary mba hanampiana azy hibebaka. Ity lesona ity dia hanampy nao hahita ny tsy ahafahan’ny faharatsiana mitondra mankany amin’ny fahasambarana.

Ampianaro amina fomba izay manorina finoana an’i Jesoa Kristy ny soratra masina. Tanjona iray amin’ny soratra masina ny hanampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny 1 Nefia 6:4). Makà fotoana hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba nitahian’ny hery sy famindram-po ary fitiavan’ Andriamanitra ny olona tao amin’ny soratra masina. Amporisiho ny mpianatra hijery fitahiana mitovitovy amin’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana rehefa mampihatra ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba nitondran’ny fankatoavana ny didy fahasambarana teo amin’izy ireo sy anampian’izany azy ireo hahatsapa ho vonona hihaona amin’ny Mpamonjy sy amin’ny Ray any An-danitra aorian’ity fiainana ity.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Finoana momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana

Ity manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra momba ny vokany mandrakizay amin’ny safidin’izy ireo. Hevero ny hiato kely aorian’ny fanambarana tsirairay mba hamelana ny mpianatra hamaly.

Eritrereto ny mety ho fiantraikany amin’ny zavatra ataonao raha mino ny iray amin’ireto fanambarana manaraka ireto ianao:

Tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana.

Aorian’ny fahafatesantsika dia hasandratra isika, na inona na inona asa nataontsika tetỳ an-tany.

  • Nahoana no zava-dehibe ny manana fahatakarana marina ny zavatra hitranga amintsika aorian’ny fahafatesantsika?

  • Inona no fantatrao momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana ka miantraika amin’ny zavatra ataonao amin’izao fotoana izao?

Ny dikan’ny hoe famerenana amin’ny laoniny

Tsarovy fa i Almà dia nampianatra an’i Kôriantôna zanany izay nanao fahotana goavana (jereo ny Almà 39), ary nanana fanontaniana momba ny filazantsara. Ao amin’ny Almà 41 dia ianarantsika fa i Kôriantôna dia sahiran-tsaina tamin’ireo fampianaran’ireo olona izay naniasia tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Almà 41:1, hitadiavana ny zavatra tsy azon’i Kôriantôna. (Ao amin’ny fampianaran’i Almà, ny teny hoe famerenana amin’ny laoniny dia manondro zavatra iray entina miverina na averina amin’ny toetrany teo aloha. Mety hanampy ihany koa ny fahafantarana fa ny hoe manolana ny soratra masina dia midika hoe manodina, manaratsy endrika na manova ny dikan’izy ireo.)

  • Inona no tsy azon’i Koriantôna?

Mba hanampiana an’i Kôriantôna hibebaka, dia nampianatra azy fotopampianarana marina i Almà. Fantany fa ny “fotopampianarana marina, rehefa takatra, dia manova toe-tsaina sy fitondrantena” (Boyd K. Packer, “Do Not Fear,” Liahona, mey 2004, 79). Ny fahatakarana ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny dia manampy antsika hahatakatra ny antony maha tena zava-dehibe ireo safidy ataontsika amin’ity fiainana ity.

Hevero ny hamaky ny andininy 2–9 miaraka amin’ny iray kilasy ary hiato kely tsindraindray mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zavatra vakin’izy ireo. Aorian’ny famakiana dia mety hanampy raha tombanana ny zavatra azon’ny mpianatra momba ny famerenana amin’ny laoniny notondroin’i Almà. Hevero ny hanoratra ny teny hoe famerenana amin’ny laoniny eny amin’ny solaitrabe ary hanasa ny kilasy hamorona sy hanatsara ny famaritana eo am-pandalinana ity lesona ity.

Vakio ny Almà 41:2–9 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Almà hisahanana ny fanahian’i Kôriantôna.

  • Inona no hamerenana antsika amin’ny laoniny aorian’ny fahafatesantsika?

  • Araka ny voalazan’i Almà, ahoana no nanaovana io famerenana amin’ny laoniny io ho zavatra azo tanterahina?

  • Ahoana no mety hahafahan’io fahalalana ny famerenana amin’ny laoniny io mamporisika olona iray tahaka an’i Kôriantôna hiverina amin’ny làlan’ny fanekempihavanana?

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana”

Vakio ny Almà 41:10, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Almà momba ny famerenana amin’ny laoniny, faharatsiana ary fahasambarana.

  • Inona no tsy fahazoan-kevitra nahitsin’i Almà tamin’i Kôriantôna?

Avy amin’ny Almà 41:10, dia ianarantsika fa ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.

  • Rehefa mihevitra ireo fampianaran’i Almà momba ny lalànan’ny famerenana amin’ny laoniny ianao, dia nahoana araka ny eritreritrao no marina ny hoe “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana”?

Mety hanampy raha tsindriana fa misy olona sasany mieritreritra fa azon’izy ireo atao ny miverina miara-mitoetra amin’ Andriamanitra tsy mandray andraikitra manokana amin’ny zavatra ataon’izy ireo. Mety hilaza izy ireo fa mahafinaritra ny safidy feno fahotana ataon’izy ireo. Mety ho sambatra mihitsy aza indraindray no fahitana ireo izay misafidy fahotana.

Mahatakatra ny toetran’ Andriamanitra

Ny drafitr’ Andriamanitra dia mihoatra noho ny drafitra hahavelona antsika indray fotsiny. Izy io dia drafitra hanampiana antsika ho tonga tahaka Azy sy hiaina ny fahasambarany.

Vakio ny Almà 41:11, hitadiavana ny antony tsy mampitombina ny ho sambatra marina rehefa manao safidy diso. Mety hanampy ny fahalalana fa ny hoe “ngidin’ny afero” (andininy 11) dia midika ho fiainana alahelo faratampony na fahoriana ara-pihetseham-po mahery vaika vokatry ny fahotana.

  • Inona avy no fahasamihafana hitanao amin’ny fahasambarana izay omen’ Andriamanitra sy ny fahasambaran’izao tontolo izao?

  • Inona avy no hevi-diso hitanao omena vahana ka tsy mitondra fahasambarana, na dia maka fanahy aza?

Ny Loholona Marcus B. Nash ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny fifandraisana eo amin’ny toetran’ Andriamanitra sy ny fahasambarana:

Mariho fa ny tsy fiarahana amin’ Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao—raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fandavana ny hiaina amin’ny filazantsarany ary noho izany, ny tsy fisian’ny fiarahana amin’ny Fanahy—dia fitoerana amina toetra mifanohitra amin’ny toetry ny fahasambarana. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, raha ny marina, ny—mariho fa tokana (iray) io, izay midika fa ilay hany—“drafitra lehiben’ny fahasambarana” (Almà 42:8). Raha misafidy fomba fiainana hafa na miezaka ny hiaina ny ampahany fotsiny amin’ny filazantsara izay toa mety ianao, ny safidy toy izany dia hanakana ny fahazoanao fifaliana sy fahasambarana feno sy mamiratra izay nanendren’ny Ray any an-danitra sy ny Zanany anao. (Marcus B. Nash, “The Great Plan of Happiness,” Liahona, nôv. 2006, 49)

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny toetran’ny Ray any An-danitra dia fahasambarana ary afaka miaina fahasambarana marina isika rehefa miezaka ny ho tonga tahaka Azy.

Fomba iray ampianarana izany ny fanoratana ny teny hoe Fahasambarana sy Fahoriana eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hanoratra toetoetry ny Ray any An-danitra eo ambanin’ny teny hoe Fahasambarana ary hanazava hoe nahoana ireo teny ireo no mitondra mankany amin’ny fahasambarana. Ohatra, mety ho azonareo ifanakalozan-kevitra ny fomba itondran’ny fahamasinana, faharetana, na fahazotoana lehibe kokoa mankany amin’ny fahasambarana. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manoratra ireo zavatra atao sy toetoetra izay mitondra mankamin’ny fahoriana ary manazava ny fomba anoheran’izany ny toetran’ Andriamanitra.

Mba hanampiana anao hahita ny maha-fahasambarana ny toetran’ Andriamanitra, dia ataovy lisitra ny toetoetrany sasany. Raha vao avy mahavita lisitra ianao, dia eritrereto ny fomba itondran’ireo toetoetra ireo fahasambarana ho an’ny Ray any An-danitra sy ny hafa. Ohatra, mpamindra fo Andriamanitra. Satria mpamindra fo Andriamanitra, dia afaka mifaly amin’ireo fanahy izay mibebaka Izy ary mampita ny fifalian’ny famelan-keloka amin’ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13). Mandraisa toetoetra na didin’ Andriamanitra iray farafahakeliny ary farito ny fomba ahafahan’ny fiainana amin’izany toetoetra izany na fitandremana izany didy izany mitondra fahasambarana.

Averina amin’ny fahatsarana

Nieritreritra i Kôriantôna fa afaka hiaina fiainam-paharatsiana kanefa hitsangana amin’ny maty amim-boninahitra izy. Araka ny lalàn’ Andriamanitra dia tsy afaka mitranga izany (jereo ny Galatiana 6:7–8). Nanitsy an’i Kôriantôna i Almà ary nanasa azy hanomboka hanao dingana hiverenana amin’ Andriamanitra sy fahasambarana amin’ny farany. Vakio ny Almà 41:12–15, hitadiavana ny fomba namporisihan’i Almà an’i Kôriantôna hiaina mba haverina amin’ny fahatsarana sy fahasambarana.

  • Avy amin’ny zavatra novakinao, inona no azon’ny olona iray “alefa any ivelany” raha tiany “hiverina [aminy] indray” ny fahasambarana lehibe kokoa? (Almà 41:15).

  • Oviana no niainanao fahasambarana tena izy tamin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Ity manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao zavatra amin’ny fahatsapana nananan’izy ireo.

Eritrereto ny zavatra nianaranao tao amin’ny Almà 41 sy ny fanirianao ho sambatra. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy anao hanao drafitra hitadiavana fahasambarana lehibe kokoa:

  • Inona no zavatra iray azoko atomboka atao ka afaka manampy ahy ho sambatra sy haverina amin’ny fahatsarana?

  • Inona no zavatra iray azoko ajanona ny fanaovana azy ka afaka manampy ahy ho sambatra sy haverina amin’ny fahatsarana?

Asao hitarika ny eritreritrao sy ny fahatsapanao ny Fanahy Masina. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny fahatsapanao ao amin’ny diary na soratra masinao manokana izay ahafahanao mamerina mijery izany. Manaova drafitra hanaovana asa, ao anatin’izany ny fotoana hanombohanao sy ny fomba handrefesanao ny fandrosoanao.

Hamoaka printy