Seminera
Almà 37: “Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra”


“Almà 37: -Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 37,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 37

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra”

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Indraindray ny olantsika dia toa tena lehibe sy sarotra ka heverintsika fa ilaina atao lehibe sy sarotra ihany koa ny vahaolana. I Almà anefa dia nampianatra an’i Helamàna zanany lahy fa matetika ny Tompo no mampiasa zava-madinika sy tsotra hanaovana zavatra lehibe, toy ny famelana ny soratra masina hanondro “ny lalana tokony hizoran[tsika]” eo amin’ny fiainantsika (Almà 37:40). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny teniny ao amin’ny soratra masina ianao.

Amporisiho ny fandalinana ny soratra masina isan’andro. Ny fandalinana ny soratra masina isan’andro dia manome fahafahana tsy tapaka mba hianaran’ny mpianatra ny filazantsara, hampivelarany ny fijoroana ho vavolombelona ananany ary handrenesana ny feon’ny Tompo. Indraindray ny mpianatra dia mety hahatsapa ho kivy na mila fandrisihana mba handalinana tsy tapaka kokoa. Mitadiava fahafahana hijoroana ho vavolombelona momba ny tenin’ny Tompo sy hamporisihana ny mpianatra handalina ny soratra masina isan’andro.

Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra rehefa manao fandalinana soratra masina isan’andro mba hisaintsaina ireo fitahiana entin’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo, indrindra fa ny fomba anampian’izany azy ireo hanatona an’i Kristy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fahalehibiazan’ny zava-madinika sy tsotra

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe madinika sy tsotra.

  • Inona avy no zava-madinika sy tsotra izay mampiova zavatra lehibe eo amin’ny fiainanao?

Sary
zatovovavy manao fanazaran-tena
Sary
finday avo lenta
Sary
borosy nify
Sary
zatovo manao asa fanompoana amin’ny alalan’ny fanadiovana ny ivelan’ny trano iray

Hevero ny hampiseho sary maneho ohatra na ny hifanakalo hevitra ny amin’izany, toy ny borosy nify, hafatra an-tsoratra, fanazaran-tena, na fanaovana asa fanompoana tsotra.

Azo ampifanoloina amin’izany ny fanontanianao ny mpianatra raha misy zava-madinika any amin’izy ireo izay misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo, toy ny sarim-pianakaviana, na telefaonina, na poketra kely fitondrana karatra sy vola. Asao izy ireo hampiseho hoe inona izany ary hizara ilay fiantraikany lehibe.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 37, i Almà dia nanankina andraikitra lehibe tamin’i Helamàna; andraikitra izay nampiasain’ny Tompo izay hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny zanak’ Andriamanitra. Vakio ny Almà 37:1–2, 5–7 mba hahitana ilay zavatra sy ny antony naha-tena zava-dehibe izany.

Raha te hahita horonan-tsary maneho ireo andininy ireo ianao, dia jereo ny “Alma donne des conseils à ses fils” manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:15 hatramin’ny 5:05, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ao amin’ny Almà 37 ny hoe mampiasa ny soratra masina hitondrana famonjena ho an’ny olona maro ny Tompo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny Tompo no mampiasa ny soratra masina mba hanampiana ny olona hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy hanatona Azy mba hahazo famonjena?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia saintsaino ireto fanontaniana ireto: Ahoana no anampian’ny soratra masina amin’ny fitondrana olona ho ao amin’i Jesoa Kristy sy ny famonjeny? Ahoana no tokony handalinako mba handraisana ireo fitahiana lehibe ireo?

Raha tsy tsapanao hoe mandray fitahiana lehibe amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny zavatra mety hilainao fantarina na ovaina.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely na tsiroaroa sy hampanao azy ireo ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha vao vita izany, dia asao hizara ny zavatra nianarany ny mpianatra. Miankina amin’ny fotoana sy ny zavatra ilain’ny mpianatra, hevero ny hanaovan’ny iray kilasy sahanasa roa miaraka.

Sahanasa A: Hery lehiben’ny soratra masina

Sary
i Almà mampianatra ny zanany lahy

I Almà dia nampahatsiahy an’i Helamàna ny momba ny fiantraikany lehibe nentin’ny soratra masina teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Vakio ny Almà 37:8–10, 14 hitadiavana ireo fitahiana mahagaga nataon’ny Tompo nitranga tamin’ny alalan’ny soratra masina. Hevero ny hanisy marika ireo fitahiana ireo na hanao lisitra azy ireo ao anatin’ny diary fandalinanao.

  • Iza amin’ireo fitahiana ireo no nanan-danja taminao? Nahoana?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny fitahiana lazain’ny mpianatra.

I Almà dia nampianatra fa ny soratra masina dia “nanitatra ny fitadidian’ity vahoaka ity” (Almà 37:8). Nanazava io fitahiana io ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Manitatra ny fitadidiantsika ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanampiana antsika hatrany hahatsiaro ny Tompo sy ny fifandraisantsika Aminy sy amin’ny Ray. Mampahatsiahy antsika ny zavatra fantatsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana izy ireny. Ary manitatra ny fitadidiantsika koa izy ireny amin’ny lafiny iray hafa amin’ny alalan’ny fampianarana antsika momba ireo vanim-potoana, ireo vahoaka ary ireo zava-nitranga izay tsy nolalovantsika na niainantsika mivantana. (D. Todd Christofferson, “The Blessing of Scripture,” Liahona, May 2010, 33)

  • Oviana ianao na ny hafa izay fantatrao no niaina ny iray amin’ireo fitahian’ny fandalinana soratra masina ireo?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no itondran’ny soratra masina antsika “mankamin’ny fahalalana ny Tompo … sy hifaly ao amin’i Jesoa Kristy”? (Almà 37:9)

Hevero ny hizara zavatra niainana manokana na horonan-tsary mombana olona iray izay maneho izany.

Sahanasa B: Ny Liahona sy ny tenin’i Kristy

Rehefa avy nanome torohevitra hafa an’i Helamàna i Almà, dia nampitaha ny tenin’i Kristy tamina zava-madinika sy tsotra manokana iray izay nampiasain’i Lehia sy ny fianakaviany izy: ny Liahônà. Saintsaino ny zavatra fantatrao momba ny Liahônà.

Mampisehoa sarina Liahônà anankiray, toy ity sary manaraka ity. Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny Liahônà.

Sary
I Lehia sy ny fianakaviany mijery ny Liahônà

Vakio ny Almà 37:38–46 hitadiavana ny zava-madinika sy tsotra tsy maintsy nataon’ny fianakavian’i Lehia mba hahafahan’ny Liahônà mitari-dalana azy ireo.

Mba hanampiana anao hieritreritra ny fomba iantefan’ireo fampianaran’i Almà momba ny Liahona amin’ny fandalinana soratra masina, dia makà fotoana hamariparitana izao zavatra manaraka izao:

  1. Fandalinana ny soratra masina amim-pinoana an’ Andriamanitra (jereo ny Almà 37:40). Inona no tsy mampitovy izany amin’ny karazana fandalinana hafa?

  2. Lasa “kamo” sy manadino “mampihatra … finoana sy fahazotoana” amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina (Almà 37:41).

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara zavatra niainana izay nanampy azy ireo hahita ny fomba ahafahan’ny Tompo mampiasa ny soratra masina ho toy ny “mpitantana” “manondro ny lalana tokony hizoran[tsika]” eo amin’ny fiainantsika (Almà 37:38, 40).

Fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana

Saintsaino ny tanjonao sy ny fahazaranao ary ny traikefanao eo amin’ny fandalinanao soratra masina manokana amin’izao fotoana izao. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ireo fanamboarana kely mety hilainao hatao mba hamelana ny Tompo hitahy anao amin’ny fomba tena tsara. Ireto manaraka ireto dia sosokevitra vitsivitsy:

Halalino ny soratra masina mba hikarohana “fahalalana ny Tompo” misimisy kokoa na “hifaliana ao amin’i Jesoa Kristy” (Almà 37:9).

  • Izany dia mety hahitana filazana momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ary ny iraka nampanaovina Azy. Rehefa hitanao ireo zavatra voalaza ireo dia azonao atao ny mieritreritra ny fomba anatanterahan’i Jesoa Kristy anjara asa mitovitovy amin’izany eo amin’ny fiainanao. Azonao atao ny mirakitra fanehoam-pankasitrahana ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile rehefa hitanao izy ireo.

Manehoa finoana an’ Andriamanitra rehefa mandalina ianao (jereo ny Almà 37:40).

  • Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fitadiavana fomba handraisana andraikitra eo anatrehan’ny zavatra halalininao sy fomba hanatonana an’i Kristy. Azonao atao ny mikatsaka tsy tapaka ny hamaly ny fanontaniana hoe “Ahoana no ahafahan’ny zavatra halaliniko manampy ahy hanatona an’i Kristy mba handraisana ny fitahiany sy hanarahana ny ohatra nasehony?” Afaka mirakitra an-tsoratra ao anatina diary iray ny valinteninao ianao.

Farito ny fomba hahafahanao misoroka ilay hoe “kamo” sy manadino “mampihatra ny finoana sy fahazotoa[nao]” amin’ny fandalinanao (Almà 37:41).

  • Izany dia mety hahitana ny fifantenana fotoana tsy tapaka isan’andro handalinana ny soratra masinao. Azonao atao ihany koa ny manasa olona ao amin’ny fianakaviana na namana hanara-maso tsy tapaka ny ezaka ataonao handalinana soratra masina. Mety azonao atao ny mametraka fampahatsiahivana isan’andro ao amin’ny kalandirie ao amin’ny findainao na fitaovana nomerika hafa raha misy izany.

Farano amin’ny alalan’ny fizarana fomba nitondran’ny Tompo zavatra lehibe teo amin’ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fandalinanao soratra masina ny fotoam-pianarana.

Hamoaka printy