“Almà 36: -Tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako [aho],-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)
“Almà 36,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna
Almà 36
“Tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako [aho]”
Ny fizarana zavatra niainana ara-panahy mahafinaritra amin’ireo olona akaiky antsika dia afaka ny ho loharanon-kery ho azy ireo sy ho antsika. Rehefa niresaka tamin’i Helamàna zanany lahy i Almà, dia nitantara ny zavatra niainany momba ny fahitana anjely, ny fahatsapana ilay fampijalian’ny fahotany azy, ary ny fahitana fanafahana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hitodika amin’i Jesoa Kristy amim-pinoana sy hahatsapa ny fifalian’ny fanafahany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Zavatra mifanohitra
-
Fanaintainana →
-
Nenina →
-
Alahelo →
Saintsaino ny fotoana mety ho nanotanao sy niainanao fahatsapana iray eo amin’ny ankavia. Efa lasa ilay zavatra nolazainao teo amin’ny ankavanana ve izany fahatsapana izany? Inona no niseho ka nahatonga izany fiovana izany ho azo notanterahina?
Saintsaino hoe hatraiza ny fahamarinan’ireto teny nambara manaraka ireto aminao:
-
Rehefa nanota aho, dia fantatro ny fomba fitodihana amin’ny Tompo mba handraisana famelan-keloka sy fiadanana ary fanantenana.
-
Manana fahatokiana aho fa afaka miova amin’ny alalan’ny fanampian’ny Tompo aho.
-
Mitodika amin’ny Tompo tsy tapaka aho mba hahazoako io fanampiana io.
Anio ianao dia handalina ny fomba niovan’ny fahatsapana fanaintainana lalina nananan’i Almà Zanany noho ny fahotany ho lasa fahatsapana fifaliana sy fiadanana rehefa nitalaho tamin’ny Mpamonjy izy. Eo am-pandalinanao, dia tadiavo ny fomba ahafahanao mikatsaka ny fanampian’ny Tompo handresena ny fahotana sy ny vokany ary hiainana fifaliana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Ny fiovana mahery vaikan’i Almà
Taorian’ny nandavan’izy ireo ny filazantsara izay nampianarina azy ireo, ny Zôramita dia niaraka tamin’ny Lamanita mba hamokisana fahatezerana amin’ny Nefita ny fon’izy ireo. Avy eo dia nanafika ny Nefita ny Zôramita sy Lamanita, ka niteraka ady lehibe izany. Fon’ny Nefita maro ihany koa no “nanomboka nihamafy” teo anatrehan’ny tenin’ Andriamanitra (Almà 35:15). Ho setrin’ny fihemorana ara-panahin’ny Nefita, i Almà dia namory ireo zanany lahy mba “hahazoany manome ny tsirairay avy ny andraikiny manokana avy, momba ny zavatra mikasika ny fahamarinana” (Almà 35:16). Niresaka tamin’i Helamàna zanany lahy izy aloha ary nitantara ny fiovam-pony.
-
Inona no tsaroanao momba an’i Almà Zanany sy ny zavatra aseho eo amin’io sary io?
Vakio ny Almà 36:6–11 ary tadiavo ireo antsipirian-javatra izay mety tsy hitanao.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no nisy fiantraikany mahery vaika teo amin’i Almà ny tenin’ilay anjely?
-
Ankoatra ny fahitana anjely, inona no mety hitarika ny olona iray hahatsapa fa mila miova izy?
Vakio ny famaritan’i Almà ny zavatra niainany sy tsapany nandritra ny telo andro tsy nahafahany nihetsika ato amin’ireto andian’andininy manaraka ireto. Hevero ny hanisy marika ny zavatra aroso.
-
Almà 36:12–16: teny na andian-teny izay milazalaza ny fahatsapan’i Almà momba ny fahotany
-
Almà 36:17–18: teny na andian-teny izay milaza ny zavatra tsaroan’i Almà sy nataony ka nitarika tamin’ny fiovany
-
Almà 36:19–21: teny na andian-teny izay milazalaza momba an’i Almà izay nahatsapa zavatra mifanohitra amin’ny zavatra niainany tamin’ny voalohany
-
Inona no manaitra anao momba ny zavatra nitarika ny fiovan’i Almà?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainany?
Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe Manana hery hanafahana antsika amin’ny fanaintainan’ny fahotantsika sy hamenoana antsika amin’ny fifaliana i Jesoa Kristy.
-
Ahoana no nanasan’i Almà ny herin’ny fanafahan’ny Mpamonjy?
Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:
Tsy voatery mahafantatra ny zava-drehetra aloha ianao izay vao hiasa ho anao ny herin’ny Sorompanavotana. Manàna finoana an’i Kristy fa hanomboka hiasa amin’ny andro angatahanao azy izany! (Boyd K. Packer, “Washed Clean,” Ensign, mey 1997, 10)
Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Rehefa mibaboka marina tokoa amin’ny fahotantsika isika, ka manonitra izay vitantsika amin’ireo izay nanaovantsika ny tsy mety, ary mahafoy ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy, dia eo an-dalam-pahazoana ny famelan-keloka izay isika. Rehefa mandeha ny fotoana dia ho tsapantsika fa mihena ny fijaliantsika noho ny alahelo, ka “manaisotra ny heloka hiala ny fontsika” ary mitondra “fiadanan-tsaina.” (Neil L. Andersen, “Repent … That I May Heal You,” Liahona, nôv. 2009, 42)
-
Inona avy no fahatakarana hafa azonao tamin’ireo teny nambara ireo?
Inona no holazainao amin’ny tanora iray izay:
-
Mahatsapa nenina sy fanaintainana lehibe vokatry ny fahotany.
-
Mahatsapa fa tsy mahatsiravina ny fahotany ary hivaha ho azy eny izany ka tsy mila fibebahana rehefa mandeha ny fotoana.
Makà fotoana hisaintsainana ny toe-javatra misy anao manokana sy ny fomba ahafahan’ny lesona androany mihatra amin’ny fiainanao. Eritrereto ny zavatra iray mety azonao atao anio mba hitodihana amin’ny Mpamonjy sy hanasana ny herin’ny fanafahany ho eo amin’ny fiainanao.