Seminera
Almà 9: Tsarovy ireo fitahian’ny Tompo


“Almà 9: Tsarovy ireo fitahian’ny Tompo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 9,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 9

Tsarovy ireo fitahian’ny Tompo

Sary
I Almà sy i Amioleka

Ahoana no nitahian’ny Tompo anao? Inona no andrasany mba hataonao aorian’ny fandraisana ireny fitahiana ireny? Rehefa niantso ny vahoakan’i Amônihà hibebaka i Almà sy i Amioleka, dia nandà ny fampianaran’izy ireo ny olona. Nampianatra i Almà fa niandrandra azy ireo ho marina kokoa noho ny Lamanita izay tsy nampianarina ny fahamarinana ny Tompo. Namporisika ny olona hahatsiaro ireo fitahian’ny Tompo izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hamantatra sy hahatsiaro ireo fitahiana nomen’ny Tompo anao.

Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny teny vitsivitsy voafantina tsara dia afaka mampitombo ny fahombiazan’ny fanontaniana iray. Ny fanontaniana voatefy tsara dia hihazona ny saina sy ny fon’ny mpianatrao ary hanome fahafahana ny Fanahy Masina hampianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra haka iray na roa minitra hanoratana ohatra maro amin’ireo fitahiana azon’izy ireo tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ireo fitahian’ny Tompo ho anao

Makà minitra vitsivitsy hitanisana ao amin’ny diary fandalinanao ireo fitahiana azonao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. (Hevero ny hampiditra ireo fitahiana izay tonga noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy anao.)

Azonao atao ny manasa mpianatra maromaro hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny iray na roa amin’ireo fitahiana na fanomezana noraisin’izy ireo. Anontanio ny fahatsapan’ny mpianatra momba ireo fanomezana ireo sy ny anton’izany. Hevero ny hampiditra ihany koa ireo fitahiana noeritreretinao.

  • Inona no fiantraikan’ny fahatsiarovana ireo fitahiana sy fanomezana ireo aminao?

  • Impiry ianao no mieritreritra momba ireo fitahiana ireo? Misy zavatra azonao atao mba hifantohana kokoa amin’izy ireo ve?

Rehefa mandalina ianao anio dia hanana fahafahana hanampy ao amin’ny lisitrao. Mikatsaha tari-dalan’ny Ray any An-danitra mba hahafantarana ireo fitahiany anao sy hahafantarana ny fomba ahafahanao mahatsiaro azy ireo mandritra ny fiainanao.

Nitory tamin’ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka.

Rehefa nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka, dia mafy fo ny olona.

Vakio ny teny nolazain’i Almà tamin’izy ireo ao amin’ny Almà 9:8–11, 20–22, hitadiavana teny na andian-teny izay manondro fitahiana nomen’ny Tompo ireo olona ireo ka hadinon’izy ireo.

  • Inona no hitanao?

  • Inona no toetran’ny Tompo asongadin’i Almà ao amin’ny andininy 11? (Hevero ny hanisy marika ireo toetra ireo ao amin’ny soratra masinao.)

Mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe fahari-po dia manondro ny faharetan’ny Tompo sy ny fifehezany tena rehefa misy antony mahatezitra.

Makà fotoana hisaintsainana ireo fomba nampisehoan’ny Tompo faharetana taminao. Azonao atao ny mampiditra ireo ohatra ireo ao amin’ny lisitry ny fitahiana noraisinao.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo.

Tatỳ aoriana, i Almà dia nijoro ho vavolombelona mombana toetra hafa ananan’ny Tompo izay afaka manampy antsika hahatakatra ny hafatr’i Almà. Vakio ny Almà 9:26 ary hevero ny hanisy marika ireo toetra ireo. Mety hanampy ny fahafantarana fa ao amin’ny soratra masina ny teny hoe hitsiny dia midika hoe “ara-drariny” na “marina”.

Rehefa nanohy nitory i Almà, dia nantitranteriny fa i Jesoa Kristy dia feno fahasoavana, hitsiny, fahamarinana, faharetana, famindram-po ary fahari-po. Saintsaino ny antony nanirian’i Almà ny vahoakan’i Amônihà hahatakatra ireo toetran’ny Mpamonjy ireo.

Mampitaha sy mampifanohitra vahoaka roa

Ny soratra masina dia matetika no mampitaha na mampifanohitra hevitra, sy tranga ary vahoaka amin’ny fomba izay mampianatra fitsipika ara-pilazantsara. Ny fitadiavana ireo fampitahana sy fampifanoherana ireo dia afaka ny ho fahaiza-mandalina soratra masina ilaina. I Almà dia nampitaha vondron’olona roa izay tao anatina toe-javatra samy hafa—ny Lamanita sy ny vahoakan’i Amônihà. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity. Tadiavo ny fomba nanasongadinan’i Almà ny toetran’ny Mpamonjy.

Ataovy eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity ary asao hanao izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Azonao atao ny mizara ny kilasy ho vondrona roa ka manasa ny vondrona iray handalina ny Lamanita ary ny iray handalina ny vahoakan’i Amônihà. Na azonao atao ny mizara ny kilasy misy anao ho vondrona kelikely kokoa ka manasa azy ireo hiaraka hameno ilay tabilao.

Ny zavatra ianaranao momba ny vahoaka

Ny fomba nanehoan’ny Tompo fahasoavana, hitsiny, fahamarinana, faharetana, famindram-po, na fahari-po tamin’ireo olona ireo

Lamanita (Almà 9:14–17)

Vahoakan’i Amônihà (Almà 9:20–25)

Rehefa vitan’ny mpianatra izany, dia angataho izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Azonao atao ny manazava fa na dia mpamindra fo amin’ireo izay tsy mahalala ny didiny aza ny Tompo (jereo ny Almà 9:16), ireo izay minia mikomy amin’ny filazantsara sy tsy mety mibebaka dia hahazo fanamelohana lehibe kokoa (jereo ny andininy 23–24). Azonao atao mihitsy ny manasa ny mpianatra hanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3 ho andinin-tsoratra masina mifandray amin’ireo andininy ireo. Alaivo antoka fa tsapan’ny mpianatra sy hitan’izy ireo fa ny famindram-po lehiben’ny Tompo dia omena ireo rehetra izay vonona hibebaka.

  • Amin’ny fomba ahoana ny fanirahana an’i Almà sy Amioleka hampitandrina sy hijoro ho vavolombelona tamin’ny vahoakan’i Amônihà no maneho ny famindram-pon’ny Tompo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amintsika ny mahatsiaro ireo fampianaran’i Almà ao amin’ny Almà 9 amin’izao androntsika izao?

Inona no nomen’ny Tompo anao?

Talanjona i Almà satria vetivety dia hadinon’ny vahoakan’i Amônihà ireo fitahiana nomen’ny Tompo azy ireo amin’ny maha-vahoaka azy ireo (jereo ny Almà 9:8–11). Mba hanampiana azy ireo hibebaka sy hiverina hitodika amin’ny Tompo dia nampahatsiahy azy ireo ny fitahiana maro noraisin’izy ireo i Almà (jereo ny andininy 20–24).

  • Inona avy no antony sasantsasany mety hanadinoantsika ny zavatra nataon’ny Tompo tamintsika?

Omeo fotoana hisaintsainana ireo fitahiana noraisin’izy ireo manokana tamin’ Andriamanitra ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hanampy ao amin’ny lisitra nataon’izy ireo tany am-panombohan’ny fotoam-pianarana ary ampio hieritreritra fomba hahatsiarovana ireo fitahiana ireo izy ireo. Azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hosaintsainin’ny mpianatra mangina.

  • Inona no zavatra “nampahalalain[’ny Tompo [anao] araka ny faniria[nao] sy ny finoa[nao] ary ny vavaka[o]”? (Almà 9:20).

  • Ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy voalaza ao amin’ny Almà 9:21?

  • Ahoana no nanafahan’ Andriamanitra anao tamin’ny fizahan-toetra anao? (Jereo ny Almà 9:22.)

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny sasantsasany amin’ny valin-tenin’izy ireo.

Makà fotoana hanaovana zavatra hanampy anao hahatsiaro ireo fitahiana nomen’ny Tompo anao. Hevitra maromaro ireto manaraka ireto:

  • Alaivo sary ilay lisitra nataonao tao an-dakilasy ary apetraho amin’izay toerana ahafahanao mahita izany matetika, toy ny sary fototra ao amin’ny findainao izany.

  • Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fahatsapanao ary manaova drafitra hirakitra an-tsoratra tsy tapaka ireo fitahiana azonao.

  • Asio fampahatsiahivana ny kalandrienao mba hisaintsainana tsy tapaka ny zavatra nataon’ny Tompo ho anao.

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nataon’izy ireo na ny zavatra kasain’izy ireo hatao sy ny fahatsapan’izy ireo momba izany. Mety ho azonao zaraina ihany koa ny drafitrao.

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitsipika ampianarina ao amin’ity lesona ity sy ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany.

Hamoaka printy