Seminera
Almà 33: Mampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy


“Almà 33: Mampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 33,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 33

Mampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy

Sary
mpianatra mampianatra ny kilasin’ny seminera

Efa nahatsapa faniriana hanaraka ny Tompo akaiky kokoa ve ianao nefa tsy fantatrao hoe inona no hatao? Nanontany an’i Almà mpaminany ny fomba “tokony hanombohan’izy ireo mba hampihatra ny finoany” ireo mahantra teo anivon’ny Zôramita (Almà 33:1). Zava-dehibe ny hahatakaran’ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra ny valintenin’i Almà. Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatakaranao ireo dingana azonao atao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy misimisy kokoa.

Omeo fahafahana hampianatra ny mpianatra. Mitadiava fahafahana hamelana ny mpianatra hampianatra fizarana ao amin’ny lesona. Amporisiho izy ireo hahita ny seminera ho toerana azo antoka hizarana mampianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 33 any an-trano ny mpianatra ary hisafidy andininy iray na andian’andininy tian’izy ireo hotakarina kokoa.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fanontaniana momba ny filazantsara

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity miaraka amin’ny mpiara-mianatra iray miara-miasa aminy na ao anatina vondrona kely.

  • Raha manana fahafahana hametraka fanontaniana iray na roa amin’ny mpaminanin’ Andriamanitra ianao, inona no mety ho tianao ho fantarina? Nahoana?

Ao amin’ny Almà toko 32, ny mpaminany Almà dia nanasa ny Zôramita hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny alalan’ny fikolokoloana ny tenin’ Andriamanitra ao am-pon’izy ireo. Namaly tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana manan-danja vitsivitsy taminy izy ireo.

Vakio ny Almà 33:1 hitadiavana ireo fanontaniana napetrak’izy ireo tamin’ny mpaminany.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety hahafahan’ny tanora iray ankehitriny milaza amin’ny fomba hafa ilay fanontaniana hoe “[amin’ny fomba ahoana no] tokony hanombohan’izy ireo mampihatra ny finoany”?

  • Ahoana no hamalianao izany fanontaniana izany miainga amin’ny zavatra fantatrao momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Ny fampiharana finoana dia mihoatra noho ny finoana fotsiny an’i Jesoa Kristy. Mampihatra finoana isika rehefa manao ny zavatra angatahin’ny Mpamonjy sy minia mikatsaka ny hanaraka Azy. Namaly ny fanontanian’ny Zôramita tamin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo fomba maro ahafahantsika mampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy i Almà.

Misafidiana iray amin’ireto safidy telo manaraka ireto avy amin’ny valintenin’i Almà izay tianao ho takatra tsara kokoa. Miomàna toy ny handeha hampianatra lesona dimy hatramin’ny fito minitra momba ny safidy nosafidinao. Hevero ny hieritreritra momba ny olona iray fantatrao ary miomàna toy ny handeha hizara ilay lesona aminy. Mety ho azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireo hevitra voatanisa eo ambanin’ny “Hevitra amin’ny fanomanana ny lesona” aoriana kely ao ao anatin’ny lesona mba hanampy anao hiomana.

Ampahafantaro ny mpianatra fa izy ireo dia hanana fahafahana hampianatra ny lesona izay homanin’izy ireo amina vondrona kely ahitana mpiara-mianatra. Omeo zavatra hafa azo ampifanoloina amin’izany ny mpianatra izay mety ho mitebiteby loatra hampianatra amin’ny feo mafy. Ao anatin’izany ny fanomezana ny rindran-damin’ny leson’izy ireo na ny fiasana miaraka amina mpiara-mianatra iray izay manana fahatokiana na traikefa misimisy kokoa. Raha misafidy ny tsy hampanomana lesona ny mpianatra ianao dia hevero ny hampiasa ilay hevitra aorian’ny safidy amin’ny fandalinana tsirairay momba ny fomba hampianarana ireo fizarana samihafa ao amin’ny lesona.

Mety hanampy ny mpianatra raha manao maodely fohifohy amin’ny fomba fanomanana lesona fohy ianao. Na azonao atao ny manasa mpianatra manana traikefa mba hizara hevitra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto: “Avy amin’ny traikefa anananao, inona avy ireo dingana voalohany amin’ny fanomanana lesona iray?” na “Toy ny ahoana ny drafitry ny lesona mahazatra iray aminao?” na“Aiza no halehanao mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa momba ny lohahevitrao?”

Hevero ny hanoratra ireto safidy telo manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe mba hisafidianan’ny mpianatra.

Safidy 1: Afaka mampihatra finoana an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsaohana Azy ao anatin’ny vavaka isika. Almà 33:3–11

Soratra masina hafa hojerena: Almà 34:17–27

Raha manapa-kevitra ny handalina ny Safidy 1 ianao fa tsy hampiomana ny mpianatra hampianatra izany, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hitanisa fahamarinana ianaran’izy ireo momba ny vavaka avy amin’ireo andininy ireo. Mety ho azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitramomba ny sasany amin’ireo hevi-dison’ny olona momba ny vavaka izay resahina sy ahitsin’ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo.

Mety ho tsara raha asaina mikaroka andian-teny momba ny vavaka izay manan-danja amin’izy ireo ao amin’ny fihirana ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mizara zavatra niainan’izy ireo manokana izay hita taratra ao amin’ilay tononkira.

Safidy 2: Afaka mampihatra finoana amin’ny alalan’ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra isika. Almà 33:12–18

Soratra masina hafa hojerena: Jaona 3:16; 2 Nefia 2:6–8

Raha manapa-kevitra ny handalina ny Safidy 2 ianao fa tsy hampiomana ny mpianatra hampianatra izany, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ny Almà 33:14, 18. Avy eo dia angataho ny mpianatra hitady sy hizara andinin-tsoratra masina tian’izy ireo indrindra momba ny Zanak’ Andriamanitra avy amin’ny boky iray ao amin’ny soratra masina na inona na inona izany. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ny taranja efatra rehetra ho loharano raha ilaina.

Safidy 3: Afaka mampihatra finoana amin’ny alalan’ny fiandrandrana an’i Jesoa Kristy hanasitrana isika. Almà 33:18–23

Soratra masina hafa hojerena: Nomery 21:4–9; Helamàna 8:14–15

Raha manapa-kevitra ny handalina ny Safidy 3 ianao fa tsy hampiomana ny mpianatra hampianatra izany, dia hevero ny hampiseho ny sary avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara “Mosesy sy ilay bibilava varahina” sy ny “Ny Fanomboana” mandritra ny fotoana hamakian’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina etsy ambony. Asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny antony mety hisafidianan’ny olona ankehitriny ny tsy hiandrandra an’i Jesoa Kristy hanome fanasitranana ara-panahy sy momba ireo loharano mety handrandrain’ny olona ho solon’izany. Anontanio ny mpianatra ny zavatra holazain’izy ireo amin’ny olona iray izay manontany tena raha toa ka tena afaka manampy azy tokoa i Jesoa Kristy.

Raha hanomana sy hampianatra ny lesona ny mpianatra, dia hevero ny hanome ity taratasy zaraina manaraka ity mba hanampy amin’ny fanomanana ataon’izy ireo.

Hevero ihany koa ny hanome ny mpianatra fitaovana mifandray amin’izany ao amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” raha ilaina.

Hevitra amin’ny fanomanana ny lesona

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)—“Almà 33: Mampianatran ny filazantsaran’ny Mpamonjy”

Inona no safidy nosafidinao hifantohana?

Hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto tari-dalana manaraka ireto mba hanampy anao hanomana ny rindran-damin’ny lesonao.

Ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina mety ho arosonao an’ireo ampianarinao mba ho azon’izy ireo asiana marika:

Ny zavatra azon’ireo andininy ireo anampiana ireo ampianarinao ho takatr’izy ireo na ho tsapan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy:

Ny fomba ahafahan’io fahamarinana io miantraika eo amin’ny fiainan’ireo ampianarinao:

Lesona ampitaina amin’ny alalana fampiasana zavatra azo tsapain-tanana, na ohatra tsara maneho olona miaina io fahamarinana io:

Fanontaniana mety hapetrakao mba hanampiana ireo ampianarinao hisaintsaina ny zavatra nampianarin’i Almà:

Zavatra niainanao tamin’ny alalan’ny zavatra nampianarin’i Almà:

Soratra masina hafa na teny hafa nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana:

Ny zavatra mety hanasanao ireo ampianarinao mba hatao noho ny zavatra nianaran’izy ireo:

Asao hifandimby hampianatra ny leson’izy ireo amina mpiara-mianatra miara-miasa aminy na ao anatina vondrona kely ny mpianatra. Tandremo mba tsy hanery ny mpianatra izay mitebiteby loatra ka tsy afaka mampianatra ny leson’izy ireo amin’ny feo mafy. Hevero ny hanasa mpianatra vonona maromaro hampianatra ny kilasy iray manontolo.

Hevero ombam-bavaka ny fomba mety hahafahanao mizara ny zavatra nianaranao amin’ilay olona tao an-tsainao tamin’ny fotoana nanomananao io lesona io.

Asao ny mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny hevi-baovao azon’izy ireo avy amin’ny Almà 33 amin’ny alalan’ny fampiasana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no hevi-baovao azonao momba ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy androany?

  • Ahoana no nanampian’ny fanomanana lesona momba izany anao hahazo ireo hevi-baovao ireo?

Mety ho afaka mizara hevi-baovao manan-danja avy amin’ny Almà 33 izay noraisinao teo am-piomanana hampianatra izany ianao.

Hamoaka printy