Seminera
Almà 53–63: Topimaso ankapobeny


“Almà 53–63: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 53–63,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 53–63

Topimaso ankapobeny

Ny vahoakan’i Amôna dia nanome antsika ohatra mahery vaika amin’ny fitandremana fanekempihavanana na dia amin’ny fotoana iatrehana vokany sarotra aza. Nandritra ny fotoanan’ny ady lehibe, ny zanakalahin’izy ireo dia notarihin’i Helamàna tamina fandresena izay nanavotra ain’olona maro. Ireo zatovo miaramila ireo dia nankatò “ny teny tsirairain’ny fibaikoana tamin’ny antsipiriany,” ary apetrany “lalandava amin’ Andriamanitra ny fitokiany” (Almà 57:21, 27). Tatỳ aoriana i Pahôrana, lohan’ny mpitsaran’ny Nefita, dia voaendrikendrika ho nanao an-tsirambina ireo miaramila tany an’ady ary tsy maintsy nisafidy ny fomba hamaliana.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 53

Tanjon’ny lesona: Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy amin’ny fampitomboana ny fahavononan’ny mpianatra hitandrina ireo fanekempihavanan’izy ireo amin’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hijery ny teny hoe fanekempihavanana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ho vonona hizara ny antony maha-zava-dehibe ny fitandremana ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra.

  • Votoatiny haseho: Sary maneho ny lalan’ny fanekempihavanana; sarin’ny vahoakan’i Amôna mandevina ny fiadian’izy ireo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hanasa mpikambana mahatoky iray ao amin’ny paroasy na sampana iray eo an-toerana, mba hanatrika fotoam-pianarana na hirakitra horonantsary izay mizara fohifohy ny fomba nitahian’ny Tompo azy noho fitandremany ireo fanekempihavanany Taminy. Ataovy azo antoka fa nahazo alalana avy amin’ny mpandrindra na mpitantana ny programa sy ny mpitarika ny fisoronana eo an-toerana ianao alohan’ny handefasanao ny fanasana.

Almà 56

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amim-pahasahiana izy ireo, dia hitahy azy ireo amin’ny heriny ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra zatovo iray na andian-jatovo izay naneho finoana lehibe ny Tompo na dia teo aza ireo zava-tsarotra nolalovany.

  • Taratasy zaraina: “Ny toe-javatra natrehin’ireo zatovo mpiady miisa 2000”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hampiseho ilay sahanasa fampifandraisana ho an’ny kilasy. Rehefa fantatry ny mpianatra iray ny valiny marina, dia asao izy ireo hampiasa ilay endri-javatra maneho fanaovana sary mba hampifandraisana ny toko sy andininy marina amin’ilay famintinana na hanoratra ny valintenin’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny endri-javatra maneho Fifampiresahana.

Almà 57

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hiezaka hankatò amin’ny antsipiriany ireo didin’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra ohatra amin’ny fankatoavan’ny Mpamonjy ny Ray any An-danitra ny mpianatrao ary hisaintsaina ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ireo ohatra ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Omeo fotoana hamitana ny roa amin’ireo sahanasa telo voaisy marika hoe A, B ary D ny mpianatra. Apetraho anatina vondrona kely ao amina efitra fanasarahana izy ireo, ary asao hizara amin’ny vondrona misy azy ireo ny zavatra azony tamin’ny iray tamin’ireo sahanasa nosafidìn’izy ireo. Avy eo dia afangaroy ny efitra fanasarahana, ary asao hizara amin’ny vondrona vaovao misy azy ireo ny zavatra azony tamin’ny iray tamin’ny sahanasa hafa nosafidìn’izy ireo ny mpianatra tsirairay. Atambaro indray ny iray kilasy ary asao ny mpianatra hizara zavatra manan-danja nianaran’izy ireo tamina mpianatra hafa.

Almà 59–61

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manentana ny mpianatra ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa rehefa mamaly ny hadisoan’ny hafa amina fitiavana sy fahari-po nampitomboina izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny zavatra mahasarotra ny miaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy hita ao amin’ny 3 Nefia 11:29–30 saingy antony tena ilana ny miaina amin’ireo fampianarana ireo ny mpianatra.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Mba hanombohana ny lesona dia hevero ny hampiseho ilay teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Avy eo dia asao hampiasa ny endri-javatra maneho Fifampiresahana ny mpianatra mba hanoratana antony hafa mety ahatsapantsika ho tafintohina.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra amin’ny fiainan’izy ireo ny fahamarinana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny fitahiana na tombontsoa rehetra voamarik’izy ireo tamin’ny fiezahana nampihatra ny soratra masina tamin’ny fiainan’izy ireo.

  • Horonantsary:Solving Life’s Problems with the Book of Mormon (Mamaha ny olana eo amin’ny fiainana amin’ny Bokin’i Môrmôna)” (1:00)

  • Votoatiny haseho: “Fifehezana ny fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Omeo fotoana ampy hamitana ny dingana A, B, ary D ny mpianatra, mba hampiharana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ilay rafi-tantara nosafidin’izy ireo. Asao hampiasa sary famantarana ankihibe manondro miakatra iray na hanoratra ny hoe “vonona” ao amin’ny fifampiresahana (Chat) ny mpianatra rehefa vonona hizara ny hevi-baovao azon’izy ireo amin’ny iray kilasy. Hahatsapa ho mahatoky tena kokoa ny mpianatra raha omena fotoana ampy hiomanana.

Hamoaka printy