Seminera
Almà 56: Zatovolahy mpiady miisa 2000


“Almà 56: Zatovolahy mpiady miisa 2000,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 56,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 56

Zatovolahy mpiady miisa 2000

Sary
Renim-pianakaviana Lamanita mamihina ny zanany lahy kely raha toa ka miomana ny hanainga ny zokiny lahy mitana lefona.

Afaka mianatra lesona lehibe amin’ny ohatra mahatoky nasehon’ny zatovo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika. Nandritra ny fotoanan’ny ady lehibe, i Helamàna dia nitarika zatovolahy mahery miisa 2000 tamina fandresena izay nanavotra ain’olona maro. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amim-pahasahiana ianao, dia hitahy anao amin’ny heriny ny Tompo.

Ekeo fa manana fahafahana hahavita zavatra avy amin’ Andriamanitra ny mpianatrao. Tsarovy fa ny mpianatra tsirairay dia zanak’ Andriamanitra. Rehefa fantatry ny mpianatra fa inoanao ny fahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa, dia hitombo ny fahatokian’izy ireo ny fahafahany hahavita zavatra. Ankasitraho rehefa miezaka ny ho mpankatò kokoa ny mpianatra, ento amin-katsaram-panahy ny hafa, ary manaova asa amim-pinoana.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ohatra iray momba ny zatovo iray na andian-jatovo izay naneho finoana lehibe ny Tompo na dia teo aza ireo zava-tsarotra nolalovany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fananana herim-po

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireto asa manaraka izay mety hampatahotra na sarotra ireto. Azonao atao ny manampy na manova asa mba hifanaraka kokoa amin’ny mpianatrao. Ao anatin’ny ohatra hafa amin’ny asa ireto manaraka ireto: zarao ny fijoroanao ho vavolombelona, zarao amin’ny namana iray ny filazantsara, ary mibebaha.

Alaovy sary an-tsaina ny mety ho fahatsapanao sy ny anton’izany raha angatahina hanao ireto manaraka ireto ianao:

  • Hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

  • Hitandrina ireo didy na dia tsy tian’ny olona aza izany

  • Hiteny ao am-piangonana na hampianatra lesona

Manasà mpianatra vitsivitsy hifantina ny iray amin’ireo asa ary hizara ny mety ho fahatsapan’izy ireo sy ny anton’izany.

  • Inona avy no fisalasalana mety ho tsapanao fa maka fanahy anao ao amin’ireo toe-javatra ireo?

Mba hanomanana ny mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny zavatra andeha hohalalinin’izy ireo amin’izy ireo, dia asao hanao tsara ireto manaraka ireto izy ireo:

Ao amin’ny diary fandalinanao, manorata zavatra iray izay mety ho tian’ny Tompo hataonao amin’izao fotoana izao na tsy ho ela, ka mety hampatahotra na ho sarotra aminao. Azonao atao ihany koa ny mirakitra an-tsoratra ny fisalasalana na fanahiana rehetra mety hanananao. (Hiverina amin’io teny iditra io ianao ao aoriana kely ao amin’ny lesona.)

Saintsaino ny zavatra mety ho tsy maintsy fantatrao na takatrao mba hiatrehana io asa io amim-pahatokian-tena. Rehefa mandalina ianao, dia katsaho ny tari-dalan’ny Tompo mba hanampy anao hahita sy hahatakatra fahamarinana izay hanampy anao.

Epistily nosoratan’i Helamàna ho an’i Môrônia

Ny Almà 56–58 dia taratasy nosoratan’i Helamàna ho an’ny Kapiteny Môrônia nandritra ny ady. I Helamàna dia nanoratra mombana andian-jatovo avy any amin’ny Antia-Nefia-Lehia fantatra tamin’ny hoe zatovolahy mpiady 2000. Ireo zatovolahy notarihin’i Helamàna ireo dia nanampy ny tafika iray notarihin’i Antipo ary niomana hiaro ny tanin’izy ireo sy ny fianakavian’izy ireo tamin’ny Lamanita (jereo ny Almà 56:9–12).

Ampio hahatakatra ny zavatra mitranga ao amin’ny Almà 56:30–44 ny mpianatra. Ao anatin’ny fomba sasantsasany ahafahanao manao izany ireto manaraka ireto:

  1. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity sahanasa fampifandraisana manaraka ity, na omeo tahadikan’ilay taratasy zaraina ny mpianatra. Ny valiny amin’ilay sahanasa fampifandraisana dia 1-a, 2-d, 3-e, 4-b.

  2. Asio mpianatra telo eny aloha ka izy ireo dia hametaka kara-pamantarana manondro ny tsirairay amin’izy ireo ho anankiray amin’ireo tafika telo (Ny zatovolahy mpiady miisa 2000, ny miaramilan’i Antipo, ny miaramilan’ny Lamanita). Ireo mpianatra eny aloha dia afaka mamerina manao ny fihetsik’ireo tafika ireo rehefa mamaky ireo andininy ny mpianatra.

Ny toe-javatra natrehin’ireo zatovolahy mpiady miisa 2000

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Almà 56: Zatovolahy miaramila roa arivo”

Mba hahafantarana momba ny toe-javatra nampatahotra sy sarotra natrehin’ireo zanak’i Helamana, dia vakio ireto andininy manaraka ireto ary ampifandraiso amin’ireo fanambarana mamintina marina izy ireo.

1.___Almà 56:30–33

a. Nandidy an’i Helamàna sy ny mpiadiny 2000 handalo teo akaikin’i Antiparà i Antipo, mba hanandramana misarika ny Lamanita hivoaka ny tanàna.

2.___Almà 56:34–38

b. Rehefa afaka telo andro dia tsy nahita ireo Lamanita tao aorian’izy ireo intsony ireo mpiady 2000. Tsy fantatr’izy ireo raha nahatratra ny Lamanita ny miaramilan’i Antipo na ny Lamanita no niezaka nisarika azy ireo ho amina vela-pandrika. Nanontanian’i Helamàna ny miaramila tanorany raha toa ka vonona handeha hiady izy ireo.

3.___Almà 56:39–42

c. Rehefa niala tao an-tanàna hanafika ireo mpiady 2000 ny Lamanita, dia narahin’ny miaramilan’i Antipo.

4.___Almà 56:43–44

d. Raha tokony ho nitodika hiady tamin’i Antipo ireo Lamanita, dia naleon’izy ireo nanafaingana ny dian’izy ireo, nanantena ny hamono ny miaramilan’i Helamàna alohan’ny hanafihan’i Antipo azy ireo avy ao aoriana.

Manapa-kevitra raha toa ka hiady

Alaovy sary an-tsaina hoe niaraka tamin’ireo zatovolahy mpiady ianao ary nanontaniana raha toa ka vonona handeha hiady na tsia. Inona no mety havalinao? Inona no mety hisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitrao?

Vakio ny Almà 56:45–48, hitadiavana ny zavatra notapahin’ireo zatovolahy ireo hatao sy ny anton’izany.

Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra. Raha tsy mandeha ho azy amin’izy ireo ny fizarana ny valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, dia hevero ny hametraka amin’izy ireo ny fanontaniana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 46, inona no fantatr’ireo zatovolahy ireo?

    Hevero ny hamporisika ny mpianatra hanisy tsipika eo ambanin’ny valiny amin’io fanontaniana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Iza no nampianatra azy ireo io fahamarinana io? (Jereo ny Almà 56:47–48.)

  • Ahoana no mety ho nanomezan’io fahamarinana io herim-po azy ireo handeha hiady?

Alaovy sary an-tsaina ny mety ho fahatsapan’ Andriamanitra rehefa nitoky tanteraka Taminy ireo zatovolahy ireo tao anatina toe-javatra nampatahotra sy sarotra.

Fiarovana tao amin’ny ady

Vakio ny Almà 56:49–56, ary tadiavo ny zavatra nitranga rehefa “tsy niroanahana” tamim-pahasahiana (Almà 56:47), na, amin’ny teny hafa, nampihatra finoana an’ Andriamanitra, ireo zatovolahy mpiady.

  • Inona no nianaranao tamin’ireo andininy ireo?

Iray amin’ireo fitsipika azontsika ianarana amin’ireo zatovolahy mpiady ny hoe rehefa manana herim-po hanao asa amim-pinoana isika, dia handray hery avy amin’ Andriamanitra isika.

Zava-dehibe ny mahalala fa na dia niaro ny miaramilan’i Helamàna aza Andriamanitra, dia mety tsy hiaro ara-batana mandrakariva ny mpino Izy. Saingy hitahy azy ireo mandrakariva amin’ny fomba fantany fa hahazoan’ny fanahin’izy ireo tombony Izy (jereo ny Almà 60:12–13).

  • Inona no ampianarin’io tantara io anao momba an’ Andriamanitra sy ny heriny?

Asao hifantina sy hamita ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto ny mpianatra, mba hanampy azy ireo hampitaha ny tantaran’ny miaramilan’i Helamàna amin’ny tenan’izy ireo sy ny toe-javatra misy azy ireo. Mety hanampy raha aseho ny safidy, mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany rehefa misafidy sy mamita izany izy ireo. Ampahafantaro ny mpianatra fa izy ireo dia hanana fahafahana hizara ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo.

Safidy A. Toe-javatra tena misy amin’ny fiainana

Mitadiava toe-javatra iray izay mety hilan’ny zatovo ankehitriny misafidy mba hahasahiana manao asa amim-pinoana tahaka ny nataon’ireo miaramila tanora mahatokin’i Helamàna. Milazà fisalasalana vitsivitsy mety hananan’ny zatovo amin’izany toe-javatra izany. Avy eo dia milazà fomba iray na roa ahafahan’ny zatovo mampihatra finoana an’ Andriamanitra na dia manana fisalasalana aza. Mizarà fomba izay mety hitahian’ny Ray any An-danitra azy ireo amin’ny hery rehefa manao asa amim-pinoana izy ireo.

Safidy B. Nampianarin’ny reniny avy izy ireo

Manorata momba ny reninao na vehivavy hafa eo amin’ny fiainanao izay nampianatra anao hanana finoana an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, tahaka ny renin’ireo zatovolahy mpiady. Makà fotoana hiraketana ny zavatra nampianariny anao, tamin’ny teny sy tamin’ny alalan’ny ohatra ary ny fomba nitondrany fiantraikany teo aminao. Mety ho azonao ampidirina ny fomba nanarahanao ny ohatra nasehony mba hampiharana finoana ny Tompo sy hiainana ny heriny.

Asao hanao tatitra ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy ny mpianatra. Mety hanampy raha asaina hizara amina mpiara-mianatra iray izay nisafidy safidy hafa aloha izy ireo.

Mieritrereta zavatra iray izay mety ho tian’ny Tompo hataonao amin’izao fotoana izao na tsy ho ela, ka mety hampatahotra na ho sarotra aminao. Azonao atao ihany koa ny mitadidy ny fisalasalana na fanahiana rehetra mety nanananao. Ao amin’ny diary fandalinanao, soraty ny zavatra fantatrao momba an’ Andriamanitra sy ny zavatra nianaranao momba Azy amin’ny tantaran’ireo zatovolahy mpiady izay mety hanampy anao amin’io toe-javatra io. Azonao atao ny mampiditra fomba ahatsapanao ho entanim-panahy haneho finoana Azy sy ny fomba ahafahany manatanjaka anao.

Hamoaka printy