Seminera
Alma 57: Miezaka mankatò ireo didy lalandava


“Almà 57: Miezaka mankatò ireo didy lalandava,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 57,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 57

Miezaka mankatò ireo didy lalandava

Zatovolahy mpiady naratra

Ahoana ny toe-tsainao amin’ny fitandremana ireo didy? Nahoana no manan-danja ny toe-tsainao? Tao anatin’ny fotoana niadian’izy ireo tamina ady mampidi-doza iray hafa, ireo zatovolahy mpiady dia nankatò “ny teny tsirairain’ny fibaikoana tamin’ny antsipiriany,” nametraka “lalandava amin’ Andriamanitra ny fitokiany” (Almà 57:21, 27). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hiezaka hankatò lalandava ireo didin’ Andriamanitra.

Ampio ny mpianatra hizatra ampiasa ny fahaiza-mandalina mandritra ny taona. Azon’ny mpampianatra atao ny maneho amin’ny mpianatra ny fomba fampiasana fahaiza-mandalina soratra masina sy fomba fianarana maro samy hafa ao an-dakilasy. Azonareo atao ny miato kely sy mifanakalo hevitra fohifohy amin’ny fomba ahafaha-mampiasa fomba fiasa na fahaiza-manao iray ary avy eo mampihatra izany mandritra ny lesona. Amporisiho ny mpianatra hampiasa ihany koa ilay fahaiza-manao amin’ny fandalinan’izy ireo manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra amin’ny fankatoavan’ny Mpamonjy ny Ray any An-danitra sy hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo ianarana amin’ireo ohatra ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Toe-tsaina amin’ny fitandremana ireo didy

Mba hanampiana amin’ny fanomanana ny mpianatra hianatra momba ny fitandremana ireo didy, dia hevero ny hanasa azy ireo hanao ity sahanasa manaraka ity. Amporisiho ny mpianatra mba ho famaritana maneho zava-misy marina sy mifanaraka amin’ny toe-javatra misy no hataon’izy ireo.

Mamarita toe-tsaina telo samy hafa mety hananan’ny olona iray amin’ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra sy ny anton’izany.

Rehefa mizara ny mpianatra, dia hevero ny hanoratra ireo toe-tsaina eny amin’ny solaitrabe. Amporisiho ny mpianatra hizara antony maneho zava-misy marina mety hananan’ny olona iray io toe-tsaina io.

Azonao atao ny manoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao:

  • Ahoana ny toe-tsainao amin’ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra? Nahoana no manan-danja ny toe-tsainao?

  • Raha tsy miezaka mitandrina ireo didy amin’ny fomba tsara indrindra azonao atao ianao amin’izao fotoana izao, dia inona no manakana anao tsy hanao izany?

Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fitsipika momba ny fankatoavana izay mety hanentana sy handrisika anao ary hanampy anao amin’ny fanontaniana sy ahiahy rehetra. Saintsaino ny fomba ahafahan’izany mihatra sy mitahy ny fiainanao.

Zatovolahy mpiady

Ao amin’ny lesona teo aloha, dia nianaranareo ny fomba nanampian’ireo zatovolahy mpiady miisa 2000 an’i Antipo sy ireo lehilahy niaraka taminy nandresy ny miaramilan’ny Lamanita “mahery indrindra” sy “maro an’isa indrindra” tao amin’izany ampahan-tany izany (jereo ny Almà 56:34). Ao amin’ny Almà 57, i Helamàna dia nanohy ny taratasiny ho an’ny Kapiteny Môrônia. Zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna enim-polo hafa no nikambana tamin’ny miaramilany (jereo ny Almà 57:6), ary ireo zatovo mpiady 2060 dia niatrika loza mitatao hafa. Notafihan’ny Lamanita ny Nefita ary efa saika resy izy ireo no indro nanampy azy ireo i Helàmana sy ireo vatan-dehilahy izay nanatitra ireo babo Lamanita (jereo ny Almà 57:1–18).

Fahaiza-mandalina soratra masina roa izay afaka mampitombo ny fandalinanao io tantara io sy manampy anao hampihatra ireo lesona ao amin’izy io eo amin’ny fiainanao ny famantarana sy fisaintsainana teny na andian-teny manan-danja.

Vakio ny Almà 57:19–23 mba hahitana ny zava-nitranga. Hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mamaritra ireo zatovolahy mpiadin’i Helamàna.

Mba ho ohatra fampiharana io fahaiza-manao io, dia hevero ny hiaraka handalina ny Almà 57:19–20 sy hanasongadina ny teny na andian-teny toy ny hoe “nahery” sy ny hoe “tsy nilefitra”. Hevero ny hamporisika ny mpianatra hijery ny hevitr’ireo teny ireo sy hizara ny fomba iantraikan’ireo hevitra ireo amin’ny fahatakaran’izy ireo. Avy eo dia asao ny mpianatra hitady teny sy andian-teny manan-danja hafa ao amin’ny Almà 57:21–23 ary hizara ny hevitr’izy ireo momba izany.

Ao amin’ny andininy 21, hevero ny hanisy marika ny fomba namaritan’i Helamàna ny fankatoavan’ireo zatovolahy ireo. Vakio ny Almà 58:40, hitadiavana ny toe-tsain’ireo mpiady ireo nanoloana an’ Andriamanitra sy ireo didiny taorian’ilay fanafihana nampidi-doza avy teo.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “hanatontosa ny teny tsirairain’ny fibaikoana amin’ny antsipiriany” (Almà 57:21) sy ny hoe “ezahiny ny hitandrina lalandava … ny didiny” (Almà 58:40)?

  • Ahoana no iantraikan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fahatsiarovantsika Azy amin’ny faniriantsika sy fahafahantsika mankatò ireo didin’ Andriamanitra?

Vakio ny Almà 57:24–27, hitadiavana ireo teny na andian-teny izay mampiseho ny fomba nitahiana ireo zanakalahin’i Helamàna tamin’ny ady faharoa nataon’izy ireo noho ny finoana sy fankatoavan’izy ireo an’ Andriamanitra.

Asao ny mpianatra hizara ireo andian-teny nanan-danja tamin’izy ireo sy ny antony iheveran’izy ireo ny maha-zava-dehibe ireo andian-teny ireo.

  • Inona no nianaranao tamin’io tantara io ka azo ampifandraisina amin’ny fiainanao ankehitriny?

Amporisiho ny mpianatra hizara fitsipika samihafa. Hevero ny hanoratra ny valin-teny eny amin’ny solaitrabe.

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe raha mametraka ny fahatokiantsika amin’ Andriamanitra isika ary miezaka mitandrina lalandava ny didiny, dia hitahy antsika amin’ny heriny mahagaga Izy.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana fa misy “Andriamanitra marina” izay manana “hery mahagaga” sy “mahatalanjona” (Almà 57:26) miantraika amin’ny toe-tsaintsika manoloana ny fankatoavana Azy?

  • Inona, araka ny eritreritrao, no toe-tsaina mety ho tian’ny Tompo hananantsika rehefa miezaka mitandrina ireo didiny isika saingy tsy mahavita mankatò tanteraka? Ahoana no anampian’ny fahatakaranao ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny famaliana io fanontaniana io?

Zava-dehibe ny mahatakatra fa rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika amin’ny fombany sy ny fotoanany Izy. Tamin’ireo ady anankiroa nataon’izy ireo, ireo zatovolahy mpiady dia voatahy tamin’ny alalan’ny fiarovana ny ain’izy ireo na dia teo aza ny ady sy ratra nampidi-doza.

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hanaovana ny roa farafahakeliny amin’ireto manaraka ireto.

  1. Mamakia roa farafahakeliny amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hampitomboana ny fahatakaranao ny tanjon’ireo didin’ Andriamanitra sy ny fomba mety hitahiana anao noho ny fankatoavanao: Abrahama 3:25; Jaona 14:15; Môzià 2:41; Almà 9:13.

  2. Mieritrereta ohatra amin’ny fankatoavan’ny Mpamonjy ny Ray any An-danitra, ary saintsaino ny zavatra ianaranao amin’ny ohatra nasehony. Ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “ny fitiavantsika ny Mpamonjy dia tena ilaina mba hananana fankatoavana tahaka ny an’ny Mpamonjy” (“Raha Tia Ahy Hianareo, dia Hitandrina ny Didiko,” Liahona, mey 2014, 37). Eritrereto ny sasany amin’ireo antony itiavanao ny Mpamonjy sy ny fiantraikan’izany fitiavana izany amin’ny toe-tsainao manoloana ny fankatoavana ireo didy.

  3. Saintsaino ny fomba nankatoavanao ireo didin’ Andriamanitra sy ireo fitahiana nomeny anao noho ny fankatoavanao.

Rehefa mahavita ny mpianatra, dia asao izy ireo hanao izay azony atao mba hanarahana ireto toromarika ireto: Mitsangàna. Mitadiava olona iray ato an’ny efitrano ary zarao ny zavatra nianaranao tamin’ny iray amin’ireo asa. Mitadiava olona iray hafa ato an’ny efitrano ary zarao aminy ny zavatra nianaranao tamin’ny iray amin’ireo asa hafa. Miverena eny amin’ny toeranao.

Rehefa vitan’ny mpianatra izany, dia asao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra iray nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo manokana na zavatra iray manan-danja nozarain’ny mpiara-mianatra iray.

Eritrereto ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra. Lazalazao hoe mety hanao ahoana marina tokoa izany miezaka mahatsiaro ny Tompo sy mankatò lalandava io didy io izany ho ana zatovo iray ankehitriny. Avy eo dia lazalazao ireo fitahiana mety horaisin’ny zatovoiray izay mankatò toy izany.

  • Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahatsapantsika ho alaim-panahy tsy hanao izay azontsika atao mba hankatoavana ny didy iray? Ahoana no mety hahafahantsika mandresy ireny fakam-panahy ireny?

  • Nahoana ny hoe mitandrina ireo didy lalandava no mitaky antsika mba hiantehitra amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy?

Mba hamaranana ity lesona ity, dia mametraha tanjona ao amin’ny diary fandalinanao amin’ny fomba tianao “[ha]hatsiarovana ny Tompo Andriamanitr[ao] isan’andro isan’andro; [sy] … [h]iezahana ny hitandrina lalandava … ny didiny” (Almà 58:40). Azonao atao ny mifantina didy iray manokana tianao hankatoavina tsara kokoa. Ao anatin’ny tanjonao, hevero ny hanome fe-potoana ny tenanao—ohatra, “Hiezaka ny hivavaka amin-kitsimpo marain-tsy hariva aho mandritra ny dimy andro manaraka” na “H aho amin’ny andro Sabata mandritra ny efatra herinandro manaraka”.

Mety hanampy ny fahafantarana fa ao amin’ny lesona “Tombano ny fianaranao 7” dia hisy fotoana hahafahan’ny mpianatra manombana ny fandrosoan’izy ireo.