Seminera
Almà 53: Mitandrina ireo fanekempihavanantsika


“Almà 53: Mitandrina ireo fanekempihavanantsika,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 53,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 53

Mitandrina ireo fanekempihavanantsika

Sary
vahoakan’i Amôna nandevina ny fiadian’izy ireo

Isika rehetra dia miatrika fitsapana eto amin’ity fiainana ity izay mety haka fanahy antsika handika ireo fanekempihavanantsika tamin’ Andriamanitra . Ny vahoakan’i Amôna dia nanome antsika ohatra mahery vaika amin’ny fitandremana fanekempihavanana na dia amin’ny fotoana iatrehana toe-javatra sarotra aza. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy amin’ny fampitomboana ny fahavononanao hitandrina ireo fanekempihavananao amin’ Andriamanitra.

Ampianaro ho mpitandrina fanekempihavanana ny mpianatra. Ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana dia fomba iray ahafahantsika maneho ny fanoloran-tenantsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy. Ampio ny mpianatra hahafantatra ny hery, famindram-po ary fitaomana avy amin’ Andriamanitra azon’izy ireo raisina amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hijery ny teny hoe fanekempihavanana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ho vonona hizara ny antony maha-zava-dehibe ny fitandremana ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ny lalan’ny fanekempihavanana

Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity na hanao sarin-javatra anankiray mitovitovy aminy eny amin’ny solaitrabe. Aleo misafidy ny hanome tahadikan’ilay sary ny mpianatra toy izay hanasa azy ireo hanao sarin’ilay lalana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Ao amin’ny diary fandalinanao, manaova sarina lalana toy ilay iray eo amin’ity sary manaraka ity mba hanehoana ny fiainantsika sy ireo fanekempihavanana tena ilaina mila ataontsika mba hiverenana amin’ny Ray any An-danitra. Mba tsy hanaovana ireo sary boribory, dia azonao atao ny manoratra ireo fanekempihavanana izay asehon’ny sary tsirairay. Ohatra, mba tsy hanaovana ilay sary fahefatra (manisa miakatra avy any ambany), dia azonao soratana manaraka ny lalana ny hoe “fanafiana masin’ny tempoly”.

Sary
lalan’ny fanekempihavanana

Manaova marika (na manaova sary maneho ny tenanao) manondro ny hoe aiza amin’ny lalan’ny fanekempihavananao manokana no misy anao amin’izao fotoana izao.

Tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary Izy ireo dia hanampy anao amin’ireo ezaka ataonao hijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, izay mitondra miverina any amin’Izy ireo. Makà fotoana hahatsiarovana ireo fanekempihavanana efa nataonao tamin’Izy Ireo sy ireo fomba iezahanao mitandrina ireny fanekempihavanana ireny. (Raha toa ka hanampy ny famerenana mijery ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa sy havaozina amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo, dia vakio ny Môzià 18:8–10 sy ny Môrônia 4:3.)

Tao anatin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety voalohany nataon’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny maha-mpaminany vao nantsoina azy, dia nampianatra toy izao izy:

Ankehitriny dia izao no lazaiko amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza. (Russell M. Nelson, “Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Ensign, apr. 2018, 7)

  • Inona aminao no dikan’ny hoe “mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana”?

  • Inona avy no fitahiana homen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo izay mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

Azonao atao ny manoratra zavatra toy ny hoe “fiainana mandrakizay,” “tonga tahaka an’ Andriamanitra,” “fianakaviana mandrakizay,” sy ny sisa eo amin’ny fiafaran’ny sarin’ilay lalana nataonao.

Amina ambaratonga 1 hatramin’ny 5 (ka ny 1 dia tsy misy fahavononana ary 5 dia fahavononana hentitra), saintsaino ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Manao ahoana ny fahavononanao hitandrina ireo fanekempihavanana efa nataonao tamin’ Andriamanitra? Nahoana?

  • Manao ahoana ny fahavononanao hanao ireo fanekempihavanana Aminy izay mbola eo anoloanao? Nahoana?

Rehefa mandalina ianao anio dia mikatsaha fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra mba hahatakatra sy haniry tsara kokoa ny hanao sy hitandrina fanekempihavanana Aminy.

Ny vahoakan’i Amôna

Sary
vahoakan’i Amôna nandevina ny fiadian’izy ireo

Mampisehoa sarin’ny vahoakan’i Amôna mandevina ny fiadian’izy ireo.

Ao amin’ny Almà 24, ny vondrona Lamanita nibebaka iray fantatra amin’ny hoe vahoakan’i Amôna, dia nanao fanekena tokana tamin’ Andriamanitra mba hiarovana azy ireo tsy hianjera indray amin’ny fahotan’izy ireo tany aloha rehefa avy nodiovin’ny Mpamonjy.

Vakio ny Almà 53:10–12 mba hamerenana mijery ny fanekempihavanan’izy ireo (na fianianana).

  • Araka ny andininy 11, vonona ny hanao inona izy ireo mba hitandremana ny fanekempihavanan’izy ireo?

Tatỳ aoriana, rehefa nanafika ny Nefita ny tafika Lamanita mahery vaika iray, dia voatery niditra tamina ady mahatsiravina ny Kapiteny Môrônia sy ny tafiny. Vakio ny Almà 53:13 sy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, hitadiavana ny fanapahan-kevitra sarotra natrehin’ny vahoakan’i Amôna.

Tao anatin’ny fotoana lehibe teo amin’ny fiainany ara-panahy ny vahoakan’i Amôna. Nahatoky tamin’ny fanekempihavanany ny tsy handray fitaovam-piadiana intsony izy ireo hatramin’izay. Kanefa izy ireo dia nahatakatra fa ny raim-pianakaviana dia tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny fianakaviany. Izany zavatra nilaina izany dia lehibe loatra tamin’izy ireo ka mendrika ny handinihana ny tokony handravana ny fanekempihavanany. (Richard G. Scott, “Herin’ny tena manokana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2013, 82)

Jereo ny sarin’ny lalan’ny fanekempihavanana nataonao. Eo anelanelan’ny toerana misy anao eo amin’ilay lalana amin’izao fotoana izao sy ny fanekempihavanana amin’ny hoavy izay anasan’ny Mpamonjy anao ny fanaovana azy, milazà toe-javatra izay mety haka fanahy ny tanora handika ireo fanekempihavanana efa nataon’izy ireo sy manelingelina azy ireo tsy hifantoka amin’ny fanaovana fanekempihavanana any amin’ny hoavy, ao anatin’izany ny fanekempihavanan’ny tempoly.

Manasà mpianatra manolo-tena hilaza toe-javatra na hanao sarina sakana noeritreretin’izy ireo eo amin’ilay lalana eny amin’ny solaitrabe.

Rehefa manohy mandalina ianao, dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao hiroso na aiza na aiza toerana misy anao, na inona na inona fanamby atrehinao amin’izao fotoana izao.

Ny torohevitr’i Helamàna mpaminany

Vakio ny Almà 53:14–15; 56:7–8, hitadiavana ny torohevitr’i Helamàna mpaminany tamin’ny vahoakan’i Amôna. (Ny Almà 56 dia taratasy nosoratan’i Helamàna ho an’ny Kapiteny Môrônia nanazava ny zava-nisy.)

  • Ahoana no mety hamintinanao ny zavatra nianaranao momba ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?

Mety nianaranao ny fahamarinana toy ny hoe rehefa misafidy ny hitandrina ireo fanekempihavanantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika, dia hanampy antsika sy hanamafy antsika Izy ireo ary raha misafidy ny handika ireo fanekempihavanantsika amin’Izy Ireo isika, dia ho very fitahiana nokasaina ho antsika isika.

Ny Loholona Scott dia nanazava ny fomba nitahian’ Andriamanitra ny vahoakan’i Amôna noho ny nitandreman’izy ireo ny fanekempihavanan’izy ireo.

Ny fanoloran-tenan’izy ireo feno fanetren-tena sy nandritra ny androm-piainany ny tsy hamerina intsony ny fahotany dia niaro bebe kokoa ny fianakaviany raha ampitahaina amin’izay zavatra hafa mety ho azon’izy ireo natao tany amin’ny toeram-piadiana. Tsy nanakana azy ireo handray fitahiana ny fanoavan’izy ireo. Nampatanjaka azy ireo sy nitahy azy ireo ary nitahy taranaka maro nifandimby taty aoriana izany. (Richard G. Scott, “Herin’ny Tena Manokana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2013, 83)

Hevero ny hanasa ny mpianatra hikaon-doha tsiroaroa na anatina vondrona kely amin’ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Avy eo dia asao ny vondrona tsirairay hanoratra valinteny iray eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay lalan’ny fanekem-pihavanana.

  • Inona avy no fomba sasantsasany mety hanatanjahan’ny Tompo sy hitahiany anao rehefa miezaka manao sy mitandrina ireo fanekempihavananao ianao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fitandremana ny fanekempihavananao manamafy ny fifandraisanao amin’ny Tompo?

Zatovolahy roa arivo no niditra tamina fanekempihavanana iray

Ny vahoakan’i Amôna izay nanao ny fanekempihavanana dia nankatò ny torohevitr’i Helamàna tsy handray fiadiana. Fomba iray nitahian’ny Tompo azy ireo ny safidin’ny zanakalahin’izy ireo hanao sy hitandrina fanekempihavanana azy ireo manokana. Ao amin’ireo toko manaraka dia ianarantsika fa Andriamanitra dia nampiasa ireo zatovolahy nitandrina fanekempihavanana ireo tamin’ny fomba mahagaga mba hiaro ny fianakavian’izy ireo sy ny Nefita.

Vakio ny Almà 53:16–22. Asio marika ny toetra sy famaritana ireo zatovolahy ireo ka hanampy azy ireo hitandrina fanekempihavanana. (Mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe fahononan-tena dia afaka manondro ny hoe tony, matotra, na mieritreritra.)

  • Inona avy no toetra tsikaritrao tamin’ireo zatovolahy ireo ka hanampy ny zatovo ankehitriny hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo?

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no mety ho niantraikan’ny toetra hentitra nananan’ny ray aman-drenin’izy ireo mahakasika ny fitandremana fanekempihavanana tamin’ireo zatovolahy ireo?

  • Iza no fantatrao hoe ohatra lehibe aminao amin’ny fitandremana fanekempihavanana?

Ny lalan’ny fanekempihavananao

Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao na tsapanao androany ka mety hampitombo ny fahavononanao hijanona eo amin’ilay lalana miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mety ho azonao ampidirina ny fakam-panahy na fanelingelenana rehetra atrehinao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavananao sy ny mety hanampian’ny fahavononanao sy ny fahatokianao ny Tompo anao handresy azy ireny.

Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ny fomba nitahian’ Andriamanitra anao noho ny nanaovanao sy nitandremanao fanekempihavanana Taminy.

Hamoaka printy