Avia, hanaraka Ahy 2024
2–8 desambra: “Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara.” Môrônia 1–6


“2–8: -Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara.- Môrônia 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“2–8 desambra. Môrônia 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana (2023)

Sary
I Almà nanao batisa olona tao amin’ny ranon’i Môrmôna

Minerva Teichert (1888–1976), I Almà manao batisa eo amin’ny ranon’i Môrmôna, 1949–1951, peinture à l’huile sur masonite, 91 x 122 santimetatra. Tranombakoky ny zavakanto an’ny Brigham Young University, 1969

2–8 desambra: “Hitehirizana azy amin’ny lalana tsara”

Môrônia 1–6

Noheverin’i Môrônia fa vita ny asany amin’ny fitanana an-tsoratra rehefa nahavita ny rakitsoratry ny rainy momba ny Nefita sy avy namintina ny rakitsoratr’ireo Jaredita izy (jereo ny Môrônia 1:1). Satria inona moa no zavatra fanampiny azo lazaina momba ireo firenena lehibe roa izay rava tanteraka ireo? Saingy hitan’i Môrônia ny androntsika (jereo ny Môrmôna 8:35), ka nentanim-panahy “[ha]noratra zavatra misimisy ihany [izy] fa angamba hisy lanjany ireny … amin’ny andro ho avy” (Môrônia 1:4). Fantany fa nananontanona ny fiavian’ny apôstazia izay mitondra fisavoritahana momba ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fivavahana amin’ny ankapobeny. Izany angamba no antony nanomezany antsipiriam-panazavana momba ny fanasan’ny Tompo, ny batisa, sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ireo fitsofandrano mandritra ny fivoriana iarahan’ny iray finoana mba “hitehirizana [ny tsirairay] eo amin’ny lalana tsara, … tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy izay tompo[ntsika] sy mpanefa ny finoa[ntsika]” (Môrônia 6:4). Manome antsika antony hahafeno fisaorana ny Tompo ny fahalalana sarobidy toy ireny noho ny nitsimbinany ny ain’i Môrônia mba hahafahany “manoratra zavatra misimisy kokoa” (Môrônia 1:4).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môrônia 1

Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy aho na dia eo aza ny fanoherana.

Teo am-pamakianao ny Môrônia 1 dia inona no fanentanam-panahy voarainao teo anatrehan’ny fahatokian’i Môrônia amin’ny Tompo sy ny antsony? Amin’ny fomba ahoana ny olona no “[m]andà an’i Kristy”? (Môrônia 1:2–3). Saintsaino ny amin’ny fomba hahafahanao maneho fahatokiana an’i Jesoa Kristy, na dia rehefa miatrika fitsapana sy fanoherana aza ianao.

Môrônia 2–6

Tsy maintsy tanterahina araka ny nandidian’ny Tompo azy ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Natahotra ny amin’ny ainy i Môrônia tamin’ny fotoana nanoratany ireo toko ireo. Koa dia nahoana ary izy no nisahirana nanoratra antsipirian-javatra mahakasika fitantanan-draharaha toy ny hoe ahoana no fomba fanatanterahana ôrdônansy? Saintsaino izany rehefa mamaky ny Môrônia 2–6 ianao. Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe amin’ny Tompo ireo antsipirian-javatra ireo? Ireto misy fanontaniana vitsivitsy izay afaka ny hitarika anao amin’ny fandalinanao:

Fandraisana ho mpikambana (Môrônia 2; 6:4).Inona no ampianarin’ireo torolalan’ny Mpamonjy ao amin’ny Môrônia 2:2 anao momba ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana? Ahoana no hanazavanao ny dikan’ny hoe “niasana sy nodiovin’ny herin’ny Fanahy Masina”? (Môrônia 6:4).

Fanendrena ho amin’ny fisoronana (Môrônia 3).Inona no zavatra hitanao ao amin’ity toko ity izay afaka manampy ny olona iray hiomana ho amin’ny fanendrena ho amin’ny fisoronana? Inona no hitanao fa hanampy olona iray hiomana sy hanatanteraka ny fanendrena ho amin’ny fisoronana?

Ny fanasan’ny Tompo (Môrônia 4–5; 6:6).Inona no azonao atao mba hahatonga ny fanasan’ny Tompo ho ny zavatra ara-panahy misongadina indrindra mandritra ny herinandronao?

Batisa (Môrônia 6:1–3).Inona ataonao mba hahafahanao mahafeno hatrany ny fepetra takina amin’ny batisa?

Sary
zatovovavy mandray tsodrano

Nampianatra ny fomba tokony hanatanterahana ireo ôrdônansy i Jesoa Kristy

Raha mifototra avy amin’izay efa nianaranao, dia inona no mety hovanao eo amin’ny fomba fieritreretanao ireo ôrdônansy ireo, na ny fandraisanao anjara amin’izany, na ny fanomananao ny hafa ho amin’izany?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20.

Kilalao an-tsehatra. Fomba tena tsara iray hahatsiarovana ny zavatra ianaranao ny manazava izany amin’ny hafa. Ohatra, manandrama milalao an-tsehatra rafi-tantara toy ity manaraka ity: Tsy azon’ny namana iray antoka hoe vonona ny hatao batisa izy. Ahoana no hampiasanao ny Môrônia 6 mba hanampiana azy?

Môrônia 4–5

Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia manampy ahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Mety efa imbetsaka no nandrenesanao ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, saingy impiry ianao no mandinika tsara ny dikan’ireo teny ao amin’izany? Azonao atao angamba ny manandrana manoratra tsianjery ireo vavaka roan’ny fanasan’ny Tompo. Ampitahao amin’ny Môrônia 4:3 sy 5:2 ny zavatra nosoratanao avy eo. Nahatsikaritra zavatra momba ireo vavaka ireo ve ianao, izay tsy mbola tsikaritrao taloha?

Hevero ny hampiasa hira ao amin’ny fihirana miompana amin’ny fanasan’ny Tompo rehefa mandalina ianao, toy ny “En souvenir de Jésus-Christ” (Cantiques, no. 114).

Môrônia 6:4–9

Sary
sary famantarana ny seminera
Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mifampiahy ny mahakasika ny hafa.

Ny safidy hanaraka an’i Kristy dia an’ny tena manokana, saingy ireo mpino tahaka antsika kosa anefa dia afaka manampy antsika hijanona eo “amin’ny lalana tsara,” (Môrônia 6:4–5). Inona no nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny vaninandron’i Môrônia mba hifankaherezan’ny tsirairay? Rehefa mamaky ny Môrônia 6:4–9 ianao, dia saintsaino ireo fitahiana izay avy amin’ny hoe “[voaray] ho isan’ny Fiangonan’i Kristy” (Môrônia 6:4).

Azonao atao ihany koa ny mieritreritra olona ao amin’ny paroasy na sampana misy anao. Moa ve misy olona mety mila manokana ny fitiavanao, angamba olona iray vaovao na vao niverina mavitrika indray? Inona no azonao atao mba hanampiana azy hiaina zavatra ao am-piangonana mitovy amin’ny voalazalazan’i Môrônia? Mety hahazo aingam-panahy ianao avy amin’ny fizarana I amin’ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Ny ilàna Fiangonana” (Liahona, nôv. 2021, 24–25).

Rehefa misaintsaina ny dikan’ny hoe “hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4) ianao, dia mety hanampy ny mieritreritra ny famahanana ilain’ny voakely na zazakely iray, ary ny hoe inona no mety hitranga raha tsinontsinoavina izany. Vakio ny Môrônia 6:4–9 mba hahitana hevitra ny amin’ny fomba ahafahanao manampy amin’ny “[f]amahanana” ny hafa ara-panahy. Ahoana no nanampian’ny mpianatra hafa anao mba ho voafahana?

Tsy miharihary amin’ny olon-drehetra ny antony maha-zava-dehibe ny hoe “noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy” ary ny “nihaona miaraka matetika” ao amin’ireo fivoriam-piangonana. Ahoana no hanazavanao ny antony maha-feno fankasitrahana anao ny amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy anao? (jereo ireo fizarana hafa ao amin’ny hafatry ny Filoha Oaks hoe “Ny antony ilàna Fiangonana”).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môrônia 2–6

Ny Fanahy Masina dia fanomezana masina.

  • Voatonona imbetsaka ny Fanahy Masina ao amin’ny Môrônia 2–6. Azonao atao angamba ny mangataka ireo zanakao mba hitady ny andininy rehetra izay manonona Azy, hamaky ireo andininy ireo, ary hitanisa izay ianarany momba ny Fanahy Masina. Azonareo ifampizarana ihany koa ireo zavatra niainana izay nahatsapanareo ny fitaoman’ny Fanahy.

Môrônia 4–5

Mandray ny fanasan’ny Tompo aho mba hampisehoana fa hahatsiaro an’i Jesoa Kristy mandrakariva aho.

  • Ny fiarahana mamaky ny vavaka fitsofandrano ny fanasan’ny Tompo dia afaka mitarika amin’ny resadresaka momba ny fomba hahafahana miaina zavatra manan-danja kokoa mandritra ny fanasan’ny Tompo. Mety hanampy azy ireo ny maka sary an-tsaina hoe misy namana iray izay sambany no tonga amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Ahoana no hanazavantsika amin’ilay namantsika ny atao hoe ny fanasan’ny Tompo ary ny antony maha-masina izany? Amporisiho ny ankizy mba hampiasa zavatra avy ao amin’ny Môrônia 4:3 sy ny 5:2 ao anatin’ny fanazavany. Ny ankizy madinika dia afaka mampiasa ity pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 108.

  • Hevero ny hiaraka hihira hira iray izay manampy ireo zanakao hieritreritra momba ny Mpamonjy( toy ny “Fanajana, fitoniana,” Bokin-kiran’ny ankizy, 11). Azonareo atao koa ny mizatra mipetraka am-panajana mandritra ny fanasan’ny Tompo.

Môrônia 6:1–3

Afaka miomana ny hatao batisa aho.

  • Iza no azo atao batisa? Ampio ireo zanakao hahita valiny amin’ity fanontaniana ity ao amin’ny Môrônia 6:1–3. Inona no dikan’ny hoe manana “fo torotoro sy fanahy manenina”? (Môrônia 6:2). Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany antsika hiomana ho amin’ny batisa? Hevero ny hilaza amin’ireo zanakao ny fomba niomananao mba hatao batisa.

Môrônia 6:4–6, 9

Mandeha any am-piangonana isika mba handray ny fanasan’ny Tompo ary hifanohana.

  • Moa ve ireo zanakao mahafantatra ny antony itiavanao mandeha any am-piangonana? Ny famakiana ny Môrônia 6:4–6, 9 dia afaka manome anareo fahafahana hiara-hiresadresaka ny zavatra sasany izay ataontsika any am-piangonana. Azon’izy ireo atao angamba ny manao ny sariny manao ireo zavatra ireo (toy ny hoe eo am-pivavahana, mampianatra, mihira ary mandray ny fanasan’ny Tompo).

  • Aorian’ny fiarahana mamaky ny Môrônia 6:4 dia afaka miara-mijery sarina ohatrana sakafo ara-pahasalamana ianao sy ny zanakao, ka mampitaha ny famahanana ny vatantsika amin’ny hoe “[voafahana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra.”

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Môrônia miafina ao anaty lava-bato

I Môrônia ao anaty lava-bato, nataon’i Jorge Cocco

Hamoaka printy