Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138 “Ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty”


“29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138: -Ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
olona ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Mahita ny rainy, ny reniny, ary ny rahalahiny ao amin’ny fanjakana selestialy i Joseph (Fahitana azon’i Joseph Smith momba ny Fanjakana Selestialy, Robert Barrett).

29 nôvambra–5 desambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138

“Ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty”

Nampianatra i M. Russell Ballard hoe: “manasa anao aho hamaky tsara sy am-pisainana lalina [ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138]. Eo ampanaovanao izany dia enga anie hitahy anao ny Tompo hahatakaranao feno kokoa ary ankafizanao kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjeny sy ny fahasambarana ho an’ireo zanany” (“Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty,” Liahona, nôv. 2018, 73).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 sy ny 138 dia misy elanelany mihoatra ny 80 taona sy 2400 kilômetatra. Ny Fizarana 137 dia azon’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1836 tao amin’ny tempolin’i Kirtland izay mbola tsy vita, ary ny fizarana 138 dia azon’i Joseph F. Smith, ilay Filohan’ny Fiangonana faha enina, tamin’ny 1918 tao Salt Lake City. Saingy ara-potopampianarana dia misy hifandraisany tsara ireo fahitana roa ireo. Samy mamaly ireo fanontaniana momba ny ho avin’ny zanak’ Andriamanitra any amin’ny fiainana manaraka izy roa ireo. Ary vao mainka manana heviny lalina kokoa izy roa ireo rehefa eritreretintsika ny traikefa teo amin’ny fiainan’ireo mpaminany izay nandray azy ireny.

Ny fahitana voalohan’i Joseph Smith dia nanampy azy hahatakatra ny anjara mandrakizain’i Alvin, rahalahiny malala, izay maty enina taona talohan’ny namerenana tamin’ny laoniny ny fahefana hanaovana batisa. Nanomboka tamin’izay dia nitoetra tsy niala tao amin’i Joseph ireo fanontaniana mikasika ny famonjena mandrakizay ho an’i Alvin. Ny fahitana azon’i Joseph F. Smith dia nanambara fahamarinana feno voninahitra mikasika ny tontolon’ny fanahy, izay azo antoka fa tena fanambarana mampionona tokoa ho an’ny olona iray izay ory noho ny fahafatesan’ny maro tamin’ireo havany akaiky. Namoy an’i Hyrum Smith rainy i Joseph F. Smith teo amin’ny faha 5 taonany ary i Mary Fielding Smith reniny teo amin’ny faha 13 taonany. Tamin’ny nahazoany ilay fahitana tamin’ny 1918 dia efa nisaona ny fahalasanan’ny zanany miisa 13 izy.

Fanontaniana maro izay ananan’ny olona mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana no voavaly ao anatin’ireo fanambarana ireo. Ny Fizarana 137 dia manolotra hevi-baovao sasan-tsasany momba ny fanontaniana toy izany, ary ny Fizarana 138 dia manome hevi-baovao misimisy kokoa. Izy roa miaraka dia mijoro ho vavolombelona ny amin’“ny fitiavana lehibe sy mahagaga nasehon’ny Ray sy ny Zanaka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:3).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137

Hanana fahafahana ny hifidy ny voninahitra selestialy ny fanahy tsirairay avy.

Ny fahatakarana niraisana teo anivon’ireo kristiana tamin’ny 1836 dia ny hoe raha toa ka nisy olona iray nodimandry nefa mbola tsy vita batisa, tahaka izay nahazo an’i Alvin rahalahin’i Joseph Smith, izany olona izany dia tsy afaka ho any an-danitra. I Joseph anefa dia nahita an’i Alvin tao anatina fahitana ny fanjakana selestialy. Rehefa mamaky ny fizarana 137 ianao, dia saintsaino ny zavatra izay ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafitry ny famonjeny ary ny fanjakana selestialy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11, 25–30

Ny famakiana sy ny fisaintsainana ny soratra masina dia manomana ahy handray fanambarana.

Indraindray ny fanambarana dia tonga na dia tsy mikatsaka izany aza isika. Saingy matetika dia tonga izany noho ny fikatsahantsika sy ny fiomanantsika amim-pahazotoana handray azy. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11, 25–30 ianao, dia mariho ny zavatra izay nataon’ny Filoha Joseph F. Smith rehefa “nosokafana ny masom-pahatakara[ny]” mba hahatakatra tsara kokoa ny asa fanavotana nanirahana ny Mpamonjy. Aorian’izany dia eritrereto izay fomba hahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’ny Filoha Smith. Ohatra, inona ireo fanovana azonao atao amin’ny fandalinanao ny soratra masina mba hanomezana vahana misimisy kokoa ny “[fisaintsainana] ny soratra masina” ary ny “[fieritreretana] ny amin’ny sorompanavotana lehiben’ny [Mpamonjy]”? (andininy 1–2).

Ao amin’ny hafatra nomeny mitondra ny lohateny hoe“Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty” (Liahona, nôv. 2018, 71), ny Filoha M. Russell Ballard dia nanolotra fomba hafa izay maneho ny fiomanana izay nataon’ny Filoha Smith mba handraisana an’io fanambarana io. Eritrereto ny fomba izay efa nanomanana anao ho amin’ireo zavatra izay iainanao na mbola ho lalovanao amin’ny ho avy.

Sary
sary hosodoko maneho an’i Joseph F. Smith

Joseph F. Smith, nataon’i Albert E. Salzbrenner

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–60

Ny asa famonjena dia mitranga ao amin’ny lafiny roan’ny voaly.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny hafatsika ho an’izao tontolo izao dia tsotra sy avy amin’ny fo: manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao amin’ny andaniny roa amin’ny voaly isika mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay” (“Ndao handroso hatrany,” Liahona, mey 2018, 118–19). Saintsaino io fanambarana io rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–60 ianao. Azonao atao koa ny misaintsaina ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny asa famonjena izay efa tontosaina ao amin’ny tontolon’ny fanahy? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa efa tontosaina io asa io amin’izao? Tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny finoanao ny sorompanavotan’ny Mpamonjy?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika an’ireo izay mandray anjara amin’ny asa famonjena any amin’ny tontolon’ny fanahy? Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ny asa famonjena dia mitranga ao amin’ny lafiny roan’ny voaly?

Jereo ihany koa Dallin H. Oaks,“Matokia ny Tompo;” Liahona, nôv. 2019, 26–29.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–5.Asao ny fianakavianao mba hanao sary ny fiheveran’izy ireo ny mety ho endriky ny fanjakana selestialy araka ny zavatra ao amin’ny ireo andinin-tsoratra masina ireo. Inona no hitanareo ao amin’ireo andininy ireo izay manampy anareo hiandrandra ny hiaina any? Inona no ataontsika ankehitriny mba hiomanana hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:5–10. Mety afaka miresaka momba ny olona iray fantatrareo izay maty nefa tsy nanana fahafahana natao batisa ihany koa angamba ianareo. Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:5–10 momba izany olona izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–24.Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–24 momba ny olona izay notsidihan’ny Mpamonjy tao amin’ny tontolo’ny fanahy? Inona avy ireo fitahiana noraisin’izy ireo? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra navelan’izy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:38–55.Ireo andininy ireo dia mamaritra ireo olona izay hitan’ny Filoha Joseph F. Smith tao amin’ny tontolon’ny fanahy sy manome antsipiriany fohifohy momba azy ireo. Angamba azon’ny fianakavianao atao ny manao lisitra ireo razambenareo izay ao amin’ny tontolon’ny fanahy, miaraka amin’ny ireo antsipiriany momba azy ireny.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Mandalina, misaintsaina ary mivavaka,” Bokin-kiran’ny ankizy, 66.

Manatsara ny fianarantsika

Misaintsaina ny soratra masina. Nisy fotoana ny Filoha David O. McKay dia niantso ny fitsaintsainana hoe “ny iray … amin’ireo varavarana masina indrindra izay hidirantsika ho eo anatrehan’ny Tompo” (Teachings of Presidents of the Church: David O. McKay [2003], 32).

Sary
I Jesoa Kristy ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Ireo iraka notendrena, nataon’i Glen S. Hopkinson. Naniraka ireo fanahy marin-toetra i Jesoa Kristy mba hitory ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Hamoaka printy