Testamenta Vaovao 2023
8–14 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”


“8–14 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: -Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“8–14 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Mpiasa ao amin’ny tanim-boaloboka

8–14 mey

Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”

Vakio sy diniho ny Matio 19–20; Marka 10; ary ny Lioka 18, ary henoy tsara ny bitsika voarainao. Raketo izany bitsika izany ary farito ny fomba hanaovanao zavatra araka izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Raha nomena fahafahana hametraka fanontaniana amin’ny Tompo ianao, mety ho inona izany? Raha vao sambany ny lehilahy tanora manan-karena iray no nihaona tamin’ny Mpamonjy dia nanontany izy hoe: “Inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” (Matio 19:16). Ny valin-tenin’ny Mpamonjy dia sady naneho ny fankasitrahany ireo tsara efa nataon’ilay zatovolahy no nankahery amim-pitiavana azy hanao zavatra misimisy kokoa. Rehefa misaintsaina ny fahafahana mahazo ny fiainana mandrakizay isika dia mety hanontany tena toy izany sao misy zavatra hafa tokony hataontsika. Rehefa manontany isika, amin’ny fombantsika manokana, manao hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” (Matio 19:20), dia afaka manome valiny natao manokana ho antsika tahaka ny namaliany ilay zatovo [mpanankarena] ny Tompo. Na inona na inona angatahin’ny Tompo hataontsika, ny fanaovana zavatra araka ny valin-teny omeny dia hitaky foana ny fatokiantsika Azy mihoatra noho ny fahamarinantsika (jereo ny Lioka 18:9–14) sy ny “[fandraisantsika] ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza” (Lioka 18:17; jereo koa ny 3 Nefia 9:22).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 19:3–9; Marka 10:2–12

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra.

Ity fifampiresahan’ny Mpamonjy sy ny Fariseo ity no iray amin’ireo firaketana vitsy ireo fotoana nampianaran’ny Mpamonjy manokana momba ny fanambadiana. Rehefa avy mamaky ny Matio 19:3–9 sy ny Marka 10:1–12 ianao dia manaova lisitra ahitana teny nambara maromaro izay tsapanao fa mahafintina ny fahitan’ny Mpamonjy ny fanambadiana. Inona no fiantraikan’ny fahalalanao momba ny drafitry ny Ray ho an’ny famonjena eo amin’ny fomba fisainanao sy ny zavatra tsapanao momba ny fanambadiana?

Matio 19:3–9; Marka 10:2–12

Moa ve i Jesoa nampianatra fa ny fisaraham-panambadiana dia tsy azo ekena mihitsy na ny olona nisara-bady dia tsy tokony hanambady indray?

Tao anatin’ny lahateny iray momba ny fisaraham-panambadiana ny Loholona Dallin H. Oaks dia nampianatra fa ny Ray any An-danitra dia mikasa ny haharetan’ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana ho mandrakizay. Kanefa dia mahatakatra ihany koa Andriamanitra fa ilaina ny fisaraham-panambadiana indraindray. Nanazava ny Filoha Oaks fa ny Tompo dia “mamela ny olona nisara-panambadiana hanambady indray ka tsy voapentimpentin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena voalaza ao amin’ny lalàna ambony. Raha tsy hoe nanao fandikan-dalàna goavana ny olona iray nisara-panambadiana, dia afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy raha mahafeno ny fenitry ny fahamendrehana mitovy amin’ny ampiharina amin’ireo mpikambana hafa” (“Le divorce,” Liahona, mai 2007, 70).

Matio 19:16–22; Marka 10:17–22; Lioka 18:18–23

Raha toa ka manontany ny Tompo aho, dia hampianatra ahy ny zavatra tokony hataoko mba handovana ny fiainana mandrakizay Izy.

Ny tantaran’ilay zatovo [mpanankarena] dia afaka ny ho zavatra hampandinin-tena na dia ho an’ny mpanara-dia mahatoky sy maharitra aza. Rehefa mamaky ny Marka 10:17–22 ianao dia inona no hitanao ho porofon’ny fahatokiana sy ny fahitsim-pon’io zatovo io? Inona no tsapan’ny Tompo tamin’io zatovolahy io?

Io tantara io dia mety hitaona anao hanontany hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” (Matio 19:20). Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo antsika hameno izay tsy mbola mahatanteraka antsika? (jereo ny Etera 12:27). Inona no azontsika atao mba hiomanantsika hanaiky ny fanitsiany sy ny fanampiany eo am-pikatsahantsika ny hihatsara?

Jereo koa ny Larry R. Lawrence, “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?,” Liahona, nôv. 2015, 33–35; S. Mark Palmer, “Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy,” Liahona, mey 2017, 114–16.

Matio 20:1–16

Afaka mahazo ny fitahian’ny fiainana mandrakizay avokoa ny tsirairay, na oviana na oviana fotoana handraisany ny filazantsara.

Azonao resahina ve ny zavatra niainan’ny iray tamin’ireo mpiasa tao amin’ny tanimboaloboka? Inona no lesona hitanao ho anao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka” (Liahona, mey 2012, 31–33) dia mety hanampy anao hahita fomba vaovao hampiharana io fanoharana io. Inona no bitsika fanampiny omen’ny Fanahy anao?

Sary
Lehilahy manetry tena sy Fariseo

The Repentant Publican and the Self-Righeous Pharisee in the Temple [Ilay mpamory hetra nibebaka sy ilay Fariseo mihevi-tena ho marina ao amin’ny tempoly], nataon’i Frank Adams

Lioka 18:9–14

Tokony hatoky ny famindram-pon’ Andriamanitra aho, fa tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako manokana.

Ahoana no hamintinanao ny fahasamihafan’ireo vavaka roa ao amin’io fanoharana io? Saintsaino ny zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hitovy kokoa amin’ilay mpamory hetra ao amin’ilay tantara fa tsy tahaka ilay Fariseo.

Jereo koa ny Filipiana 4:11–13; Almà 31:12–23; 32:12–16.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Marka 10:13–16; Lioka 18:15–17.Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana hisaintsaina ilay tantara ao amin’ireo andininy ireo dia afaka miara-mihira hira mifandray amin’izany ianareo, toy ny “Mahafaly ahy tokoa ’lay tantara taloha” (Bokin-kiran’ny ankizy, 35). Mety ho toy ny ahoana re izany niaraka tamin’ireo ankizy izay notsofin’i Jesoa rano izany e? Inona no mety ho dikan’izany hoe “[m]andray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza”? (Marka 10:15).

Marka 10:23–27.Inona no maha samy hafa ny manana harena sy ny matoky harena? (jereo ny Marka 10:23–24). Rehefa mamaky ny andininy 27 ianao dia mety ho tianao ny hanazava ilay Dikantenin’i Joseph Smith hoe: “Raha amin’ny olona izay mametraka ny fitokiany amin’ny harena dia zavatra tsy hainy ny [miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra]; fa tsy mba toy izany kosa ho an’ireo olona izay matoky an’ Andriamanitra sy mandao ny [harena] rehetra noho ny amin’ny Tompo, fa ho an’ny toa izany dia azo tanterahina ireo zavatra rehetra ireo. Ahoana no hanehoantsika miaraka amin’ny fianakaviantsika fa matoky an’ Andriamanitra mihoatra ny harena isika?

Matio 20:1-16.Mba hanazavana ireo fitsipika ao amin’ny Matio 20:1–16, dia afaka mamorona fifaninanana tsotra ianao, toy ny fifaninanana hazakazaka fohy. Rehefa mahavita ilay fifaninanana ny tsirairay dia omeo loka mitovy ny tsirairay, manomboka amin’izay tonga farany ka miafara amin’izay tonga voalohany. Inona no ampianarin’izany antsika momba ny hoe iza no mandray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Matio 20:25–28; Marka 10:42–45.Inona no dikan’ny fehezan-teny hoe “izay te ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo”? (Matio 20:27). Tamin’ny fomba ahoana no niainan’i Jesoa Kristy an’io fitsipika io? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony, ao amin’ny fianakaviantsika, ao amin’ny paroasy na sampana misy antsika, ary eo amin’ny manodidina antsika?

Lioka 18:1–14.Inona no ianarantsika mikasika ny vavaka avy amin’ireo fanoharana roa ao amin’ireo andininy ireo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso hohiraina: “Chers enfants, sur vous Dieu veille,” Cantiques,, no. 190.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mitadiava fotoana izay mety aminao. Matetika mora kokoa ny mianatra amin’ny fotoana izay ahafahanao mandalina ny soratra masina tsy misy manelingelina. Mitadiava fotoana izay mety aminao, ary ataovy izay vitanao mba handalinana tsy tapaka amin’izany fotoana izany isan’andro.

Sary
I Kristy sy ilay zatovo mpanan-karena

I Kristy sy ilay zatovo mpanankarena, nataon’i Heinrich Hofmann

Hamoaka printy