Testamenta Taloha 2022
Zavatra tokony hotadidiana: Ny mpianakavin’i Isiraely


“Zavatra tokony hotadidiana: Ny mpianakavin’i Isiraely,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Zavatra tokony hotadidiana: Ny mpianakavin’i Isiraely,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidiana

Ny mpianakavin’i Isiraely

Tany an’efitra atsinanan’i Kanana dia niandry tao anatin’ny tahotra ny fihaonana tamin’i Esao rahalahiny kambana taminy i Jakoba. Tamin’ny fotoana nahitan’i Jakoba an’i Esao farany, tokony ho 20 taona tany aloha, dia nandrahona ny hamono azy i Esao. Nandany ny alina manontolo nitolomana tany an’efitra i Jakoba, nitady fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Ho vokatry ny finoan’i Jakoba sy ny fikirizany ary ny fahavononany tanteraka, dia nohenoin’ Andriamanitra ny vavaka nataony. Novaina ho Isiraely ny anaran’i Jakoba tamin’izay alina izay, anarana izay midika hoe “naharitra tamin’ Andriamanitra izy” (Genesisy 32:29).1

Sary
ny reniranon’i Jaboka

Teo akaikin’ny Reniranon’i Jaboka no nandraisan’i Jakoba ny anarana hoe Isiraely.

Io no fotoana voalohany nisehoan’ny anarana hoe Isiraely ao anatin’ny Baiboly, ary anarana izay naharitra manerana ny boky sy manerana ny tantara io anarana io. Vetivety dia lasa nanondroana olona mihoatra ny iray io anarana io. Nanana zanaka 12 i Isiraely, ary ny taranak’izy ireo mitambatra dia fantatra tamin’ny hoe “mpianakavin’i Isiraely,” na ireo “fokon’i Isiraely,” na ny “zanak’i Isiraely,” na ny “Isiraelita.”

Manerana ny tantara, dia nisy dikany lehibe teo amin’ny zanak’i Isiraely ny maha-taranaka avy amin’ny iray amin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely azy ireo. Ampahany nanan-danja tamin’ny famantarana ny fanekempihavanan’izy ireo ny rohim-pirazanan’izy ireo. Ny Apôstôly Paoly dia nanambara fa “ao anatin’ny fokon’i Benjamina” izy (Romana 11:1). Rehefa naniraka ireo zanany lahy haka ireo takela-bolamena tany Jerosalema i Lehia, ny antony iray tamin’izany dia satria nisy “tetiaran’ireo razambeny” ireo takela-bolamena (1 Nefia 5:14; jereo ihany koa ny 1 Nefia 3:3). Hitan’i Lehia fa taranak’i Josefa izy, ary ny fahatakaran’ny taranany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny mpianakavin’i Isiraely dia voaporofo ho nanan-danja tamin’izy ireo tamin’ireo taona ho avy (jereo ny Almà 26:36; 3 Nefia 20:25).

Ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, dia mety haheno momba an’i Isiraely amina fomba fitenenana toy ny hoe “fanangonana an’i Isiraely” ianao. Isika dia mihira momba ilay hoe “Ry Mpanavotra [an’i Isiraely],” sy ny “Ô vaillants guerriers d’Israël,” ary ny “Anciens d’Israël.”2 Amin’ireny fotoana ireny isika dia tsy miresaka na mihira fotsiny momba ny fanjakan’i Isiraely fahiny na ilay firenena maoderina antsoina hoe Isiraely fotsiny. Tsy izany fa mitodika amin’ireo izay nangonina avy amina firenena maro manerana irao tontolo izao ho ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika. Ireo olona naharitra tamin’ Andriamanitra no resahintsika eto, olona izay nikatsaka fatratra ireo fitahiana avy Aminy, ary ireo izay lasa vahoakan’ny fanekempihavanany tamin’ny alalan’ny batisa.

Ny tsodranon’ny patriarka nomena anao dia manambara ny fifandraisanao amin’ny anankiray amin’ireo fokon’ny mpianakavin’i Isiraely. Mihoatra noho ny fampahafantarana tantaram-pianakaviana iray mahaliana izany. Ny maha-ampahany amin’ny mpianakavin’i Isiraely anao dia midika fa manana fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao. Midika izany fa tahaka an’i Abrahama, dia natao “ho fitahiana” ho an’ny zanak’ Andriamanitra ianao (Genesisy 12:2; Abrahama 2:9–11). Midika izany, amin’ny tenin’i Petera, fa “ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany; mba hilazanareo ny hatsaran’ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Petera 2:9). Midika izany fa ianao dia olona izay “maharitra amin’ Andriamanitra” rehefa manaja ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra.

Fanamarihana

  1. Mety misy hevitra hafa ny anarana hoe Isiraely, ao anatin’izany ny “manapaka Andriamanitra” na “miady na maharitra Andriamanitra.”

  2. Fihirana, pejy 9 (fihirana sy hiran’ny ankizy); lah. 169 sy 202 (Cantiques).

Sary
Tetiaran’ny fianakavian’i Jakoba

Sary fanehoana ny tetiaran’ny fianakavian’i Jakoba, nataon’i Keith L. Beavers

Hamoaka printy