“Lesona 132—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46: -Ny herin’ny lanitra,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Tao anatin’ireo toe-javatra sarotra tao amin’ny Fonjan’i Liberty dia nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo ny amin’ny fomba hahazoana ny herin’ny lanitra amin’ny alalan’ireo fitsipiky ny fahamarinana. Afaka manampy ny mpianatra hisitraka feno kokoa ny herin’ny lanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fiezahana ho tahaka an’i Kristy kokoa ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny faniriantsika hanompo ny hafa
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny fifandraisantsika manokana amin’ Andriamanitra dia hanampy antsika hanompo ny hafa manodidina antsika. Azonao atao ny mampiasa rafi-tantara fohy toy izao manaraka izao mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra.
Voantso vao haingana ho ao amin’ny fiadidian’ny kilasy misy azy i Molly. Te hanampy ireo zatovovavy ao amin’ny kilasiny izy saingy tsy fantany tsara ny fomba hanaovana izany.
Rehefa avy nangataka torohevitra tamin’ny filohan’ny zatovovavy i Molly dia nandefa tamin’ny hafatra an-tsoratra ity fanambarana manaraka ity taminy ny filoha, ary nanoro hevitra azy mba hisaintsaina ny fomba hampiharana izany amin’ny fanampiana ireo izay hotompoiny.
Tsy afaka misintona fanahy iray hiakatra ianao raha tsy efa mijoro eo amina toerana avo kokoa noho izy. (Harold B. Lee, “Stand Ye in Holy Places ,” Ensign , July 1973, 123)
Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa ka misy olona tian’izy ireo hampiana hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mety hieritreritra namana izy ireo, na fianakaviana, na ireo izay nanendrena azy ireo hotompoiny, na ireo izay eo ambany fiahian’izy ireo ao amin’ny kôlejiny sy ny kilasiny araka ny antsony. Afaka manoratra anarana sasantsasany izay tonga ao an-tsainy ao amin’ny diary fandalinany mihitsy aza izy ireo.
Amporisiho ny mpianatra mandritra ny lesona mba hifantoka amin’izay mety ho eritreritra sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo ho lasa fitaomana tsara indrindra amin’ireo izay iriny hampiana.
Raha nampianatra ny lesona mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 ” ianao dia asehoy ity sary manaraka ity ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tadidiny mikasika ny sahan-kevitr’ireo fizarana ireo.
Raha nigadra tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith dia nampianatra azy ny maha-zava-dehibe ny fifandraisantsika manokana amin’ny herin’ny lanitra ny Tompo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–36 , ka tadiavo ireo fahamarinana momba ny fifandraisantsika amin’ny herin’ny lanitra eo amin’ny fiainantsika.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–36 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora amin’izy ireo ny mahita ny toerana misy izany.
Ampio ny mpianatra hahita fa ny herin’ny lanitra dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana . Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika ity andian-teny ity ao anatin’ny soratra masiny.
Soraty eny an-tampon’ny solaitrabe ny hoe “Herin’ny lanitra” ary manaova tsanganana roa eo ambanin’izany, ny iray misy soratra hoe “Fahazoana izany misimisy kokoa” ary ny iray hafa hoe “Manakana ny fahazoana izany.”
Asao ny mpianatra hamaky ity fanambarana manaraka ity ary hanomboka hitanisa ireo fihetsika sy toetra izay mihatra amin’ny tsanganana tsirairay.
Fantatsika ny zavatra hanome antsika fahafahana lehibe kokoa hahazo ny herin’ny lanitra. Fantatsika koa ny zavatra hanakantsakana ny fivoarantsika sy ny zavatra ilaintsika hajanona mba hampitomboana ny fahazoantsika ny herin’ny lanitra. (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika ,” Liahona , mey 2019, 68)
Afaka mandalina manokana na ao anatina vondrona kely ireto andininy manaraka ireto ny mpianatra. Mety hanampy ny mpianatra ny mijery ny famaritana ireo teny sarotra rehefa ilaina izany. Rehefa vita ny fandalinana ataon’ny vondrona dia asao ny solontena avy amin’ny vondrona tsirairay mba hanampy ny zavatra hitany amin’ireo tsanganana mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:35–45 , ka tadiavo ireo fihetsika na toetra izay mampitombo na mampihena ny fahafahantsika mahazo ny herin’ny lanitra.
Ahoana no mety hisehoan’ireo fihetsika sy toetra sasany ireo eo amin’ny fiainan’ny zatovo ankehitriny?
Ampio ny mpianatra hahita fa nijaly i Joseph Smith sy ny Olomasina satria nampiasa “fitondrana tsy marina” ireo mpitarika ao amin’ny governemanta sy ireo mpihetraketraka tao Missouri (andininy 39 ) mba “[hampiasana] fifehezana” (andininy 37 ) teo amin’izy ireo. Mifanohitra amin’izany, i Jesoa Kristy dia maniry antsika hanaraka ny ohatra nasehony amin’ny fitondrana fiovana eo amin’ny fiainan’ny hafa amin’ny alalan’ireo fitsipiky ny fahamarinana toy ny “fahalemem-panahy” sy “fitiavana” (jereo ny andininy 41 ).
Nahoana no zava-dehibe ireo fihetsika sy toetra izay mampifandray antsika amin’ny herin’ny lanitra rehefa omena andraikitra hanompo ny hafa isika?
Ahoana no ahafahan’ny fampiharana ireo fihetsika sy toetra ireo manampy antsika ho tahaka an’i Kristy kokoa sy hitaona ny hafa tahaka ny nataony?
Omeo fotoana ny mpianatra hijerena ny fomba nanehoan’i Jesoa Kristy ireo fitsipiky ny fahamarinana nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Afaka misafidy ohatra iray avy amin’ny fiainan’i Kristy izay fantany tsara ny mpianatra ary manazava hoe inona avy no fitsipika na ireo fitsipika hitan’izy ireo fa asehony ao amin’ny fizarana 121 .
Mba hanampiana ireo mpianatra dia azonao atao ny mizara sarin’ny zava-nitranga tamin’ny fiainan’i Jesoa na mijery horonan-tsarin’ny Baiboly toy ny “Go and Sin No More ” (3:18) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org .
3:21
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ohatra momba ny olona fantany izay maneho ny iray amin’ireo fihetsika na toetra ao amin’ny andininy 35–45 izay manampy amin’ny fampifandraisana azy ireo amin’ny herin’ Andriamanitra.
Ireo fitahiana nampanantenaina
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45–46 , ka tadiavo ireo fitahiana atolotry ny Mpamonjy ho an’ireo izay miezaka mifandray amin’ny herin’ny lanitra amin’ny alalan’ny fampivelarana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay nianaranao androany.
Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo tamin’ity lesona ity. Amporisiho izy ireo hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mameno ity fehezan-teny manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany, amin’ny alalan’ny fampiasana teny na andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:35–45 .
Hikatsaka ny hampitombo ny fahafahako mahazo ny herin’ny lanitra aho amin’ny alalan’ny:
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity ary manao famerenana izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “Ireo zon’ny fisoronana … dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana etsy ambany “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana .”
Ny Filoha Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nanazava izao:
“Ny herin’ny [fisoronana] dia tonga avy amin’ny fahamarinan’ny tena manokana” (Gospel Topics, “Priesthood ”). Izany dia azon’ny mpikamban’ny Fiangonana izay manao fanekempihavanana mandritra ny batisa sy ao amin’ny tranon’ny Tompo ary mitandrina izany. Nampianatra ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny nôvambra 2019 hoe: “Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fenekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra.” (“Ireo harena ara-panahy ,” Liahona , nôv. 2019, 77). Amin’ny alalan’ny fahamarinan’ny tena manokana no hanasantsika ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra mba hirotsaka eo amin’ny fiainantsika. (“President Camille N. Johnson: What must women and men do to have access to priesthood power? ,” Church News , Oct. 30, 2022)
Nizara izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
13:57
Ny hoe voafidy na lasa voafidy dia tsy toetra miavaka izay nomena antsika. Fa izaho sy ianao amin’ny farany dia afaka misafidy ny ho voafidy amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahantsika misafidy. …
… Andriamanitra dia tsy manana lisitry ny olona tiana indrindra izay tsy maintsy antenaintsika hampidirana ny anarantsika indray andro any. Tsy mametra “ny voafidy” ho olom-bitsy Izy. Saingy, ny fontsika , ny faniriantsika , ny fanajantsika ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny filazantsara, ny fakatoavantsika ireo didy ary indrindra indrindra ny fahasoavana sy ny famindrampo manavotry ny Mpamonjy kosa no mamaritra raha toa ka voaisa ho isan’ireo voafidin’ Andriamanitra isika. (David A. Bednar, “Tafio ny herinao, ry Ziona ô ,” Liahona , nôv. 2022, 94)
Ny “fanindronana” dia lefona na fiadiana fanipy izay ampiasaina hanindronana ny biby ka mampandroso azy ireo. Raha tokony handroso ny biby mafy loha indraindray dia mamaly ka mandaka, ary lazaina ara-bakiteny hoe “manipaka ny fanindronana.” Ny fihetsika toy izany dia manampy trotraka ny rary satria mahazo fanindronana manaintaina kokoa avy amin’ny tompony ilay biby.
Azonao atao ny mampiseho fitaovana mila ampidirina amin’ny loharanon’aratra mba hampandeha tsara azy. Asehoy fa tsy mandeha izany raha tsy misy hery (avy amin’ny aratra). Manorata lohateny roa eny amin’ny solaitrabe: “Ahoana no ahafahako mifandray amin’ny herin’ny lanitra” sy “Inona no mampisaraka ahy amin’ny herin’ny lanitra.” Azon’ny mpianatra atao ny mitanisa valiny eo ambanin’ny lohateny tsirairay ary avy eo misaintsaina ny zavatra ataon’izy ireo mba hampifandraisany na hampisarahany ny tenany amin’ny herin’ny lanitra.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa maniry ny hitahy antsika amin’ny herin’ny lanitra ny Raintsika any An-danitra dia asehoy ny sarin’ny Renirano Missouri.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hifidy mpiara-mianatra iray izay heverin’izy ireo fa matanjaka. Asao io mpianatra io hanazava ny fomba hampiasany ny sandriny mba hampitsaharana ny fikorianan’ilay renirano.
Afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:33 ny mpianatra avy eo mba hamantarana ny fanoharana ampiasain’ny Tompo. Azonao atao ny mifanakalo hevitra avy eo fa ilay fanoharana dia mampianatra antsika mikasika ny fanirian’ Andriamanitra hitahy antsika. Azonao atao ny mampifandray an’io amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:26 ary mifanakaloza hevitra fa ny fomba iray handatsahan’ny Tompo fahalalana amintsika dia amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Hevero ny hampiseho ny “The Powers of Heaven ” (9:14) izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org . Io horonan-tsary io dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fifandraisan’ny herin’ny fisoronana amin’ny fahazoana herinaratra ho ana trano iray. Mampiseho ohatra tena misy eo amin’ny fiainana mikasika ny fomba hampitomboana na hampihenana ny fahafahantsika mahazo ny herin’ny fisoronana ihany koa izany. Na dia mampiseho ny zatovolahy mahazo ny herin’ny fisoronana aza ilay horonan-tsary, dia makà antoka fa takatry ny mpianatra hoe mihatra amin’ny olon-drehetra ny fitsipiky ny fahamarinana.
9:13