Seminera
Lesona 131—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: “Fiadanana anie ho an’ny fanahinao”


“Lesona 131—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: -Fiadanana anie ho an’ny fanahinao,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 131: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123

“Fiadanana anie ho an’ny fanahinao”

Ny fonjan’i Liberty sy ny faritra manodidina

Taorian’ny namadihana sy nisamborana azy ireo noho ny fiampangana diso dia nogadraina tao amin’ny fonja kely iray tao Liberty, Missouri, ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Nandritra ny ririnina tamin’ny taona 1838–39 dia niharan’ny toe-javatra mahatsiravina ireo Olomasina tao Missouri ary nijaly izaitsizy. Tao anatin’izany fijaliana izany dia nampionona azy ireo tamin’ny torohevitra feno fangorahana sy fahalalana avy any an-danitra ny Tompo. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanampian’ Andriamanitra antsika ao anatin’ny fitsapana lalovantsika ity lesona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

“Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”

Alohan’ny fotoam-pianarana dia asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto mba ho hitan’ny mpianatra rehefa tonga izy ireo. Vantany vao manomboka ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra hizara toe-javatra afaka mitranga eo amin’ny fiainana izay mety hitarika olona iray hametraka fanontaniana toy izany.

Rehefa avy nizara ny mpianatra dia asao izy ireo hisaintsaina ireo olana izay atrehin’izy ireo amin’izao fotoana izao na atrehin’ireo olona akaikin’ny fony. Amporisiho ny mpianatra hirakitra izay eritreritra na fahatsapana mety ho ananany mikasika ny olan’izy ireo, isan’izany raha toa ka nanana fanontaniana tahaka ireo voasoratra eny amin’ny solaitrabe izy ireo.

Rehefa manohy ny fandalinany ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo hanasa ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hamantatra fitsipika masina izay afaka manome fiadanana sy fampiononana ho an’ny tena manokana mandritra ireo fitsapana lalovan’izy ireo.

Sahan-kevitra ara-tantara

ivelany sy anatin’ny Fonjan’i Liberty

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ara-tantara ao amin’ireo fizarana izay hohalalinin’izy ireo dia asehoy ilay horonan-tsary hoe “Lessons from Liberty Jail” nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 3:00 ka hatramin’ny 8:49. Ny fampisehoana ny sarin’ny Fonjan’i Liberty dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra niainan’i Joseph Smith sy ireo voafonja hafa.

Raha tsy izany dia azonao atao koa ny mandamina ireo mpianatra ho vondrona ahitana mpianatra telo ary manome ny iray amin’ireto famintinana manaraka ireto ho an’ny mpianatra tsirairay ao amin’ny vondrona. Asao izy ireo hifandimby hamaky ny famintinany avy ary hizara ny zavatra mety hoeritreretiny na ho tsapany raha toa ka tao anatina toe-javatra mitovitovy amin’izany izy ireo.

44:25

Famintinana 1: Tamin’ny 31 ôktôbra 1838 dia namadika ny Mpaminany Joseph Smith i George Hinkle, izay mpikambana iray tao amin’ny Fiangonana ary kôlônely tao amin’ny milisin’ny faritanin’i Missouri. Nolazain’i Hinkle tamin’i Joseph fa naniry ny hihaona sy hiresaka momba ireo fepetra mba hametrahana filaminana ireo mpikambana ao amin’ny milisin’i Missouri izay nanafika ireo Olomasina tany Far West, Missouri . Nosamborina an-keriny ka lasa gadra an’ady i Joseph sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana rehefa tonga tao amin’ilay fivoriana niaraka tamin’ny saina enti-maneho fampiaton’ady.

Famintinana 2: Nandritra ny volana nanaraka, dia nampijalijaliana i Joseph sy ireo mpiara-miasa taminy ary nafindrafindra fonja teo am-piandrasana ny fitsarana nifototra tamin’ny fiampangana diso. Tamin’ny 1 desambra 1838 dia nogadraina tao amin’ny fonja kely iray tao Liberty, Missouri, ireo lehilahy ireo. Nandritra ireo efa-bolana nanaraka dia notazonina tao amin’ny tranomaizina tao ambany tany tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith, i Hyrum rahalahiny, i Alexander McRae, i Lyman Wight, ary i Caleb Baldwin nandritra ny ririnina iray tena mamanala. Nisy fotoana i Signey Rigdon niaraka tamin’izy ireo ihany koa , saingy nanome lalana ny famotsorana azy ny mpitsara iray tamin’ny faramparan’ny janoary 1839.

Famintinana 3: Tokony ho 4,3 metatra amin’ny 4,3 metatra ny refin’ilay efitra figadrana, ary anelanelan’ny 1,8 amin’ny 2 metatra ny haavon’ny valindrihana. Ny hany hazavana voajanahary na rivotra madio dia avy amin’ny varavarankely roa nisy bara vy teo akaikin’ny valindrihana. Matetika ny olona no manesoeso sy manevateva ny voafonja avy eo ivelan’ireo varavarankely ireo. Voatery natory teo amin’ny tany ireo lehilahy ka tsy nisy afa-tsy mololo maloto no kidoro hilafihana ary zara raha nisy fiarovana tamin’ny hatsiaka. Siny iray tokana no nisy tao amin’ilay efitrano figadrana ho fasiana maloto ary naharikoriko tokoa ny sakafo kely nomena azy ireo ka noho ny hanoanana mafy dia mafy fotsiny ihany no nihinanan’ireo lehilahy izany. Indraindray nisy poizina ny sakafo. Nanina mafy ny namany sy ny fianakaviany ireo voafonja ary nahatsapa alahelo lalina tokoa rehefa nandre momba ireo Olomasina nijaly noroahina hiala tao Missouri nandritra ny hatsiakan’ny ririnina.

Mety ho tianao ny hanamafy fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 dia ahitana taratasy nofantenana nosoratan’ny Mpaminany Joseph ho an’ireo Olomasina. Nanoratra izany tany amin’ny faramparan’ny fanagadrana azy izy tao amin’ny Fonjan’i Liberty rehefa avy nijaly nandritra ny volana maro. Nahitana ny sasany tamin’ireo vavaka fangatahan’i Joseph sy ny torohevitra feno fitiavana nomen’ny Mpamonjy ilay taratasy.

Lesona avy amin’ny Fonjan’i Liberty

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6, ka tadiavo ireo fanontaniana sy fitalahoana nambaran’i Joseph Smith tamin’ny Tompo.

sary famantarana ny fanofanana Ampio ny mpianatra hampihatra ny soratra masina amin’ny fiainany: Ireto fanontaniana manaraka ireto dia ohatra iray amin’ny fanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra ianarany amin’ny fiainany manokana. Raha mila fanazaran-tena misimisy kokoa momba ny fomba hanaovana izany dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Mamoròna fanasana sy fanehoan-kevitra izay manampy ny mpianatra hahita zavatra azony ampifandraisina amin’ny tenany ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina iray,” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny Fotopampianarana.

  • Inona avy ireo fanontaniana na fangatahana avy amin’i Joseph Smith izay mahakasika anao manokana?

  • Ahoana no nanehoan’ny tenin’i Joseph Smith ny finoany sy ny fanajany an’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra hanome lohateny pejy iray tsy misy na inona na inona ao amin’ny diariny hoe “Lesona avy amin’ny Fonjan’i Liberty.” Rehefa mandalina ny valin-tenin’ Andriamanitra tamin’ny vavak’i Joseph izy ireo dia amporisiho hitanisa ireo fahamarinana hitany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–9, 26, 33; 123:17, ka tadiavo ny torohevitra avy amin’ Andriamanitra izay afaka manampy olona iray mandalo fitsapana sarotra.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fanangonana ny lisitr’ireo fahamarinana, dia toroy hevitra izy ireo hisafidy roa amin’ireo izay tena tiany ary hanoratra izany amin’ny taratasy hafa. Asaivo mizara ny heviny amin’ny mpianatra iray mipetraka eo akaikiny izy ireo. Asao ny mpianatra hanisy faribolana ny teny na andian-teny iray izay tiany indrindra eo amin’ireo taratasy azony ary hanoratra famaritana fohy momba ny antony itiavany izany. Azo averina imbetsaka amin’ny mpianatra samihafa io dingana io. Rehefa miverina amin’ireo mpianatra ny taratasiny manokana dia amporisiho izy ireo hanampy ao amin’ny pejin’ny diary fandalinany ireo hevi-baovao nianarany avy amin’ny hafa.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hanoratra fahamarinana iray hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Ireto manaraka ireto dia ohatrana fitsipika azon’izy ireo zaraina: Ao amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra dia ho vetivety ihany ny fitsapana ny olo-marina; Raha miaritra tsara ny fitsapana mahazo antsika isika dia hanandratra antsika ho any amin’ny avo Andriamanitra; Andriamanitra dia afaka manome antsika fiadanana ao anatin’ny fitsapana lalovantsika. Hevero ny hametraka fanontaniana ho an’ny fifanakalozan-kevitra toy izao manaraka izao.

  • Raha tany amin’ny Fonjan’i Liberty ianao, inona no fitsipika mety ho nampionona anao indrindra? Nahoana?

  • Inona avy ireo fomba sasany nitahian’ Andriamanitra anao tamin’ny fiadanana sy fampiononana nandritra ny fitsapana iray natrehinao?

  • Inona araka ny eritreritrao no maha-samy hafa ny hoe miaritra fitsapana iray sy miaritra tsara fitsapana iray?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba niaretan’i Jesoa Kristy ny fitsapany sy ireo fotoan-tsarotra nolalovany?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba ahafahan’izy ireo miantehitra amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia vakio ity filazana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.

44:25

Nampianatra toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

Ireo lesona nianarana avy amin’ny ririnin’ny taona 1838–39 dia mampianatra antsika fa afaka ny ho lasa traikefa mitondra fanavotana ny traikefa rehetra raha mifamatotra hatrany amin’ny Raintsika any An-danitra isika ao anatin’izany. Ireo lesona sarotra ireo dia mampianatra antsika fa ny fetran’olombelona dia tranga fanararaotra ho an’ Andriamanitra, ary raha manetry tena sy mahatoky isika, raha mino isika fa tsy hanozona an’ Andriamanitra noho ireo olantsika, dia afaka manova ireo fonja tsy rariny sy tsy mifaditrovana ary maha torovana eo amin’ny fiainantsika Izy … ho toe-javatra izay afaka mitondra fiononana sy fanambarana, fiarahan’ Andriamanitra ary fiadanana. (Jeffrey R. Holland, “Lessons from Liberty Jail,” Ensign, sept. 2009, 28)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fahamarinan’io teny nambaran’ny Loholona Holland io teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olon-kafa fantatrao?

Ho famaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hamita ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Eritrereto ireo fanamby izay nosaintsaininao tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Misafidiana fahamarinana iray farafahakeliny avy ao amin’ny lisitry ny “Lesona avy amin’ny Fonjan’i Liberty” nataonao izay afaka manampy anao na ny hafa amin’ny fitsapana lalovana ankehitriny. Hazavao fohifohy fa afaka mitahy sy mampatanjaka anao ny Tompo rehefa manao asa amim-pinoana momba io fahamarinana io ianao.