Lesona 133—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122: “Ireo zavatra rehetra ireo dia … ho soa ho anao”
“Lesona 133—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122: -Ireo zavatra rehetra ireo dia … ho soa ho anao,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 133: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123
Raha nijaly tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra azy Andriamanitra fa na dia lalina sy nanaintaina aza ny fijaliany, dia hanampy azy ho lasa kokoa tahaka an’i Kristy izany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra fa noho i Jesoa Kristy, na ireo zavatra iainana sarotra aza dia afaka manampy antsika hivoatra sy ho lasa tahaka Azy kokoa.
Sahanasa fianarana azo atao
Voalambolambon’ny fahoriana
Inona no takina mba hahatonga ny vato marokoroko ho lasa malama na voalambolambo?
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nizara izao manaraka izao momba ny tenany:
Tahaka ny vato marokoroko mikodia avy eny amin’ny tendrombohitra avo aho ary ny hany fanefena azoko dia rehefa mikasoka amina zorony vokatry ny fifandonana tamin’ny zavatra iray hafa nidona tamin’ny hery lehibe … ; … mampienjera zorony etsy sy eroa; arak’izany dia ho lasa zana-tsipìka malama sy voalambolambo ao amin’ny tranon-jana-tsipìkan’ilay Tsitoha aho. (Joseph Smith, ao amin’ny History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume D-1, 1556, josephsmithpapers.org)
Inona avy ireo fahoriana azonao eritreretina fa nisy teo amin’ny fiainan’i Joseph Smith izay mety ho nanampy azy ho lasa fitaovana tsara kokoa teo am-pelatanan’ny Tompo?
Eo am-pandalinanao anio dia eritrereto hoe nahoana ny Raintsika any An-danitra be fitiavana no hamela anao handalo fitsapana mangirifiry. Saintsaino ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao ho lasa tahaka Azy kokoa amin’ny alalan’ireo fahoriana sy fijaliana mety hiainanao eo amin’ny fiainanao.
Afaka ny ho soa ho antsika ireo fahoriana
Nandritra ny ririnin’ny taona 1838–39 dia nogadraina tsy ara-drariny tao amin’ny Fonjan’i Liberty ary niaritra fahoriana mafy i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Ao anatin’ny taratasy nentanim-panahy ho an’ireo Olomasina nijaly dia nampidirin’i Joseph ireo fahamarinana nambaran’ Andriamanitra taminy momba ny fijaliana izay niainany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–7, ka tadiavo ny zavatra tian’ Andriamanitra ho takatr’i Joseph momba ireo fitsapana tsy maintsy niaretany teo amin’ny fiainany.
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe ny fahoriana dia afaka manome antsika “traikefa” ary “ho soa ho [antsika]”? (andininy 7).
Ahoana no mety hifandraisan’io fahamarinana io amin’ireo vato marokoroko sy voalambolambo tany am-piandohan’ny lesona?
Inona no fahoriana atrehin’ny zatovo maro ankehitriny?
Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny zavatra nampianarin’ Andriamanitra ny Mpaminany Joseph Smith ao anatin’ireo toe-javatra ireo?
Oviana ianao na ny olona iray akaikin’ny fonao no niatrika fahoriana izay lasa fitahiana tamin’ny farany?
Inona no mety ho tokony hataon’ny olona iray mba hamelana ny fahoriany hanome traikefa sy hahasoa azy ireo?
Mahatsiaro an’i Jesoa Kristy ao anatin’ireo fahoriantsika
Inona no nianaranao na tsapanao androany momba an’i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao rehefa mandalo fahoriana ianao?