Seminera
Lesona 162: Ilay Kristy velona, Tapany 1: “Mijoro ho vavolombelona izahay, amin’ny maha-apôstôly voatendriny anay—Fa i Jesoa no ilay Kristy velona”


“Lesona 162: Ilay Kristy velona, Tapany 1: –Mijoro ho vavolombelona izahay, amin’ny maha-apôstôly voatendriny anay—Fa i Jesoa no ilay Kristy velona,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Ilay Kristy velona, Tapany 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 162: Ilay Kristy velona

Ilay Kristy velona, Tapany 1

“Mijoro ho vavolombelona izahay, amin’ny maha-apôstôly voatendriny anay—Fa i Jesoa no ilay Kristy velona”

ilay Kristy velona

Tamin’ny 1 janoary 2000, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka fanambarana iray fantatra amin’ny hoe “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly.” Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo dia nahatsiarovana ny faha-2000 taonan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany momba an’i Jesoa Kristy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

I Jesoa no ilay Kristy velona

Asehoy ny sarin’i Jesoa Kristy tany am-piandohan’ity lesona ity na ny sarin’ny Mpamonjy hafa. Hevero ny hanome sarin’izao tontolo izao ny mpianatra iray eo afovoan’ny efitrano. Asao ny iray kilasy hitarika io mpianatra io hanakaiky kokoa na hanalavitra ny sarin’i Jesoa Kristy miainga avy amin’ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny toe-javatra misy eo amin’izao tontolo izao. Asao izy ireo hanazava ny antony hahatsapany izany.

  • Nahoana no zava-dehibe ny hoe mihamanakaiky kokoa na mihamanalavitra ny Tompo izao tontolo izao?

Makà fotoana hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ny hoe manakaiky kokoa na manalavitra ny Tompo?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina izy ireo androany ary hikatsaka fitarihana avy amin’ny Tompo mba hanampy amin’ny famaliana izany.

Ilay Kristy velona

Zarao ny tahadikan’ny “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (ChurchofJesusChrist.org), na asao ny mpianatra hitady izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hianatra bebe kokoa momba io fanambarana io, dia amporisiho izy ireo hamaly fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Inona no tsikaritrao? Oviana no navoaka izany? Iza no nanao sonia izany? Moa ve ianao mahafantatra ny anaran’ireo olona nanao sonia izany?

Raha tsy izany, dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky ity andiam-pehezanteny manaraka ity izay mifandray amin’izany.

Amin’ny maha-vavolombelona manokan’i Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23), ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka fanambarana tamin’ny 1 janoary 2000. Io fanambarana io, izay fantatra amin’ny hoe “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” dia nankalaza ny faha-2000 taona nahaterahan’i Jesoa Kristy.

Vakio na jereo ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ka tadiavo ny antony maha-manan-danja io fanambarana io:

15:49
Loholona Robert D. Hales

Mihahaingana sy mihalavitra mihoatra ny teo aloha ny fihatahan’izao tontolo izao amin’ny Tompo. Mampiasa ny heriny sy ny fitaomany eto ambonin’ny tany ny fahavalo. Mba hahazoantsika fampitandremana mialoha sy fiarovana dia mijery, mihaino, mamaky, mandalina ary mizara ireo tenin’ny mpaminany isika. Ohatra, “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia efa nomena elaela talohan’ny niainantsika ireo olana atrehan’ny fianakaviana ankehitriny. “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia voaomana mialohan’ny fotoana izay tena hilantsika izany indrindra. (Robert D. Hales, “Ny Fihaonamben’ny Fiangonana: Manamafy orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona,” Liahona, nôv. 2013, 7)

Asao hizara izay zavatra niavaka tamin’izy ireo tao amin’ireo fanambarana ireo ny mpianatra. Anontanio azy ireo ny antony hieritreretan’izy ireo fa mety ilaina bebe kokoa ny fijoroana ho vavolombelon’ireo Apôstôly momba ny Mpamonjy amin’izao fotoana izao sy any aoriana noho ny tamin’ny fotoana nanomezana ilay fanambarana.

Hazavao fa hanana fahafahana ny mpianatra amin’ny lesona androany mba hanatona akaiky kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahatakaran’izy ireo Azy amin’ny alalan’io fanambarana mifono faminaniana io.

Halalino ny “Ilay Kristy velona

sary famantarana ny fanofananaAmpio ny mpianatra hahafantatra an’i Jesoa Kristy: Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahafantatra bebe kokoa an’i Kristy. Raha te hianatra bebe kokoa momba ny fomba hanaovana izany dia jereo ilay fampiofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. Hevero ny hampihatra ilay fahaiza-manao “Mamoròna fanontaniana mampikaroka mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ireo anarana fiantsoana Azy, ireo toetra nananany.”

Halalino ny “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ka mitadiava fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy. Mety hanampy ny fanasongadinana ny iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto:

  • Ireo anarana samihafa niantsoana an’i Jesoa Kristy izay nampiasaina ao amin’ilay taratasy

  • Izay tsapanao fa andian-teny manan-danja ao amin’ilay taratasy

  • Fanambarana izay mampiseho ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho anao

  • Ireo anjaran’i Jesoa Kristy asa sy ireo toetra nananany

Hevero ny hitsidika ny mpianatra tsirairay mba hanomezana fanampiana sy fankaherezana mandritra ny fandalinan’izy ireo.

ChurchofJesusChrist.org

2:45

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hizarana ny zavatra nianarany rehefa nandalina ny “Ilay Kristy velona” izy ireo. Amporisiho ny mpianatra mba hifampihaino sy hifampianatra. Azon’izy ireo atao ny manazava ny antony anomezan’izy ireo lanja ny fanamarihana nataon’ny mpiara-mianatra iray na mametraka fanontaniana mihitsy aza mba hanampiana azy ireo hahatakatra lalindalina kokoa.

Maro ireo fahamarinana azon’ny mpianatra fantarina. Ohatra vitsivitsy amin’izany ireto manaraka ireto:

  • Nahary ny tany teo ambanin’ny fitarihan’ny Ray i Jesoa Kristy.

  • Nanolotra ny ainy i Jesoa Kristy mba hanonitra ny fahotan’ny zanak’olombelona rehetra.

  • Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy ary velona ankehitriny.

  • I Jesoa Kristy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.

  • Ny lalan’i Jesoa Kristy no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.

Misafidiana iray amin’ireo fahamarinana hitanao na hitan’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy izay tianao hianarana misimisy kokoa.

Ampivelaro ny fahatakarantsika fahamarinana

Azonao atao ny mamaky ity fanambarana manaraka ity mba hanolorana fomba iray hampitomboana ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo.

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanasa antsika “hikaroka ao amin’ny soratra masina mba hampivelatra ny fahatakaran[tsika] ireo fahamarinana manokana hita ao amin’ny –Ilay Kristy velona–” (M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 65).

Asao ny mpianatra hampiasa ny soratra masiny mba hampivelarana ny fahatakarany ny iray amin’ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy. Afaka mitady teny na andian-teny manan-danja ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina izy ireo. Na azon’izy ireo atao ny misafidy tantaran’ny Mpamonjy izay maneho ny fahamarinana nosafidin’izy ireo.

Afaka manao izao manaraka izao koa ny mpianatra mba hampivelarana ny fahatakarany:

  • Mikaroka ny boky fihirana araka ny lohahevitra, ka mitady ny zavatra ampianarin’ireo fihirana momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany samihafa.

  • Mampiasa rakibolana hamaritana ireo teny sarotra.

  • Mitady ireo teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Azonao atao ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto mba hitarihana ny mpianatra rehefa mandalina izy ireo.

  1. Soraty ireo soratra masina nohalalininao sy izay hevi-baovao fanampiny mampivelatra ny fahatakaranao ny fahamarinana nosafidinao momba an’i Jesoa Kristy.

  2. Saintsaino ny antony maha-zava-dehibe ny mahatakatra izany fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izany.

  3. Satria nitsangana tamin’ny maty sy velona i Jesoa ankehitriny, dia mbola manatanteraka ilay fahamarinana nohalalininao Izy. Soraty ny fomba anaovany izany eo amin’ny fiainanao na ny fomba mety hitondran’izany fiovana eo aminao.

Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny zavatra hitany eo amin’ny tahadikan’ny “Ilay Kristy velona” nomena azy.

Asao ny mpianatra hizara amin’ny hafa ny zavatra nianarany androany. Ny fomba iray dia ny mivezivezy manerana ny efitrano mba hahitana olona tsy niara-niasa taminy vao haingana. Afaka mizara ny zavatra nianarany sy ny eritreriny momba izany izy ireo. Avy eo dia mety hifindra any amin’ny mpianatra iray hafa izy ireo ary hizara indray. Mety hanampy azy ireo hahafantatra mpianatra bebe kokoa sy handre eritreritra isan-karazany izany.

Henoy ny mpianatra rehefa mizara ny zavatra hitany izy ireo. Rehefa mihaino ianao dia azonao atao ny mangataka vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara amin’ny iray kilasy. Hanana fahafahana hizara bebe kokoa izy ireo ao amin’ny lesona manaraka.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny “Ilay Kristy velona” manampy antsika hahatakatra sy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no manampy anao eo amin’ny fiainanao ny fahatakarana bebe kokoa ny Mpamonjy?