Boky torolalana sy antso
4. Fitarihana sy filankevitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy


“4. Fitarihana sy filankevitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“4. Fitarihana sy filankevitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

fivorian’ny filankevitry ny paroasy

4.

Fitarihana sy filankevitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

4.0

Teny fanolorana

Amin’ny maha-mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana, dia nantsoina avy amin’ny fitarihan’ny Fanahy ianao tamin’ny alalan’ireo mpanompon’ny Tompo nomena lalana. Manana tombontsoa ianao hanampy eo amin’ny asan’ny Ray any An-danitra dia “ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

4.2

Ireo fitsipiky ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana

Nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany dia naneho ny ohatry ny mpitarika ho an’ny Fiangonany Izy. Ny tanjony fototra dia ny hanao ny sitrapon’ny Rainy any An-danitra sy ny hanampy ny hafa hahatakatra sy hiaina ny filazantsarany (jereo ny Jaona 5:30; Môzià 15:7).

4.2.1

Miomana ara-panahy

Niomana ara-panahy i Jesoa ho amin’ny iraka nampanaovina azy teto an-tany (jereo ny Lioka 4:1–2). Ianao koa dia miomana ara-panahy tahaka izany amin’ny fanatonana ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina ary ny fankatoavana ny didiny.

Katsaho ny fanambarana mba hahatakarana ny zavatra ilain’ireo izay tarihinao sy ny fomba hanatontosanao ny asa nasain’ Andriamanitra hataonao.

Nampanantena ihany koa ny Tompo fa hanome fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ho an’ireo izay mikatsaka izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8

4.2.2

Manompo ireo zanak’ Andriamanitra rehetra

Tiavo ny olona tompoinao tahaka ny nataon’i Jesoa. Mivavaha “amin’ny herin’ny fo manontolo” mba ho heniky ny fitiavany (Môrônia 7:48).

Ampio ny olona hanao izay hahalalim-paka ny fiovam-pony ary hampatanjaka ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo hiomana hanao fanekempihavanana rehefa mandray ny ôrdônansin’izy ireo manaraka. Amporisiho izy ireo hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo ary handray ireo fitahiana azo avy amin’ny fibebahana.

4.2.3.

Mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ny mpitarika rehetra dia mpampianatra avokoa. Miezaha manaraka ny ohatry ny Mpamonjy tamin’ny naha-mpampianatra Azy. (jereo ny toko 17; Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy). -Ampianaro amin’ny alalan’ny teny sy ny asa ataonao ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipiky ny filazantsarany (jereo ny 3 Nefia 11:32–33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12– 14).

Mampianara avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:9

Raha antsoina na omena andraikitra ianao hiahy mandritra ny fivoriana na ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana, dia makà antoka fa mankahery sy marina ara-potopampianarana ilay fampianarana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:21–23).

4.2.4

Miahy amim-pahamarinana

Ny mpiandraikitra miahy tsirairay dia manompo eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona fanalahidin’ny Fisoronana (jereo ny 3.4.1). Io rafitra io dia mitondra lamina sy antanan-toha-pahefana ary maha-tompon’andraikitra mazava eo amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo.

Mahazo mizara andraikitra amin’ny olona iray hafa hisahana andraikitra hiahy mandritra ny fotoana voafetra ny mpiandraikitra mpiahy iray.

Maka antoka ny mpitarika iray izay miahy ao amin’ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana, na fivoriana, na fiaraha-mientana fa tontosa ireo tanjon’ny Tompo. Manaraka ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo fitsipiky ny Fiangonana ary ny fitarihan’ny Fanahy Masina ilay mpitarika rehefa manao izany.

Ny antso na asa nampandraiketina hiahy dia tsy mahatonga ilay olona mandray izany ho manan-danja kokoa na ambony kokoa noho ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:109–10

Tsy fahendrena ny maniry ny ho mpiahy na rafitra inona na rafitra inona ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–37

4.2.5

Mizara andraikitra sy maka antoka ny fandraisana andraikitra

Nomen’ny Mpamonjy asa ampanaovina sy andraikitra manan-danja ireo mpianany (jereo ny Lioka 10:1). Nanome azy ireo fahafahana ihany koa Izy hanao tatitra momba ny asa nampanaoviny azy ireo (jereo ny Lioka 9:10.)

Amin’ny maha-mpitarika anao dia afaka manampy ny hafa hivoatra ianao amin’ny alalan’ny fizarana andraikitra amin’izy ireo. Miezaha hampandray anjara ny mpikambana rehetra amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra.

Ny fizarana andraikitra dia hahatonga ihany koa ny asa fanompoana ataonao hahomby kokoa. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mikasika izay andraikitra ho zaraina mba hahafahanao mifantoka amin’izay laharam-pahamehana indrindra ho anao.

4.2.6

Manomana ny hafa ho tonga mpitarika sy mpampianatra

Mivavaha mafy rehefa mieritreritra ny olona afaka manompo amin’ireo antso ao amin’ny Fiangonana na ireo asa ampandraiketina. Tadidio fa ny Tompo no hanefy ireo izay antsoiny. Ny manan-danja indrindra dia ny hoe te hanompo izy ireo, sy hikatsaka amim-panetrentena ny fanampian’ny Tompo, ary miezaka ny ho mendrika.

4.2.7

Manomàna fivoriana sy lesona ary fiaraha-mientana misy tanjona mazava

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa manomana fivoriana sy lesona ary fiaraha-mientana izay ahitana tanjona mazava. Ireo tanjona ireo dia tokony hanamafy orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary hitondra azy ireo hanatona an’i Kristy, ary hanampy amin’ny fanatontosana ny asan’ Andriamanitra izay mitondra famonjena sy fisandratana (jereo ny toko 1 sy 2).

4.2.8

Fanombanana ny ezaka ataonao

Avereno jerena matetika ireo andraikitrao sy ny fivoaranao ara-panahy amin’ny maha-mpitarika anao. Eritrereto ihany koa ny fivoaran’ireo izay tarihinao.

Ny fahombiazanao amin’ny maha-mpitarika anao dia refesina voalohany indrindra amin’ny fanoloranao tena hanampy ireo zanak’ Andriamanitra ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky. Azonao fantarina fa faly amin’ny ezaka ataonao ny Tompo rehefa mahatsapa ny Fanahy miasa amin’ny alalanao ianao.

4.3

Ireo filankevitra misy ato amin’ny Fiangonana

Nampianatra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonany ny Tompo mba hifampidinika rehefa manao ny asany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:2–3). Ireo filankevitra dia manome fahafahana an’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra handray fanambarana rehefa mikatsaka ny hahatakatra ny zavatra ilain’ireo zanak’ Andriamanitra sy manao drafitra momba ny fomba hanomezana izany izy ireo.

4.4

Fitsipika mifehy ny filankevitra mahomby

4.4.1

Tanjona hanaovana ireo filankevitra

Ny filankevitra dia tena manantitrantitra ny fanampiana ireo mpikambana handray ireo ôrdônansy sy hitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany.

4.4.2

Fiomanana amin’ireo fivoriana filankevitra

Tokony hivory matetika ireo fiadidiana sy filankevitra. Ireo mpitarika dia mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo amin’ny fandrafetana ireo fivoriana filankevitra. Maka hevitra avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra ihany koa izy ireo amin’ny fanapahana hevitra ny amin’izay zavatra horesahina.

Ampahafantarin’ireo mpitarika an’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra mialoha ireo zavatra hifanakalozana hevitra. Miomana ny hizara ny heviny momba ireo zavatra horesahina ireo ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra.

4.4.3

Fifanakalozan-kevitra sy fanapahan-kevitra

Mandritra ny fivoriana filankevitra iray dia manazava ny zavatra hodinihina ilay mpitarika (na olona iray nomen’ilay mpitarika andraikitra hanao izany). Avy eo ilay mpitarika dia mamporisika ny hanaovan’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra fifanakalozan-kevitra, mametraka fanontaniana ary mitady hevitra.

Mizara soso-kevitra ary mifampihaino amim-panajana ireo mpikambana. Rehefa mikatsaka hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo izy ireo dia afaka manjaka ny fanahin’ny fitaomam-panahy sy ny firaisan-kina.

Amin’ny filankevitra iray izay ahitana vehivavy sy lehilahy dia maka hevitra avy amin’ny roa tonta ilay mpitarika. Matetika ny vehivavy sy ny lehilahy no manana fomba fijery samy hafa ka ahafahana mahazo ny fifandanjan-kevitra ilaina.

Mpitarika iray no mitarika ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny filankevitra. Na izany aza anefa dia tokony ho ny mihaino no ataony kokoa toy izay miteny.

Rehefa tapitra ny fifanakalozan-kevitra dia afaka manapa-kevitra amin’izay asa hatao ilay mpitarika na manemotra ny fandraisana fanapahan-kevitra sady mikatsaka fampahalalana sy fitarihana fanampiny ihany.

4.4.4

Firaisan-kina

Mikatsaka ny ho lasa iray amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny faniriana sy ny tanjona ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra. Miezaka ny hiray hina izy ireo amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo.

4.4.5

Fanaovana asa sy ny maha-tompon’ andraikitra

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia manao ny ankamaroan’ny asan’izy ireo mialoha sy aorian’ireo fivoriana filankevitra. Mikatsaka fitaomam-panahy izy ireo mandritra ireo fivoriana mba hamoronana drafitra hanatontosana ireo fanapahan-kevitra. Manasa ireo mpikambana ilay mpitarika ny filankevitra hanatanteraka asa ampandraiketina mifandray amin’ireo drafitra ireo.

Manao tatitra ny asa nampandraiketina azy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra. Ny fivoarana mazàna dia mitaky fifantohana sy fanaraha-maso maharitra an’ireo asa nampandraiketina.

4.4.6

Ny fihazonana ny tsiambaratelo

Mampiasa fahamalinana ireo mpitarika rehefa mizara ny mombamomba ny olona iray manokana amin’ny filankevitra. Amin’ny ankapobeny dia mangataka lalana avy amin’ilay mpikambana izy ireo mba hahafahana mizara izany fampahalalana izany.

Tsy tokony hizara ny mombamomba ny olona iray manokana any ivelan’ilay filankevitra ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra raha tsy hoe ilaina hanatanterahana ilay andraikitra nampanaovin’ilay mpitarika ny filankevitra izany.

Saropady loatra ny zavatra sasany ka manahirana raha resahina amin’ny filankevitra manontolo.