Boky torolalana sy antso
5. Mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny Vondromparitra


“5. Mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny Vondromparitra,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“5. Mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny Vondromparitra,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Fiadidiana Voalohany

5.

Mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny Vondromparitra

5.0

Teny fanolorana

I Jesoa Kristy no “fehizoro indrindran’” ny Fiangonany (Efesiana 2:20). Mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra Izy. Miantso apôstôly sy mpaminany Izy mba hanampy Azy amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana. Nomeny an’ireo mpanompo nofinidiny ireo ireo fanalahidy rehetra izay mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13; jereo koa ny 3.4.1 ato amin’ity boky torolalana ity.)

Amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly no hiantoan’ny Tompo lehilahy maro ho amin’ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy mba hanampy amin’ny asany manerana an’izao tontolo izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:38). Ankoatra izany, ny Episkôpà Mpiahy, sy ireo Mpiandraikitra Ambony ary ireo lehilahy sy vehivavy hafa mpitarika dia omena andraikitra manan-danja mba hanampy eo amin’ny asa.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany (ChurchofJesusChrist.org).