Boky torolalana sy antso
6. Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka


“6. Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“6. Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

mpitarika iray miresaka amina fianakaviana

6.

Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

6.1

Ireo tanjon’ny tsatòka

I Isaia dia namaritra ny Zionan’ny andro farany ho toy ny lay na tabernakely izay miorina mafy amin’ny alalan’ireo tsatòka (jereo ny Isaia 33:20; 54:2).

Manorina tsatòka ny Tompo mba ho an’ny “fiaraha-mivondron[’ny]” olony sy “ho fiarovana sy ho fialofana” amin’izao tontolo izao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6

6.2

Fiadidian’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka dia mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny asan’ny Fiangonana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 3.4.1). Izy sy ireo mpanolotsainy no mandrafitra ny hoe fiadidian’ny tsatòka. Mikarakara ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka amim-pitiavana izy ireo, ary manampy azy ireo ho tonga mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.

Manana andraikitra fototra efatra ny filohan’ny tsatòka:

  1. Izy no mpisorona avo mpiahy eo anivon’ny tsatòka.

  2. Izy no mitarika ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka.

  3. Izy no mpitsara tsotra.

  4. Izy no manara-maso ireo firaketana sy ny fitantanam-bola ary ireo fananana.

6.3

Ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahefana ananan’ny filohan’ny distrika sy ny an’ny filohan’ny tsatòka

Ao amin’ny distrika tsirairay dia misy mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray izay antsoina ho filohan’ny distrika. Manompo mitovitovy amin’ny filohan’ny tsatòka ihany izy saingy ireto manaraka ireto no tsy mampitovy azy:

  • Tsy mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo izy. Eo anivon’ny tsatòka ihany no anorenana kôlejy toy izany.

  • Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia afaka manao tafa sy dinika amin’ny rahalahy iray hotendrena ho loholona ny filohan’ny distrika. Ny filohan’ny distrika na ny olona iray eo ambany fitarihany dia afaka ihany koa (1) manolotra rahalahy iray mba hotohanana ary (2) manatanteraka ny fanendrena (jereo ny 18.10.1.3, 18.10.3, ary ny 18.10.4). Na izany aza dia tsy afaka manendry patriarika na mpisorona avo na eveka ny filohan’ny distrika.

  • Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia afaka manokana filohan’ny sampana ny filohan’ny distrika (jereo ny 18.11

  • Tsy manao fisaorana misiônera manompo amin’ny fotoana feno izy.

  • Tsy manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy na manao sonia fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny 26.3.1

  • Tsy manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izy raha tsy efa nahazo lalana tamin’ny filohan’ny misiôna.

6.5

Filankevitra avo

Miantso mpisorona avo miisa 12 ny fiadidian’ny tsatòka mba handrafitra ny filankevitra avon’ny tsatòka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:1; 124:131).

6.5.1

Misolo tena ny fiadidian’ny tsatòka

Isaky ny paroasy tsirairay ao amin’ny tsatòka dia misy mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nasain’ny fiadidian’ny tsatòka hiandraikitra izany.

Isaky ny kôlejin’ny loholona tsirairay ao amin’ny tsatòka dia misy mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo koa nasain’ny fiadidian’ny tsatòka hiandraikitra izany.

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manendry mpikambana ao amin’ny filankevitra avo mba hampianatra ireto olona manaraka ireto ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary ny asa fitoriana ny filazantsara:

  • Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

  • Mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy

  • Ireo mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

6.7

Ireo rafitra eo anivon’ny tsatòka

Samy tarihin’ny filoha iray ireo rafitry ny Fikambanana Ifanampiana, ny Zatovovavy, ny Kilonga ary ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka. Manompo eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka ireo filoha ireo.

Ny andraikitra lehibe sahanin’ireo mpitarika ireo dia ny manampy ny fiadidian’ny tsatòka sy ny mampianatra ary manohana ireo fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy.

6.7.1

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, Zatovovavy sy Kilonga ary Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Manana ireto andraikitra manaraka ireto ireo mpikambana ao amin’ireo fiadidiana ireo:

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny tsatòka (ireo filoha fotsiny ihany).

  • Manofana ireo fiadidian’ireo rafitra vao nantsoina eo anivon’ny paroasy.

  • Manolotra fanohanana sy fampianarana mitohy. Mifandray tsy tapaka amin’ireo fiadidian’ireo rafitra eo anivon’ny paroasy mba hahafantarana ny zavatra ilain’izy ireo sy hiresahasana mikasika ny zavatra ilain’ireo mpikambana tompoin’izy ireo, ary hampitana hafatra avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka.

  • Mampianatra ireo fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy mandritra ireo fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.4

6.7.2

Ny fiadidian’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka dia mitana ireto andraikitra fanampiny manaraka ireto:

  • Manompo ho toy ny loharanom-panampiana ho an’ny episkôpà eo anatrehan’ireo andraikiny amin’ireo rahalahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna.

  • Manompo ao amin’ny kômitin’ny mpitarika misahana ny zatovo eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.10

  • Mandrafitra sy mandrindra fiaraha-mientana sy lasin’ny Fisoronana Aharôna eo anivon’ny tsatòka eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka.